Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kintana

Kintana

Ny teny hebreo hoe kôhkav sy ny teny grika hoe aster sy astrôn dia samy ampiasaina mba hilazana an’izay zavatra mamirapiratra eny amin’ny lanitra. Tsy tafiditra amin’izany anefa ny masoandro sy ny volana, satria anarana hafa no iantsoana azy ireo.

Midadasika be izao rehetra izao. Heverina fa raha misy olona mamakivaky ny Vahindanitra Mivolondronono (Voie lactée) misy ny Tany, amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana (300 000 km isan-tsegondra eo ho eo), dia afaka 100 000 taona any ho any izy vao hahavita izany. Misy kintana 100 000 000 000 mahery, mitovy habe amin’ny masoandro, ao anatin’io vahindanitra io, ary misy 400 000 00 000 000 km mahery ny elanelan’ny Tany sy ny kintana akaiky azy indrindra, izay anisan’ny antokon-kintana Centaure. Lehibe tokoa io vahindanitra io. Araka ny tombantombana anefa, dia mbola misy vahindanitra 100 000 000 000 eo amin’izao rehetra izao, ary 100 000 00 000 eo ho eo fotsiny no mety ho hita amin’ny teleskaopy maoderina.

Lasa azontsika tsara sy mavesa-danja kokoa amintsika àry ny tenin’ilay Mpamorona hoe: “Asandrato ny masonareo, ka mijere! Iza no nahary ireny zavatra ireny? Tsy iza fa Ilay toy ny mpitari-tafika izay mibaiko an’ireny araka ny isany, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy. Noho Izy manana tanjaka sy hery lehibe, dia tsy misy banga ireny.” (Is 40:26; ampit. Sl 147:4.) Hoy koa ny mpanao salamo: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsantananao, ary ny volana aman-kintana noforoninao, dia inona moa izay olombelona mety maty no tsaroanao? Ary inona moa izay zanak’olombelona no karakarainao?”​—Sl 8:3, 4.

Firy taona no efa nisian’ny kintana? Tsy maintsy ho efa an-tapitrisany taona maro tany aloha no namoronana an’ireo kintana sy vahindanitra tena lavitra, matoa tody hatretỳ amin’ireo teleskaopy goavam-be etỳ an-tany ny tara-pahazavana avy amin’izy ireny ankehitriny. Mila an-tapitrisany taona maro mantsy ny dia avy eny manketỳ, raha mandeha amin’ny hafainganam-pandehan’ny hazavana, izay 300 000 km isan-tsegondra eo ho eo. Azo inoana fa anisan’ireo zavatra noforonina resahin’ny Genesisy 1:1 izy ireny. Izao no voalaza ao: “Tany am-piandohana, dia namorona ny lanitra sy ny tany Andriamanitra.” Tsy mandiso an’io voalaza io ny andininy faha-16 izay milaza fa tamin’ny andro fahefatra Andriamanitra no ‘nanomboka nanao ny kintana.’ Tsy mitovy mantsy ny dikan’ny hoe “manao” (heb.: ʽasah) sy ny hoe “mamorona” (heb.: baraʼ).​—Jereo FAMORONANA, ZAVABOARY.

Isan’ny kintana. Rehefa niresaka tamin’ny olombelona Andriamanitra, dia ny isan’ny kintana no nataony fanoharana mba hilazana zavatra tsy tambo isaina toy ny fasika eny amoron-dranomasina. (Ge 22:17; 15:5; Ek 32:13; ampit. Ne 9:23; Na 3:15, 16; He 11:12.) An’arivony vitsivitsy monja ny kintana hitan’ny mason’olombelona, raha amin’izao fotsiny. Tamin’ny olona fahiny àry, dia toa vitsy kely ny kintana raha oharina amin’ny fasika eny amoron-dranomasina. Voaporofo anefa ankehitriny fa maro be toy ny fasika rehetra eran-tany tokoa ny kintana.

Nampanantena Andriamanitra fa hataony maro toy ny kintana ny taranak’i Abrahama. Nilaza i Mosesy fa lasa tsy tambo isaina tokoa ny Israelita. Marina fa nisy fanisam-bahoaka natao, nefa tsara homarihina fa tsy ny Israelita rehetra no voaisa tamin’izany. (De 1:10; 10:22; 28:62) Nanao fanisam-bahoaka koa i Davida tatỳ aoriana, ary tsy nisainy “ny roapolo taona no ho midina, satria efa nampanantena i Jehovah fa hataony maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny Israely.” (1Ta 27:23) Ny Baiboly ihany no milaza fa tsy tambo isaina ny kintana. Tsy toy izany anefa no hevitry ny ankamaroan’ny olona tamin’ny fotoana nanoratana azy io.

Milamina tsara. Misy andinin-teny maromaro manasongadina fa voalamina tsara ireny zavatra eny amin’ny lanitra ireny. Lazainy mantsy fa misy “lalàna” mifehy azy ireny, ary misy “lalana” natao harahiny (“fihodinkodinana arahiny”, DIEM). (Je 31:35-37; Mpts 5:20; ampit. Jd 13.) Misy hery matanjaka be mamaritra ny toeran’ny kintana sasany araka ny lalàna mifehy ny natiora. Manaporofo izany ny fanontanian’Andriamanitra tamin’i Joba hoe: “Moa ve ianao mahafatotra mafy tsara ny tadin’ny antokon-kintana Kimaha, na mahavaha ny tadin’ny antokon-kintana Kesila? Vitanao ve ny mamoaka ny antokon-kintana Mazarota amin’ny fotoana voatondro? Ary mahatarika ny antokon-kintana Asha sy ny zanany ve ianao? Fantatrao ve ny lalàn’ny lanitra? Ary vitanao ve ny mampihatra izany amin’ny tany?” (Jb 38:31-33; jereo ANTOKON-KINTANA ASHA; ANTOKON-KINTANA KESILA; ANTOKON-KINTANA KIMAHA; ANTOKON-KINTANA MAZAROTA.) Hoy àry Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly: “Sahinay ... ny milaza fa asehon’ny Baiboly iray manontolo hoe tena nisy saina namolavola izao rehetra izao ary tena midadasika. Tsy hoe tongatonga ho azy araka ny fiheveran’ny maro izao rehetra izao, fa tena nisy saina namolavola, ary tsy hoe araka izao hitan’ny maso izao ihany no halehibeny.”​—Nataon’i J. Douglas, 1985, p. 1144.

Nilaza ny apostoly Paoly fa samy hafa ny kintana tsirairay. Vao mainka azontsika tsara izany ankehitriny. Hitan’ireo manam-pahaizana momba ny kintana mantsy fa samy hafa ny lokon’ny kintana, ny habeny, ny hazavana avoakany, ny hafanany, sy ny sisa.​—1Ko 15:40, 41.

Fivavahana amin’ny kintana. Nivavaka tamin’ny kintana ny firenena maro nanodidina an’i Israely. Ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika kosa nino izay lazain’ny Soratra Masina hoe zavatra nataon’Andriamanitra eny amin’ny lanitra fotsiny izy ireny, ary manaraka ny lalàna apetrany sady eo ambany fifehezany. Tsy manan-kery amin’ny olombelona izy ireny fa manome hazavana sy manondro fotoana. (Ge 1:14-18; Sl 136:3, 7-9; 148:3) Nampitandrina ny Israely i Mosesy mba tsy hanao ny sarin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra. Nilaza koa izy fa tsy tokony hanaiky ho voataona hivavaka amin’ny masoandro sy volana ary kintana izy ireo. ‘Nataon’i Jehovah Andriamanitra ho anjaran’ny firenen-drehetra ambanin’ny lanitra manontolo mantsy ireny.’ (De 4:15-20; ampit. 2Mp 17:16; 21:5; 23:5; Ze 1:4, 5.) Ny anaran’ireo kintana sy planeta no niantsoan’ny firenena mpanompo sampy sasany ny andriamaniny, ka lasa nohindrahindrainy toy ny fireneny ireny kintana ireny. Miresaka momba an’i Sikota sy Kiona, izay andriamanitra kintana nivavahan’ny firenen’Israely nivadi-pinoana, ohatra, ny Amosa 5:26. Heverina fa anarana babylonianina niantsoana ny planeta Satiorna ireo. Nampiasa an’io andininy io koa i Stefana, ka Refana no niantsoany an’i Satiorna. (As 7:42, 43) Be mpanaraka ny fivavahana tamin’ny kintana tany Babylona, nefa tsy nahavita niaro an’ilay tanàna tsy ho ringana izany.​—Is 47:12-15.

‘Kintana’ hita taorian’ny nahaterahan’i Jesosy. Nisy “mpanandro avy any atsinanana”, izany hoe avy tany akaikin’i Babylona, tonga nitsidika an’i Heroda Mpanjaka, taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, ka nahatonga an’i Heroda hampamono ny zazalahikely rehetra tao Betlehema. Azo inoana fa tsy mpivavaka tamin’ilay tena Andriamanitra ireo mpanandro ireo. (Mt 2:1-18; jereo MPANANDRO.) Nahita ‘kintana’ (gr.: aster) izy ireo. Maro no mihevitra fa tsy kintana mahazatra ilay izy, fa mety ho kintana manan-drambo, na tainkintana, na kintana mipoaka ka mamiratra be. Mbola maro kokoa aza no mihevitra hoe planeta roa na maromaro nifanakaiky ilay izy. Sarotra inoana anefa ny hoe hisy amin’ireo zavatra ireo ‘hijanona teo ambonin’ilay trano nisy ilay zaza’, ka hanoro trano iray ao amin’ny tanànan’i Betlehema izay nahitana an’ilay zaza. Tsara homarihina koa fa ireo mpanandro mpanompo sampy ireo ihany no ‘nahita’ ilay kintana. Nahoana no tena azo inoana hoe zavaboary manohitra ny fikasan’Andriamanitra momba ny Mesia no nitarika an’ireo mpanandro ireo? Fanao raran’Andriamanitra mantsy ny fanandroana, ary hita fa tena ratsy ny vokatry ny fitsidihan’izy ireo, satria nanjary notandindomin-doza ny ain’ilay ho Mesia. Ankoatra izany, dia nitarika an’ireo mpanandro hankany Jerosalema, tany amin’ny fahavalon’ilay Mesia nampanantenaina, ilay kintana, fa tsy nitarika azy ireo avy hatrany hankany Betlehema. Tena ara-dalàna àry ny hieritreretana hoe ilay “miseho foana ho toy ny anjelin’ny mazava” no nahatonga azy ireo ‘hahita’ an’io zavatra toy ny kintana io. Mahavita “fahagagana” sy “famantarana” ary “fambara mandainga” koa mantsy izy, ary efa nisy menarana mody nataony toy ny hoe niteny. Nantsoin’i Jesosy hoe “mpamono olona hatrany am-piandohana” koa izy.​—2Ko 11:3, 14; 2Te 2:9; Ge 3:1-4; Jn 8:44.

Heviny an’ohatra. Ampiasaina amin’ny heviny an’ohatra ny hoe kintana, ao amin’ny Baiboly, mba hilazana olona. Tao amin’ny nofin’i Josefa, ohatra, dia noharina tamin’ny kintana 11 ireo rahalahiny 11 ary tamin’ny masoandro sy volana ny ray aman-dreniny. (Ge 37:9, 10) Toa te hilaza koa ny Joba 38:7 fa ireo anjely “zanak’Andriamanitra” no “kintan’ny maraina” izay nanao antsoantsom-pifaliana rehefa noforonina ny tany. Nilaza i Jesosy, rehefa natsangana tamin’ny maty sy nomena toerana ambony, fa izy “ilay kintan’ny maraina mamirapiratra.” Nampanantena an’ireo mpanara-dia azy izy fa homeny azy ireo “ny kintan’ny maraina”, raha mandresy izy ireo. Azo inoana fa te hilaza izy hoe hanjaka sy homem-boninahitra miaraka aminy izy ireo. (Ap 22:16; 2:26, 28; 2Ti 2:12; Ap 20:6) Ireo ‘anjely’ fiton’ny fiangonana, no mifanitsy amin’ireo kintana fito eo an-tanana havanan’i Kristy. (Ap 1:16, 20; 2:1; 3:1) Lazaina hoe kintana koa “ny anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka”, ary antsoina hoe Abadona io anjely io.​—Ap 9:1, 11; jereo ABADONA.

Misy teny fanarabiana ny mpanjakan’i Babylona ao amin’ny Isaia toko faha-14. Hita ao fa nitady hanandratra ny seza fiandrianany ho “ambonin’ny kintan’Andriamanitra” io mpanjaka nieboebo sy tia fahefana io, izay nantsoina hoe “ilay mamirapiratra” (heb.: hehlel; “Losifera”, Kat., f.a.p.). Ny tarana-mpanjaka babylonianina no tiana holazaina amin’izany, ary i Nebokadnezara no solontenan’izy ireo. (Is 14:4, 12, 13; jereo ILAY MAMIRAPIRATRA.) Lazain’ny faminaniana hoe “kintana” koa ireo mpanjaka taranak’i Davida izay nanjaka tao Joda (No 24:17), ary asehon’ny tantara ao amin’ny Baiboly fa nisandratra ho ambony noho ireo mpanjakan’ny Joda ireo ny tarana-mpanjaka babylonianina, tamin’izy ireo nandresy an’i Jerosalema. Miresaka kintana an’ohatra koa ny faminaniana ao amin’ny Daniela toko faha-8. Lazainy ao fa misy “tandroka” kely (firenena matanjaka hipoitra) hanitsakitsaka kintana sasany amin’ny “tafiky ny lanitra” ary hanohitra an’ilay Andrianan’ny tafika sy ny toerany masina. (Da 8:9-13) Miresaka momba ny kintana koa ny Daniela toko faha-12. Lazainy fa mamirapiratra “toy ny kintana” amin’ny “fotoanan’ny farany” ireo olona “lalin-tsaina” izay “mitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana.” (Da 12:3, 9, 10) Oharina amin’ny “kintana tsy misy lalan-karahina” kosa ny olona ratsy fitondran-tena sy niala tamin’ny fahamarinana.​—Jd 13.

Misy faminaniana maromaro mampitandrina fa ho maizina ny kintana sy ny masoandro ary ny volana. Teny an’ohatra izany mba hilazana ny loza vokatry ny fampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany. (Is 13:10; Ezk 32:7; Ap 6:12, 13; 8:12; ampit. Jb 9:6, 7.) Ampiasaina ao amin’ny Mpitoriteny 12:1, 2 koa ilay sarin-teny hoe maizina ny hazavan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana. Ny vokatry ny fahanterana eo amin’ny olona no aseho amin’izany. Misy andinin-teny koa miresaka momba ny kintana nalatsaka na natsipy mafy tamin’ny tany. (Mt 24:29; Ap 8:10; 9:1; 12:4) Voalaza fa hisy “famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana” amin’ny andro farany.​—Lk 21:25.

“Kintana fitarikandro.” Ao amin’ny 2 Petera 1:19 ihany no ahitana ilay teny hoe “kintana fitarikandro” (gr.: fôsfôrôs). Mitovy hevitra amin’ny hoe “kintan’ny maraina” izy io. Amin’ny fizaran-taona sasany, dia ireny kintana ireny no miposaka farany eny amin’ny faravodilanitra atsinanana, alohan’ny iposahan’ny masoandro. Fambara izy ireny fa hanomboka ny andro iray vaovao. Miresaka momba ny nahitany an’i Jesosy niova tarehy i Petera ao amin’ireo andininy eo aloha. Misy ifandraisany amin’ny nandraisan’i Jesosy ny fahefan’ny mpanjaka izany. I Jesosy efa lasa mpanjaka be voninahitra sy mahery àry ilay kintana fitarikandro. Izy ilay “faka sy taranak’i Davida, sy ilay kintan’ny [aster] maraina mamirapiratra.”​—Ap 22:16; 2:26-28.

‘Kintana niady tamin’i Sisera.’ Hoy ny Mpitsara 5:20: “Avy tany an-danitra ny kintana no niady tamin’i Sisera, avy tamin’ny lalana arahiny ireny no niady taminy.” Misy mihevitra fa fomba kanto nilazana ny fomba nanampian’Andriamanitra ny Israelita fotsiny izany. (Ampit. Mpts 4:15; Sl 18:9.) Ny hafa indray mihevitra fa nisy tainkintana be dia be niraraka avy tany an-danitra. Eo koa ireo milaza fa nitoky tamin’ny fanandroana (fandinihana ny toeran’ny kintana) i Sisera, nefa lainga sy fitaka ilay izy. Tsy tantarain’ny Baiboly amin’ny an-tsipiriany hoe ahoana no ‘niadian’ny’ kintana tamin’i Sisera. Toa te hilaza fotsiny ilay andininy fa nanao fahagagana Andriamanitra mba hanampiana ny tafika israelita.