Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kidrona, Lohasaha Falehan-driakan’i

Kidrona, Lohasaha Falehan-driakan’i

(Kidrôna) [Mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “maizina”].

Lohasaha eo anelanelan’ny havoana misy an’i Jerosalema sy ny Tendrombohitra Oliva. Mianatsimoatsinanana aloha izy io vao mianatsimo manaraka an’ilay tanàna. Miandoha any avaratry ny mandan’i Jerosalema ny Lohasahan’i Kidrona (Nahal Kidron), ary tsy misy rano izy io na dia amin’ny ririnina aza, raha tsy rehefa tena avy be ny orana. Mifanalavitra sy ivaiva aloha ireo tehezan-kavoana eo amin’ny andaniny roa amin’ilay lohasaha. Mifanakaiky sy mijidina be anefa izy ireo rehefa avy eo ka mihatery sy mihalalina ilay lohasaha. Tokotokony ho 30 m ny halalin’izy io ary 120 m ny sakany rehefa mifanitsy amin’ny faritra nisy ny tempoly taloha. Mihaona amin’ny Lohasahan’i Tyropoeona aloha izy io eo atsimo kokoa, vao mihaona amin’ny Lohasahan’i Hinoma. Mianatsimoatsinanana izy io avy eo ka mamakivaky ny Tany Efitr’i Joda mankany amin’ny Ranomasina Maty. Lohasaha Falehan-driaka en-Nar (midika hoe “Lohasahan’ny Afo”) no anaran’ilay tapany atsimo kokoa amin’izy io ankehitriny, satria mahamay sy maina any mandavantaona.

Feno fasana anaty vatolampy eo amin’ny tehezan’ilay hantsana eo atsinanana, izay mifanatrika amin’i Jerosalema. Eo amin’ny ilany andrefana kosa ny loharanon’i Gihona, izay eo antsasa-dalana raha avy eo amin’ny faritra nisy ny tempoly no mankany amin’ny fihaonan’ny lohasahan’i Kidrona sy Tyropoeona. (Jereo GIHONA No. 2) Mihamalalaka ny Lohasahan’i Kidrona rehefa afaka an’io loharano io, ka lasa tany malalaka. Misy milaza fa mety ho io ilay “zaridainan’ny mpanjaka” fahiny.​—2Mp 25:4.

Nandeha an-tongotra niampita ny Lohasahan’i Kidrona i Davida Mpanjaka rehefa nandositra an’i Absaloma mpikomy. (2Sa 15:14, 23, 30) Nanozona an’i Davida i Simey tamin’izay. Tsy navelan’i Solomona hivoaka an’i Jerosalema na hiampita ny Lohasahan’i Kidrona intsony àry i Simey tatỳ aoriana, raha tsy te ho faty. (1Mp 2:8, 9, 36, 37) Niampita an’io lohasaha io koa i Jesosy tamin’izy ho any amin’ny zaridainan’i Getsemane. (Jn 18:1) Natao fanariana an’ireo zavatra nampiasain’ny mpanompo sampy ny Lohasahan’i Kidrona tamin’ny andron’i Asa sy Hezekia ary Josia, izay samy mpanjakan’ny Joda. (1Mp 15:13; 2Mp 23:4, 6, 12; 2Ta 15:16; 29:16; 30:14) Natao toeram-pandevenana koa izy io. (2Mp 23:6) Nanjary toerana maloto àry ilay lohasaha. Lasa mazava kokoa izao ilay faminanian’i Jeremia izay milaza fa mbola hiova izany. Hoy izy: “Ho masina eo anatrehan’i Jehovah ... ny tanimboly mikitohatohatra rehetra hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kidrona.”​—Je 31:40.