Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kitapo, Gony

Kitapo, Gony

Vita tamin’ny hoditra isan-karazany, lamba, na zavatra norarina ny kitapo fahiny, ary fasiana voamadinika, sakafo, vatomizana, zava-tsarobidy, vaingana volamena na volafotsy, ary vola madinika tatỳ aoriana. Hodi-biby niendrika kitapo no natao fasiana rano sy divay.​—Js 9:4; Mt 9:17.

Ny teny hebreo hoe sak no nadika hoe “kitapo” na “gony.” Sak koa anefa no tena ilazana ny lamba gony (Le 11:32), na dia ilazana gony fasiana sakafo sy voamadinika koa aza izy io, toy ny ankehitriny. (Ge 42:25, 27, 35) Mitovitovy ny dikan’izy io sy ny dikan’ny hoe ʼamtahat (heb.) (“gony”, TV; ‘lasaka’, Prot.; avy amin’ny matoanteny midika hoe “mamelatra” [Is 40:22]), izay toa ilazana ny bikan’ilay gony fa tsy ny akora nanaovana azy, ao amin’ilay tantara momba ny rahalahin’i Josefa nankany Ejipta.​—Ge 42:27, 28; 43:18-23.

Nasian’i Davida vato dimy tao anatin’ny ‘kitapo’ (heb.: keli) fitondrany niandry ondry, tamin’izy hifanehatra tamin’i Goliata. Toa kitapo vita tamin’ny hodi-biby mbola tsy voakarakara izy io, ary natao teo an-tsoroka ny tadiny. (1Sa 17:40, 49) Manana heviny malalaka anefa ny hoe keli, ary matetika ilazana fotsiny vilany tanimanga, fitoeran-javatra na fitaovana vita amin’ny hazo, metaly, na hoditra.​—Le 6:28; 11:32, 33; No 31:20; 1Mp 10:21.

Nomen’i Namàna mpitari-tafika syrianina ‘talenta volafotsy roa sy akanjo indroa miova’ “tao anaty kitapo roa [heb.: haritim]” i Gehazy matimatin-karena. “Dia nomeny ny mpanompony roa lahy izany, mba hoentiny.” Nilanja 34 kg teo ho eo ny talenta iray. Tena lehibe sy mafy àry ny kitapo iray (harit), matoa nahazaka talenta iray sy akanjo. Nila tsy ho zakan’ny olona iray ilay izy rehefa feno. (2Mp 5:23) Harit koa anefa no ilazana ny “kitapom-bola” anisan’ny haingon’ny zazavavy niavonavona tao Ziona.​—Is 3:16, 22.

Kis (heb.) ny kitapo fitondran’ny mpivarotra. Hoatran’ireo mbola nampiasain’ny Tatsinanana tato ho ato izy io, ka vita tamin’ny landihazo norarina, harefo malefaka, na hoditra, ary fitondrana vatomizana izay nandanjana voamadinika sy vokatra isan-karazany na metaly sarobidy namidy na novidina. Miresaka an’ilay kis ilay fandrarana ao amin’ny lalàna hoe: “Aoka ianao tsy hanana vatomizana roa karazana ao an-kitaponao.” (De 25:13) Nasain’i Jehovah nanoratra toy izao ny mpaminaniny: “Madio ve aho raha manana mizana mandainga sy kitapo misy vatomizana mamitaka?” (Mi 6:11; Oh 16:11) Mety ho “kitapom-bola” na “kitapo” fitondrana vola sy zava-tsarobidy koa ny kis.​—Oh 1:13, 14; Is 46:6.

Avy amin’ny matoanteny midika hoe ‘fonosina’ (Ek 12:34) ny hoe tserôhr (heb.), ary ilazana fitoeran-javatra nafatotra tamin’ny tady ka ‘nofonosina’ (Ge 42:35), na “kitapo” izay nofatorana ny tendany. (Oh 7:20; To 1:13) Toa nofonosina sy nafatotra tamin’ny tady koa ny vola tao amin’ny vata fasiana fanomezana tao an-tempoly, ary nitovy foana ny habetsahan’ny vola natao toy izany. (2Mp 12:10) Rehefa nahazo vola be ny mpivarotra fahiny, dia nolanjaina ilay izy indraindray, nofonosina na natao tao anaty kitapo, ary nasiana tombo-kase ny tady namatorana ny kitapo. Efa azo antoka ny habetsahan’ny vola tao anatin’ilay kitapo ka azo nampitampitaina. Ilay tombo-kase tsy nivaha no porofo hoe tsy nakana ilay vola vita tamin’ny volafotsy, volamena, na metaly hafa.

Toa an’ohatra ilay kitapo mifatotra misy tombo-kase noresahin’i Joba tamin’Andriamanitra hoe: “Ao anaty kitapo misy tombo-kase ny fikomiako, ary hosoranao lakaoly ny fahadisoako.” (Jb 14:17) Niangavy an’i Davida tsy hamaly faty sy tsy hamono an’i Nabala i Abigaila, ka hoy izy: “Rehefa misy olona manenjika anao ka mifofo ny ainao, dia harovan’i Jehovah Andriamanitrao ianao, toy ny fiarovana zava-tsarobidy voafono ao anaty kitapo. Fa ny ain’ny fahavalonao kosa hatorany toy ny vato avy eo amin’ny foitran’ny pilotra.” (1Sa 25:29-33) Fonosina ny zava-tsarobidy tiana harovana. Teo am-pelatanan’i Jehovah, ilay Andriamanitra velona, koa ny ain’i Davida ka harovany tsy ho azon’ny fahavalony, raha niandry Azy izy fa tsy nitady hanavo-tena samirery. Ny ain’ny fahavalon’i Davida kosa harian’Andriamanitra.

Pera (gr.) no ilazan’ny Soratra Grika Kristianina ny “kitapom-batsy” (TV) na “kitapo” (DIEM). (Mt 10:10; Lk 9:3) “Kitapo hoditra fitondran’ny mpanao dia lavitra ary fasiany vatsy” ny hoe pera.​—Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky Faha-4, p. 196; jereo KITAPOM-BATSY.

Resahin’ny Jaona 12:6; 13:29 fa nitondra “kitapo” i Jodasy, araka ny Fandikan-teny Protestanta. “Boaty” na “boatim-bola” anefa no nandikan’ny ankamaroan’ny Baiboly maoderina ny hoe glôssôkômôn (gr.). Nilazana ny fitoeran’ny fitsofana zavamaneno izy io tany am-boalohany, fa lasa nilazana boaty kely nampiasaina araka izay tiana, ohatra hoe nitehirizana vola. Glôssôkômôn no ilazan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo an’ilay vata resahin’ny 2 Tantara 24:8, 10. Misy fanazavana momba ny hoe “fitoeram-bola” (Lk 10:4) na ‘fehikibo fasiana vola’ (Mt 10:9) ao amin’ny hoe KITAPOM-BOLA, FITOERAM-BOLA.