Kira, I
(Kìra).
Toerana nonenan’ny Aramianina talohan’ny nankanesany tany Syria. Tsy voatery ho Kira anefa no toerana niaviany. (Am 9:7) Nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Amosa mpaminany (1:5) fa hiverina any Kira ny Aramianina, ka hatao sesitany any. Tanteraka izany rehefa nandresy an’i Damaskosy, renivohitry ny Aramianina, i Tiglato-pilesera III, izay nahazo tsolotra tamin’i Ahaza mpanjakan’ny Joda. Nataony sesitany tany Kira ny mponina tao.—2Mp 16:7-9.
Milaza ny Isaia 22:5, 6 fa niomana hiady tamin’ilay “lohasahan’ny fahitana” (heverina ho Jerosalema) i Kira. Maro no mihevitra fa tanteraka izany tamin’i Sankeriba mpanjaka asyrianina nanafika an’i Joda. Miara-voatonona amin’i Elama i Kira ao, ka misy milaza fa tany akaikin’i Elama, tany atsinanan’ny Reniranon’i Tigra, no nisy an’i Kira. (Ampit. Is 21:2. Miara-voatonona amin’i Elama i Media, izay teny akaikin’i Elama.) Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo kosa tsy manao hoe “Kira” ao amin’ireo andininy ireo, fa mampiasa teny maro samy hafa mba handikana an’ilay teny hebreo hoe kir. Tsy fantatra àry hoe taiza marina no nisy an’i Kira.