Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kisleo

Kisleo

(Kislèo).

Volana jiosy fahasivy taorian’ny sesitany. Mifanitsy amin’ny Novambra-Desambra izy io (Ne 1:1; Je 36:9; Za 7:1), ary volana fahatelo tamin’ny kalandrie tsy ara-pivavahana.

Tao anatin’ny ririnina io volana io, ka nangatsiaka sy be orana. “Volana fahasivy tamin’izay, ka nipetraka tao amin’ny trano ririnina” i Joiakima Mpanjaka, “ary nisy fatana nirehitra teo anoloany.” (Je 36:22) “Nipetraka teo an-tokotanin’ny tranon’Andriamanitra” kosa ny olona novorin’i Ezra mpisorona tao Jerosalema nanomboka ny 20 Kisleo, taorian’ny sesitany. “Nangovitra izy ireo satria raharaha lehibe no hodinihina sady avy ny orana.”​—Ezr 10:9, 13.

Natao tamin’ny ririnina ny Fetin’ny Fitokanana tao Jerosalema. (Jn 10:22) I Jodasy Makabeo no nisantatra an’io fety naharitra valo andro io ny 25 Kisleo 165 T.K., ho fahatsiarovana ny nanokanana indray ny tempolin’i Jerosalema, araka ny 1 Makabeo 4:52-59 (boky tsy anisan’ny Baiboly). Hanoukka no anaran’io fety io ankehitriny.​—Jereo FETIN’NY FITOKANANA.