Kilikia
(Kilikìa).
Faritra somary kely sy tery any amin’ny ilany atsimoatsinanan’i Azia Minora. Ireto avy no nanodidina azy fahiny: Ny Ranomasina Mediterane (teo atsimo), Pamfylia (teo andrefana), ny tandavan-tendrombohitra Taurus, izay nanasaraka azy tamin’i Lykaonia sy Kapadokia (teo avaratra), ny Tendrombohitra Amanus na Nur ankehitriny (teo atsinanana), izay sampan’ny Tendrombohitra Taurus ihany fa nianatsimo nanasaraka an’i Kilikia sy Syria.
Manana vohon-tany roa miavaka tsara ilay faritra: Nantsoina hoe Kilikia Tracheia (mikitoantoana) ny ilany andrefana, ary Kilikia Pedias (lemaka) ny ilany atsinanana. Lembalemba rakotra ala ilay ilany mikitoantoana, ary anisan’ny Tendrombohitra Taurus ihany. Mikitoantoana ny morontsiraka, sady be vato no be tendrontany mivoaka any an-dranomasina, ka maro ny seranana voaro tsara sy ny helodranomasina any. Efa hatry ny ela be no fiafenan’ny mpangalatra sy ny jiolahin-tsambo io morontsiraka io. Ampy rano tsara ka tena lonaka ny lemaka amoron-tsiraka, ilay antsoina hoe Kilikia Pedias. Maromaro ny tanàna teo amin’io lemaka io, izay nahaleo tena ihany na dia mbola nofehezin’ny Romanina aza. Tena niavaka tamin’ireny i Tarsosy, tanàna nahaterahan’i Saoly (Paoly).—As 21:39; 22:3; 23:34.
Namokatra varimbazaha sy rongony ary voankazo ilay faritra. Nampiavaka an’i Kilikia tamin’ny andron’ny Romanina koa anefa ny cilicium (volon’osy fanamboarana tranolay). Anisan’ny nahatonga an’i Paoly ho mpanao tranolay angamba izany.
Tena tsara toerana ho an’ny tafika sy ny varotra i Kilikia. Nisy lalambe fivezivezen’ny entam-barotra avy tany Syria nandalo ny Vavahadin’i Syria (hadilanana eo amin’ny Tendrombohitra Amanus, Nur ankehitriny, 30 km eo ho eo any avaratr’i Antiokia). Namakivaky an’i Kilikia hatrany Tarsosy io lalambe io, ary niakatra ny Tendrombohitra Taurus, ka nandalo teo amin’ny Vavahadin’i Kilikia (hadilanana eo amin’ny Tendrombohitra Taurus) ary nivoaka tany amin’ny faritra afovoany sy andrefan’i Azia Minora.
Nizarazara ilay faritany, raha vao nanomboka nifehy azy io ny Fanjakana Romanina: Ny mpanjaka teo an-toerana no navela hitondra ny ampahany tamin’ny ilany andrefana, fa ny ambiny kosa nofehezin’ireo fanjakana nifanila tamin’izy ireo (mbola zanatany romanina ihany). Tamin’ny andron’i Vespasien (taona 72) vao natambatra ho faritany iray ihany ny ilany atsinanana sy andrefana tamin’i Kilikia. Nifandray akaiky àry i Kilikia sy Syria, tany am-piandohan’ny andron’ny apostoly, ary toa ahitana an’izany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15:23, 41 sy ny Galatianina 1:21. Misy mpikaroka milaza fa i Kilikia Pedias ilay “Kilikia”, resahin’ireo andininy ireo. Milaza ny Asan’ny Apostoly 27:5 fa “nandeha teny afovoan-dranomasina” ry Paoly “rehefa nandalo tandrifin’i Kilikia sy Pamfylia”, tamin’izy ho any Roma mba hotsaraina. Toa ny ilany atsinanana sy andrefan’i Kilikia mitambatra ilay “Kilikia” voaresaka eo.
Anisan’ireo niady hevitra tamin’i Stefana ny Jiosy avy tany Kilikia. (As 6:9) Efa nisy fiangonana tany, tamin’ny taona 49 tany ho any, matoa nandefa taratasy tany ny filan-kevi-pitantanana kristianina tany Jerosalema. (As 15:23) Azo antoka hoe nandalo tany Kilikia sy tany amin’ny Vavahadin’i Kilikia i Paoly nandritra ny dia misionera faharoa sy fahatelo nataony.