Kiona
(Kiòna).
Toa andriamanitra kintana satria nolazaina fa “kintana andriamanitra.” (Am 5:26) Izy angamba ilay kintana akadianina kaimano na kaivano, satria izany no iantsoana an’i Satiorna (andriamanitra kintana) ao amin’ny soratra akadianina. Niniana nasiana teboka solon’ny zanatsoratra ilay anarana ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, mba hifanitsy amin’ilay teny hebreo hoe shikkots (zava-maharikoriko). Nadika hoe Rhaifan (mety ho fiantsoan’ny Ejipsianina an’i Satiorna) ilay hoe “Kiona” ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Rhômfa kosa no nampiasain’ny Baiboly grika nataon’i Westcott sy Hort ao amin’ny Asan’ny Apostoly 7:43.—Jereo MPANANDRO; REFANA.