Kinereta
(Kinerèta).
1. Tanàna voaro mafin’i Naftaly. (Js 19:32, 35) Maro no mihevitra azy io ho i Kirbet el-ʽOreimeh (Tel Kinerot). Maherin’ny 3 km any atsimoandrefan’i Kapernaomy no misy azy io, eo amin’ny dongon-tany iray ahatazanana ny ilany avaratrandrefana amin’ny Ranomasin’i Galilia. Hita eo amin’ny rindrin’ny tempoly ao Karnak any Thèbes ny hoe Kinereta, ao amin’ny lisitr’ireo tanàna kananita resin’i Thoutmosis III (izay lazain’ny mpahay tantara fa nanjaka tamin’ny taonjato faha-16 T.K.).
2. Faritra tany Israely izay nasain’i Asa mpanjakan’ny Joda (t. 962 T.K.) notafihin’i Beni-hadada I, mpanjakan’i Syria. (1Mp 15:20; ampit. 2Ta 16:4.) Ny Lemak’i Genesareta izay mahavokatra be matetika no tiana holazaina amin’ny hoe “Kinereta manontolo.”
3. Anaran’ny Ranomasin’i Galilia taloha. (No 34:11) Misy milaza fa noho io farihy io miendrika harpa no nahatonga an’ilay anarana. Kinnôhr mantsy no teny hebreo midika hoe harpa. Ranomasin’i Galilia, na Ranomasin’i Tiberiasy, na koa Genesareta (anarany amin’ny teny grika) no niantsoana azy io tamin’i Jesosy teto an-tany.—Lk 5:1; Jn 6:1.
Anisan’ny sisin-tanin’ny Tany Nampanantenaina io farihy io (No 34:11), sady teo amin’ny ilany andrefana amin’ny sisin-tanin’ny fanjakan’i Oga, mpanjakan’ny Amorita. Taorian’ny fanafihan’ny Israelita dia lasa anisan’ny sisin-tanin’ny fokon’i Gada teo amin’ny ilany andrefana izy io. (De 3:16, 17; Js 13:24-27) Ny “lemaka karakaina [heb.: ʽaravah] atsimon’i Kinereta” dia azo inoana fa ilay ampahan’ny Lohasahan’i Jordana any atsimon’ny Ranomasin’i Galilia, izay antsoina koa hoe Ghor.—Js 11:2; jereo GALILIA, RANOMASIN’I.