Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kezia

Kezia

(Kezià) [mety hidika hoe (hazo) Kasia].

Ny faharoa tamin’izy telo vavy naterak’i Joba taorian’ilay fitsapana mafy nanjo azy sy ny nitahian’i Jehovah azy. (Jb 42:14) Nampiasaina tamin’ny endriny milaza vavy ilay teny hebreo nadika hoe “kasia”, angamba noho ny hanitry ny hazo kasia. Ny hatsaran-tarehin’ilay ankizivavy àry no mety ho antony niantsoana azy tamin’io teny hebreo io.​—Jb 42:15.