Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kitapom-batsy

Kitapom-batsy

Kitapo hoditra nentina teny an-tsoroka ary fitondran’ny mpanao dia lavitra, mpiandry ondry, mpamboly, ary ny olon-kafa. Fasiana sakafo, akanjo, na zavatra hafa izy io, fa tsy ilay kitapo kely fasiana vola madinika vita amin’ny volamena, volafotsy, na varahina. (Mt 10:9; Mr 6:8) Kitapom-batsy ilay ‘kitapo fitondran’i Davida niandry ondry.’ (1Sa 17:40) Tsy navelan’i Jesosy Kristy hitondra kitapom-batsy ny apostoly 12 sy ny mpianatra 70, rehefa nirahiny voalohany hitory tany Israely. (Mt 10:5, 9, 10; Lk 9:3; 10:1, 4) Hanome izay ilainy amin’ny alalan’ny Israelita zatra nandray vahiny mantsy i Jehovah. Nilaza anefa i Jesosy taloha kelin’ny nahafatesany, fa hotoherin’ny fanjakana ny Kristianina ka nasainy nitondra kitapom-bola sy kitapom-batsy. Tsy tokony hanahy momba izay ilainy anefa izy ireo fa tokony hikatsaka aloha an’ilay Fanjakana, ka hatoky fa hanome izay ilainy eny amin’ny fanompoana i Jehovah Andriamanitra.​—Lk 22:35, 36; Mt 6:25-34.