Kidona
(Kidôna).
Anaran’ny tompon’ilay famoloana nahafatesan’i Oza, na anaran’ilay famoloana mihitsy koa. Novonoin’i Jehovah i Oza rehefa nafindra ny Vata misy ny tenin’ny vavolombelona. Nalaina tany Kiriata-jearima izy io tamin’izay mba hafindra tany amin’ny Tanànan’i Davida. Azo inoana hoe teo anelanelan’ireo toerana ireo no nisy an’ilay famoloana, sady tany akaikin’ny tranon’i Obeda-edoma. (1Ta 13:6-14) Tsy fantatra izay tena nisy azy io. Andinin-teny mifanitsy amin’io ny 2 Samoela 6:6, ary “Nakona” no anarana hita ao. Mety ho anaran’ilay famoloana àry no resahin’ny andininy iray, fa ny anaran’ny tompony kosa no ao amin’ilay andininy hafa. Niova ny anaran’ilay toerana tatỳ aoriana ka lasa hoe Pereza-oza (“Tapaka ny Fihavanana Amin’i Oza”).