Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kiriata-jearima

Kiriata-jearima

(Kiriàta-jearìma) [Tanànan’ny Ala].

Tanànan’ny Hivita, izay nifandray tamin’ny Gibeonita (Js 9:17), ary antsoina koa hoe Bala (Js 15:9), Bala-joda (2Sa 6:2), ary Kiriata-bala (Js 15:60). Tatỳ aoriana dia lasan’ny fokon’i Joda i Kiriata-jearima, izay teo amin’ny sisin-tany nanasaraka azy tamin’ny fokon’i Benjamina. (Js 15:1, 9; 18:11, 14; Mpts 18:12) Toa ny taranak’i Joda avy tamin’i Kaleba no nonina tao.​—1Ta 2:3, 50, 52, 53.

Nentina tany Kiriata-jearima ny Vata masina noho ny fiangavian’ny mponina tao Beti-semesy, tanàna tsy lavitra teo, taoriana kelin’ny namerenan’ny Filistinina an’io Vata io, tamin’ny taonjato faha-12 T.K. Toa tao Kiriata-jearima foana io Vata masina io mandra-pamindran’i Davida Mpanjaka azy tany Jerosalema, 70 taona teo ho eo tatỳ aoriana.​—1Sa 6:20–7:2; 1Ta 13:5, 6; 16:1; 2Ta 1:4.

Avy any Kiriata-jearima i Semaia rain’i Oria mpaminany niara-belona tamin’i Jeremia. (Je 26:20) Anisan’ireo niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona ny taranak’ireo nonina tao Kiriata-jearima.​—Ezr 2:1, 2, 25; Ne 7:6, 7, 29.

Maro no milaza an’i Kiriata-jearima ho i Deir el-ʽAzar (Tel Kiryat Yeʽarim). Izy io mantsy no mitovy amin’ilay tanàna resahin’ny Baiboly hoe tany amin’ny faritra be tendrombohitra. (Js 15:48, 60) Teo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Joda sy Benjamina koa izy io sady teo akaikin’ireo tanàna hafan’ny Gibeonita. Tsara toerana i Deir el-ʽAzar satria eo an-tampon-kavoana, tokony ho 14 km any atsinanana avaratratsinanan’i Beti-semesy, ary tokotokony ho 13 km any andrefana avaratrandrefan’i Jerosalema. Mitovitovy amin’ny toerana nolazain’i Eusèbe fa nisy an’i Kiriata-jearima izy io. Nilaza izy indray mandeha fa 9 maily romanina (13 km) ny elanelan’i Kiriata-jearima sy Jerosalema, ary tatỳ aoriana hoe 10 maily romanina (15 km). Toa toerana rakotra ala koa i Deir el-ʽAzar taloha, ka mety tsara amin’ny anaran’i Kiriata-jearima, izay midika hoe “Tanànan’ny Ala.”