Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kibo

Kibo

Ny faritra malemy eo ambanin’ny tratra ary misy ny vavony sy ny aty ary ny tsinay.

Ampiasaina hilazana an’io faritra amin’ny vatana io ilay teny hebreo hoe beten. (Mpts 3:21, 22; Oh 13:25) Ampiasaina hilazana ny fitondrana vohoka koa anefa ny beten, satria naloaky ny kibo ny zanaka. (Ge 25:23, 24; Jb 1:21; Sl 127:3; Mpto 11:5; Is 44:2; Ho 9:11) Teny hebreo hafa hoe rehem (na raham) kosa no ilazana ny vohoka. Izao, ohatra, no voalazan’ny Joba 31:15: “Tsy Ilay nanamboatra ahy tao am-bohoka ihany ve no nanamboatra azy koa? Ary tsy Iray ihany ve no namolavola anay tao am-bohoka?”​—Jereo koa Ge 49:25, f.a.p.; Sl 22:10; Oh 30:16.

Ampiasaina eo amin’ny resaka taotrano koa ilay teny hebreo hoe beten (kibo) ao amin’ny 1 Mpanjaka 7:20, mba hilazana zavatra mibontsina na mivohitra.

Ilay teny grika hoe kôilia izay midika hoe lavaka no nadika hoe ‘kibo’ (1Ko 6:13; Fi 3:19; Lk 1:15, 41), “tsinay” (Mt 15:17), ‘ao anaty ao’ (Jn 7:38), arakaraka ny zavatra resahina.

Ampiasaina an’ohatra koa ny hoe ‘kibo’, ka hilazana fahazotoan-komana na fanirian’ny nofo (Ro 16:18; Fi 3:19), sy ny fiavian’ny fitenenana sy adihevitra. (Jb 32:18, 19) Nantsoin’i Jona hoe Fasana ny kibon’ilay trondro ngezabe. Hoy izy: “Tao an-kibon’ny Fasana aho no niantso vonjy.” Toy ny hoe maty mantsy izy raha tsy nanao fahagagana i Jehovah mba hanafahana azy avy tao.​—Jo 2:2; jereo KIBO, VOHOKA; TSINAY.