Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Klaodio

Klaodio

(Klôdiô).

Mpanjaka romanina fahefatra, zanakalahin’i Drusus rahalahin’i Tiberio. Rahalahin-drain’i Caligula izy sady nandimby an’i Caligula tamin’ny taona 41. Tsy dia natanjaka sy tsy nanana hazondamosina loatra i Klaodio. Tia nianatra sady liana tamin’ny tantara sy ny asa soratra izy, kanefa noheverin’ireo mpanjaka talohany fa tsy hahay hitondra fanjakana. Naleon’izy ireo àry nifidy mpandimby hafa. Nisy namono i Caligula tatỳ aoriana, ka niteraka korontana izany. Nanohana an’i Klaodio anefa ny Mpiambina an’i Kaisara, ka notendren’izy ireo ho mpanjaka izy. Anisan’ny nanohana azy koa i Heroda Agripa I ka nomeny valisoa, dia i Jodia sy Samaria ho fanampin’ny faritra nanjakany. Nahazo ny fanohanan’ny Antenimieran-doholona koa i Klaodio, tamin’ny farany. Ny vadiny fahefatra, hono, no nanome azy holatra nisy poizina, ka maty izy tamin’ny taona 54, taona faha-14 nanjakany. I Néron indray no nandimby azy.

“Hisy mosary lehibe hanerana ny tany onenana”, hoy i Agabo mpaminany. “Dia nitranga tamin’ny andron’i Klaodio tokoa izany.” Nandefa “fanampiana” haingana ho an’ireo rahalahiny tany Jerosalema sy Jodia àry ny Kristianina tao Antiokia. (As 11:27-30) Nantsoin’i Josèphe (Rakitry ny Ela Jiosy, XX, 49-53 [ii, 5]; XX, 101 [v, 2]) hoe “mosary lehibe” io mosary tany Palestina tamin’ny andron’i Klaodio io, izay nitranga tamin’ny taona 46 tany ho any.

“Nandidy ny hialan’ny Jiosy rehetra tany Roma” i Klaodio tamin’ny taona 49 na tany am-piandohan’ny taona 50, tamin’ny taona fahasivy nanjakany. Nanamarina izany i Suétone, Romanina mpahay tantara sy mpanoratra tantaram-piainana. (Ny Fiainan’ireo Kaisara, Klaodio, XXV, 4) Voatery nandao an’i Roma àry i Akoila sy Prisila, mpivady kristianina jiosy, ka nankany Korinto. Tany izy ireo no nihaona tamin’ny apostoly Paoly, izay nety ho tonga tany tamin’ny faramparan’ny taona 50. (As 18:1-3) Tsara fanahy tamin’ireo Jiosy i Klaodio tamin’izy vao nanomboka nanjaka. Navelany hanaraka ny fivavahan’izy ireo mihitsy aza izy ireo, ary nomeny fahafahana sasany. Jiosy maro tao Roma anefa no toa tia nirotaka, ka noroahin’i Klaodio hiala tao.