Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Keretita

Keretita

(Keretìta).

Firenena miara-voatonona amin’ny Filistinina. (Ezk 25:16; Ze 2:5) Nisy Keretita tao amin’ny tafiky ny firenena voafidin’i Jehovah.​—2Sa 8:18; 20:23; 1Ta 18:17.

Misy mpanao diksionera hebreo mihevitra fa avy amin’ny fototeny hoe karat (midika hoe “mandringana”) ny hoe keretim, ka tokony hadika hoe “mpandringana.” Ny ankamaroan’ny mpivaofy teny ara-baiboly kosa mino fa ilazana firenena ilay teny hebreo (keretim) nadika hoe “Keretita.” Miaiky anefa izy ireo fa mety hoe karat tokoa no fototenin’ny hoe keretim. Mety ho nanao tsilalaon-teny àry i Jehovah ao amin’ny Ezekiela 25:16, rehefa nanome toky hoe: “Horinganiko [hikratti] ny Keretita [keretim].” Toa te hilaza izy hoe: ‘Haringako ny mpandringana.’

Toa nifandray akaiky ny Keretita sy ny Filistinina, matoa miara-voatonona ao amin’ny Ezekiela 25:15-17 sy Zefania 2:5-7. Nosoloan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe “Kretanina” [“Kretoà”, Kat.] ny hoe “Keretita.” Noheveriny angamba fa ireo Filistinina “avy tany Kreta [Kaftora]” izy ireo. (Am 9:7) Toa tany amin’ny “tanin’ny Filistinina” koa ny Keretita, araka ny 1 Samoela 30:14, 16. Mihevitra àry ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ny Filistinina ihany no Keretita, na firenena roa nifanerasera be izy ireo. Misy indray milaza hoe mety ho foko lehibe teo amin’ny Filistinina ny Keretita.

Ny hafa kosa milaza fa firenena roa samy hafa ny Filistinina sy ny Keretita, saingy ny Filistinina no nahery kokoa, na tonga voalohany tany Kanana ka lasa nahery. Nomena ny anarany àry, hono, ilay faritra nonenany ka natao hoe Filistia, na dia tsy nanjavona tanteraka aza ny anarana hoe Keretita. Raha izany no izy, dia mety te hilaza ny faminanian’i Ezekiela sy Zefania fa ny mponina rehetra tao amin’ireo tanànan’i Filistia, na ny Filistinina izany na ny Keretita, no hataon’i Jehovah mitondra faisana. Toa ny Babylonianina no nanatanteraka an’ireo faminaniana ireo.

Lasa anisan’ny tafik’i Davida ny Keretita sasany. Mety ho mpiaro ny mpanjaka ny Keretita sy ny Peletita (izay miara-voatonona matetika), ka i Benaia no lehiben’izy ireo. (2Sa 8:18; 20:23; 1Ta 18:17; ampit. 2Sa 23:22, 23; 1Ta 11:25.) Milaza àry ny manam-pahaizana sasany fa ireo Keretita ireo no “Karianina mpiaro ny mpanjaka” tamin’ny andron’i Joiada mpisorona, 100 taona mahery tatỳ aoriana. (2Mp 11:4, 19; jereo KARIANINA MPIARO NY MPANJAKA.) Toa tsy Israelita ny Keretita, ary lazain’ny sasany hoe mpikarama an’ady matimatim-bola fotsiny tamin’ny andron’i Davida. Tsy marina anefa izany satria tena nanohana an’i Davida, ilay voahosotr’i Jehovah, izy ireo. Tsy nivadika taminy mantsy izy ireo, tamin’izy voatery nandositra niala tao Jerosalema rehefa babon’i Absaloma mpikomy “ny fon’ny Israelita.” (2Sa 15:13, 18) Nanaiky hampitsahatra ny fikomian’i Seba Benjamita koa ny Keretita tatỳ aoriana, ary nanohana an’i Solomona izay nofidin’i Davida handimby azy.​—2Sa 20:7; 1Mp 1:38, 39, 44.