Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kinido

Kinido

(Kinìdo).

Tanàna teo amin’ny Saikinosin’i Resadiye, izay nanomboka teo amin’ny zorony atsimoandrefan’i Azia Minora ka nivoaka nankany amin’ny Ranomasina Égée, teo anelanelan’ny Nosy Rodo sy ny Nosy Kosy.

Tsy voatonona i Kinido tamin’ny dia misionera faharoa nataon’ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 52 tany ho any (As 18:21, 22), sy rehefa hifarana ny dia misionera fahatelo nataony, tamin’ny taona 56 tany ho any. Azo inoana anefa hoe nandalo tao Kinido izy tamin’izany, rehefa nankao Rodo sy Kosy ny sambo nitondra azy. (As 21:1) Voatonona kosa i Kinido ao amin’ny Asan’ny Apostoly toko faha-27, rehefa nankany Roma i Paoly mba hiseho teo anatrehan’i Néron Mpanjaka (taona 58 tany ho any). Tonga tao Kinido ny sambo nitondra an’i Paoly sy ny voafonja hafa, rehefa avy niala tao Myra. (As 27:5-7) Raha atosiky ny rivotra ny sambo dia iray andro monja no anaovana an’io dia tokony ho 240 km io. Notoherin’ny rivotra anefa izy ireo, ka tsy mahagaga raha milaza ilay fitantarana fa “nandritra ny andro maromaro” ny dian’izy ireo. Sambo mpitondra varimbazaha ilay “sambo avy tany Aleksandria” nandehanan’izy ireo, angamba mpitondra vokatra avy tany Ejipta nankany Roma. Mety ho efa zatra nanitsy teo amin’ny Ranomasina Mediterane izy io, rehefa avy any Aleksandria nankany Roma. (As 27:38) Milaza ny andininy faha-4 sy faha-7 fa nisy rivotra mahery ka izay angamba no nahatonga azy ireo hanova lalana sy hijanona kely tao Myra. Tsy maintsy ho nandeha niadana be ny sambo lehibe feno vary toy izany rehefa notoherin’ny rivotra, ka tsy mahagaga raha “sahirana” vao tonga tao Kinido. Manamarina an’izany ny zavatra nofongarina tao amin’io toerana io. Hoy ny boky iray: “Andilan-tany iva sy tery ... no eo anelanelan’ilay saikinosy lehibe misy an’i Kinido sy ilay tendrontany eny ampita. Takon-drivotra ireo seranana roa eo amin’ny andaniny roa amin’ilay andilan-tany, noho ny havoana teo amin’ilay tendrontany. Teo amin’ilay seranana lehibe kokoa teo atsimo no niantsona ireo sambo mpitondra entam-barotra avy any andrefana na avy any avaratra, toy ilay nandehanan’i Paoly. (As 27:7) Voaro tamin’ny toetrandro ratsy izy ireo teo, talohan’ny hanohizany ny diany hihoatra an’ilay tanjona nandrivotra be. Nisy famaharana ho an’ny sambo; fanatobiana entana ..., tsena; kianja kelikely filalaovana tantara an-tsehatra; ary tempolin’i Dionysos, teo amin’ireo seranana ireo.”​—Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny, nataon’i K. Crim, 1976, Boky Fanampiny, p. 169.

Voalaza fa sahirana izy ireo vao tonga tao Kinido ‘satria tsy namela azy ireo handroso ny rivotra.’ Hoy ihany ilay fitantarana: “Koa nanaraka ny morony tsy azon-drivotra amin’i Kreta, any Salmona, izahay.” (As 27:7) Nikasa hiampita ny Ranomasina Égée sy handalo ny tendrony atsimon’i Gresy ary ho any Roma izy ireo. Toa tsy afaka ‘nandroso’ nankany anefa izy ireo satria notoherin’ny rivotra ka voatery nianatsimo nankany Kreta, ary nanaraka ny morony tsy azon-drivotra. Efa lasa ny vanin-taona mafana, rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 27:9. Nihevitra àry ireo mpanamory an’ilay sambo fa tena tokony handroso haingana izy ireo dieny mbola tsy mampidi-doza kokoa ny toetrandro.