Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kiran’i Moaba

Kiran’i Moaba

Tanàn-dehibe tany Moaba, ary mety ho efa renivohiny mihitsy aza. I Karak no iantsoana an’i Kira (an’i Moaba) sy Kira-haresa ary Kira-heresa ao amin’ny Targoma Aramianina, ka mety ho toerana iray ihany ireo. Maro àry no mihevitra fa i Karak ankehitriny no “Kiran’i Moaba.” (Is 15:1) Eo amin’ny lembalemba kely iray (900 m mahery ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavony) no misy an’io tanàna io, 35 km eo ho eo atsimon’i Dibona. Misy lohasaha lalina manasaraka an’i Karak amin’ireo tendrombohitra avo kokoa eny akaikiny.

Nanafika an’i Kira-haresa ny tafik’i Israely sy Joda ary Edoma, tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafolo T.K. Raha i Karak tokoa izy io, dia azo antoka fa avy teny amin’ny tendrombohitra teny akaiky ireo mpampiasa pilotra no nanao tifitra variraraka an’ilay tanàna. Mafy ny ady tamin’izay, na dia tsy azo aza i Kira-haresa. Tsy fantatra ny antony, fa saika hanavatsava ho any amin’ny mpanjakan’i Edoma ny mpanjakan’i Moaba sy ny miaramilany 700. Tsy nahomby anefa izy ireo. Lany haika ny mpanjakan’i Moaba ka toa nataony sorona teo imason’ny rehetra ny lahimatoany, angamba mba hampitonena an’i Kemosy andriamanitra. (2Mp 3:5, 9, 25-27) Mety ho ny lahimatoan’ny mpanjakan’i Edoma koa anefa ilay natao sorona, raha jerena ny teny hebreo tany am-boalohany. (2Mp 3:27) Misy àry milaza fa io ilay resahin’ny Amosa 2:1. Tsy azo inoana loatra anefa izany.

Nilaza i Isaia mpaminany fa halahelo an’ireo mofo voaloboka mainan’i Kira-haresa ny Moabita. Be mpivarotra an’izany angamba tao amin’ilay tanàna. (Is 16:6, 7) Nilaza koa izy fa nipararetra toy ny tadin’ny harpa ny tao anatiny, noho ny amin’i Moaba sy Kira-haresa. Nalahelo mantsy izy nahare ny loza hanjo an’i Kira-haresa.​—Is 16:11; jereo koa Je 48:31, 36.