Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Klopa

Klopa

(Klôpà).

Vadin’ny iray tamin’ireo vehivavy nantsoina hoe Maria, izay nijoro teo akaikin’i Jesosy, tamin’izy nihantona teo amin’ny hazo fijaliana. (Jn 19:25) Angamba izy vadin’ilay “Maria anankiray”, ary rain’ilay apostoly atao hoe Jakoba kely sy Josesy rahalahiny. (Mt 27:56; 28:1; Mr 15:40; 16:1; Lk 24:10) Tena azo inoana fa i Klopa ihany ilay nantsoina hoe Alfeo, ary maro no manaiky an’izany. (Mt 10:3; Mr 3:18; Lk 6:15; As 1:13) Mety ho fomba hafa nanononana an’ilay fototeny aramianina hoe Klopa mantsy ilay hoe Alfeo, na koa mety hoe anarana roa niantsoana olona iray ihany, toy ny fanao tamin’izany fotoana izany. Misy milaza fa rahalahin’i Josefa, ray nitaiza an’i Jesosy, i Klopa. Tsy tena azo antoka anefa izany satria avy amin’ny lovantsofina fotsiny.