Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ketora

Ketora

(Ketòra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manolotra setroka ho sorona”].

Anisan’ny vadin’i Abrahama, ary renin’ny zanak’i Abrahama enin-dahy (Zimrana, Joksana, Medana, Midianina, Jisbaka ary Soaha), izay razamben’ireo foko avy tany amin’ny faritra avaratra amin’i Arabia, ary nonina tany atsimo sy atsinanan’i Palestina.​—Ge 25:1-4.

Resahina mazava hoe “vadikelin’i Abrahama” i Ketora ao amin’ny 1 Tantara 1:32. Toa izy sy Hagara koa no tiana holazaina amin’ilay hoe “vadikeliny” ao amin’ny Genesisy 25:6. Vady faharoa àry i Ketora, ary tsy nitovy tamin’i Saraha mihitsy izy. I Saraha mantsy no niteraka an’i Isaka izay niavian’ilay Taranaka nampanantenaina. (Ge 17:19-21; 21:2, 3, 12; He 11:17, 18) “Nomen’i Abrahama an’i Isaka ny fananany rehetra.” Fanomezana fotsiny kosa no nomeny ny zanany tamin’ireo vadikeliny, ary “dieny mbola velona izy, dia nasainy niala teo amin’i Isaka zanany ireo, ho any amin’ny tany Atsinanana.”​—Ge 25:5, 6.

Misy milaza fa efa vadikelin’i Abrahama i Ketora, tamin’i Saraha mbola velona. I Abrahama ve, hono, dia mbola hiteraka enin-dahy amin’ny vehivavy iray sady mbola hahita ny itomboan’ireo zanany ireo ho lasa olon-dehibe azo alefa handeha, nefa izy aza efa 140 taona mahery? Raha ny marina anefa, dia mbola velona 35 taona mahery taorian’ny nahafatesan’i Saraha i Abrahama, satria 175 taona izy vao maty. (Ge 25:7, 8) Afaka naka vady an’i Ketora sy niteraka enin-dahy taminy àry izy, sady nahita ny nitomboan’ireo zaza ireo talohan’ny nahafatesany. Tokony hotadidina koa fa tsy nanao zavatra nampalahelo an’i Saraha i Abrahama tamin’ny ankapobeny. Azo antoka àry fa tsy haka vadikely hafa mihitsy izy raha mbola velona i Saraha, satria hampisy olana tao an-tokantranony izany (efa nahatonga olana toy izany i Hagara sy Ismaela). Ny filahatry ny fitantarana ao amin’ny bokin’ny Genesisy no tena ahafantarantsika fa taorian’ny nahafatesan’i Saraha i Abrahama vao naka an’i Ketora ho vady.​—Ampit. Ge 23:1, 2; 24:67; 25:1.

Tsy afaka niteraka an’i Isaka i Abrahama sy Saraha, izay samy efa antitra, raha tsy nanao fahagagana Andriamanitra ka nanome hery azy ireo hananany anaka. (He 11:11, 12) Izany hery izany koa no nahafahan’i Abrahama mbola niteraka enin-dahy tamin’i Ketora taorian’izay, na dia antitra kokoa aza izy.