Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kio

Kio

(Kiô).

Iray amin’ireo nosy lehibebe eo amin’ny Ranomasina Égée, ka 8 km na mahery ny sakan’ilay andilan-dranomasina manasaraka azy io amin’ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora. Tokony ho 50 km ny lavan’i Kio (avy any avaratra mianatsimo), ary 13 ka hatramin’ny 29 km ny sakany (avy any atsinanana miankandrefana).

Miresaka an’i Kio ny Asan’ny Apostoly toko faha-20, rehefa mitantara ny niverenan’i Paoly tany Jerosalema, tamin’ny faramparan’ny dia misionera fahatelo nataony (t. 56). Vao maraina angamba ilay sambo nandehanan’i Paoly no niainga avy tao Mitylena (As 20:14), izay tokotokony ho 100 km tany avaratratsinanana, ary mety ho efa maty masoandro vao “tonga tandrifin’i Kio.” (As 20:15) Nanohy ny diany izy ireo ny ampitso, ka tonga tao Samo, tokony ho 100 km tany atsimo kokoa.

Ny tanànan’i Kio dia fanjakana nahaleo tena anisan’ny faritanin’i Azia, izay faritany romanina tamin’ny andro nanaovan’i Paoly ny diany. Nahaleo tena foana izy io mandra-pahatongan’ny fotoana nitondran’i Vespasien Mpanjaka (69-79). Khios ankehitriny no iantsoan’ny Grika an’ilay nosy sy ilay tanàn-dehibe ao, fa Scio kosa no iantsoan’ny Italianina azy.