Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Keriota

Keriota

(Keriôta) [Tanàna].

Toerana voaresaka ao amin’ny faminaniana roa fanamelohana an’i Moaba. (Je 48:24; Am 2:2) Mety ho tanàna kely maromaro izy io, raha jerena ny hevitry ny anarany. Tsy fantatra anefa hoe taiza marina no nisy azy. Misy manam-pahaizana mihevitra azy io ho Saliya, 16 km eo ho eo atsinanana atsimoatsinanan’i Dibona sy avaratr’i Arnona. Ny hafa indray mihevitra fa i Ara, any atsimon’i Arnona, angamba no Keriota. Mety ho marina izany, satria tsy miara-voatonona amin’ny tanàna moabita hafa mihitsy (ampit. Is 15 sy 16; Je 48) i Ara sy Keriota, nefa samy tanàn-dehibe.​—Ampit. Am 2:1-3; De 2:9, 18.

Tsy resahin’ilay Vato Moabita hoe taiza no nisy an’i Keriota. Voalazan’izy io kosa fa nisy toerana masina ho an’i Kemosy andriamanitra tao.