Kitima
(Kitìma).
Iray amin’ireo efa-dahy ‘zanak’i’ Javana. Amin’ny endriny milaza maro foana anefa io teny io ao amin’ny Baiboly (Ge 10:4; 1Ta 1:7), ka lasa anarana firenena na faritra koa.
“Ketimosy” no iantsoan’i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 128 [vi, 1]) an’i Kitima, ary ampifandraisiny amin’i Sipra izy io sy amin’ny hoe “Ketim, anarana niantsoan’ny Hebreo ny nosy rehetra sy ny ankamaroan’ny tany amoron-tsiraka.” Ny Fenisianina fahiny kosa niantso ny mponin’i Sipra hoe Kitti. Saika ny manam-pahaizana rehetra ankehitriny no miaiky fa i Sipra no Kitima.
Zanatany fenisianina no tena ahalalana ny tanànan’i Kitiona (Kitioma), eo amin’ny morontsiraka atsimoatsinanan’i Sipra. Misy manam-pahaizana àry milaza fa tsy tokony hotanisaina miaraka amin’ny taranak’i Jafeta i Kitima. (Ge 10:2, 4; 1Ta 1:5, 7) Asehon’ny porofo anefa fa tatỳ aoriana kokoa vao tonga tao Sipra ny Fenisianina, ary tamin’ny taonjato fahasivy T.K. tany ho any vao lasa zanatany fenisianina i Kitiona. Hoy àry Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao (1987, Boky Faha-3, p. 332), rehefa avy nilaza fa “tanàna fenisianina lehibe indrindra tany Sipra” i Kitiona: “Nisy olona avy any amin’ny faritry ny Ranomasina Égée nanorim-ponenana tao Kitioma tamin’ny (t. 1400-1100 T.K.), ary ny sisa tavela amin’io tanàna naorin’izy ireo io no zavatra tranainy indrindra hita ao.”—Jereo koa ny Boky Faha-16, p. 948.
Mety ho tsy ny nosy Sipra (izay akaiky indrindra an’i Palestina) ihany no Kitima, fa faritra hafa koa. Nampiasain’ny Hebreo mantsy io teny io mba hilazana an’ireo nosin’i Mediterane sy ireo tany amoron-tsiraka, araka ny nolazain’i Josèphe tetsy aloha. Toa manamarina izany ny firesahana an’ireo “nosy” sy “morontsiraky ny” Kitima ao amin’ny Ezekiela 27:6 sy Jeremia 2:10. Misy mpivaofy teny milaza fa manana heviny malalaka toy izany koa ilay Kitima noresahin’i Balama, izay niara-belona tamin’i Mosesy. Naminany izy fa hisy “sambo avy any amin’ny morontsirak’i Kitima” hampahory an’i Asyria sy Ebera, kanefa ho ringana ireo mpanafika ireo amin’ny farany. (No 24:24) Misy mihevitra fa ny morontsirak’i Makedonia no tiana holazaina eo. Avy any mantsy i Aleksandra Lehibe no niainga mba hanafika, ka nandresy an’i “Asyra” (Asyria sy Babylona) sy ny Fanjakana Medianina-Persianina. Ny hafa indray milaza fa Romanina ireo mpanafika ary avy any amin’ny morontsirak’i Italia, amoron’i Mediterane, izy ireo. “Italia” fa tsy “Kitima” no ampiasain’ny Vulgate latinina ao amin’ny Nomery 24:24. Ny Targoman’i Onkelos kosa manao hoe “Romanina.” I Makedonia indray anefa no lazain’ny boky voalohan’ny Makabeo (1:1, Kat.) fa Kitima.
Nilaza i Isaia tao amin’ny fanamelohany an’i Tyro, fa tany Kitima (azo inoana fa i Sipra) ny sambon’i Tarsisy izay nandeha niantsinanana no nahare fa rava i Tyro. Nasain’i Jehovah ‘hiampita ho any Kitima’ àry ny “virjiny zanakavavin’i Sidona” mba hitady fialofana. Tsy nahita fialofana tany anefa izy. (Is 23:1, 11, 12) Voaporofo fa nisy Fenisianina tokoa tany Sipra, tamin’ny fotoana naminanian’i Isaia (t. 778–a. 732 T.K.). Nanoratra i Sankeriba fa nandositra tany amin’ny nosy Iadnana (Sipra) i Loly mpanjakan’i Sidona, rehefa notafihin’ny Asyrianina. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 287, 288) Toa olona maro avy any Tyro koa no nandeha nialokaloka tany Sipra, tamin’i Nebokadnezara nanao fahirano an’i Tyro nandritra ny 13 taona, araka ny faminanian’i Isaia.
Ny faminanian’i Daniela momba ny fifandrafian’ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo” no miresaka farany an’i Kitima. Voalaza ao fa tsy hahomby ny famelezan’ny “mpanjakan’ny avaratra” satria hiady aminy “ireo sambon’i Kitima.”—Da 11:30; jereo SIPRA.