Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kisy

Kisy

1. Levita Merarita ary zanakalahin’i Maly. Rahalahin’i Eleazara i Kisy. Maty i Eleazara nefa tsy nitera-dahy fa vavy ihany. Koa nanambady an’ireo zazavavy mpandova an’i Eleazara ireo ny zanak’i Kisy. Anisan’ny “taranak’i Kisy” i Jeramela.​—1Ta 23:21, 22; 24:29.

2. Benjamita iray ary zanakalahin’i Jeiela sy Maka vadiny. (1Ta 8:29, 30) Dadaben’i Saoly, mpanjaka voalohany teo amin’ny Israely, i Nera rahalahin’i Kisy. (1Ta 9:35-39) Azo inoana fa anaran’i Jeiela, rain’i Kisy, koa ny hoe Abiela.​—Jereo ABIELA No. 1.

3. Benjamita iray ary rain’i Saoly Mpanjaka. (1Sa 14:51; As 13:21) Anisan’ny fianakavian’ny Matrita i Kisy ary mpanankarem-be. (1Sa 9:1; 10:21) Zanakalahin’i Nera izy, ary zafikelin’i Jeiela (Abiela). Zana-drahalahin’i Kisy No. 2 izy, ary rahalahin’i Abnera. (1Ta 8:29-33; 9:35-39) Lazaina hoe “zanak’i Abiela” anefa izy ao amin’ny 1 Samoela 9:1. Azo inoana fa tsy hoe zanaka naterak’i Abiela (Jeiela) no dikan’ilay hoe ‘zanaka’ eo, fa zafikeliny.

Toa tany Gibea, any amin’ny tanin’i Benjamina (1Sa 10:26), i Kisy no nipetraka, na dia tany Zela aza ny fasany. (2Sa 21:14) Naniraka an’i Saoly zanany sy ny mpanompo iray izy mba hitady an’ireo ampondravaviny very. Izay ihany no voatantara momba azy ao amin’ny Baiboly.​—1Sa 9:3, 4.

4. Levita iray tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Zanakalahin’i Abdia taranak’i Merary i Kisy. Anisan’ireo Levita nanampy tamin’ny fanadiovana ny tempoly izy, tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Hezekia.​—2Ta 29:1-5, 12-17.

5. Benjamita iray razamben’i Mordekay, zanaky ny rahalahin-drain’i Estera.​—Es 2:5-7.

6. [fanafohezana ny hoe Kosaia]. Azo inoana fa izy ihany ilay Levita Merarita atao hoe Kosaia, rain’i Etana mpitendry zavamaneno.​—1Ta 6:19, 44; 15:17.