Kodiarana
Zavatra mafy boribory afaka mihodinkodina, toy ireny mampandeha kalesy na sarety ireny. Fahiny, dia hazo fisaka vitsivitsy niara-nofantsihana, natao boribory, ary nasiana sisiny no natao kodiarana. Kodiaran’ny kalesy sy sarety ary ny toy izany no nisy rantsany. (Ek 14:25; Is 5:28; 28:27) Samy nisy kodiarana varahina efatra (toy ny kodiaran-tsarety) ny kalesy varahina folo nataon’i Solomona ho an’ny tempolin’i Jehovah. Varahina lavalava no nihodinan’ireo kodiarana izay nirefy 67 sm ny haavony. Nisy ivony sy rantsany ary sisiny ireo kodiarana.—1Mp 7:27-33.
Nafatotra tamin’ny bolaky na karazana kodia ny tady nampidinana na nampiakarana siny tao anaty lavadrano.—Mpto 12:6.
Fanoharana sy heviny an’ohatra. Hoy ny Ohabolana 20:26, araka ny soratra hebreo nataon’ny Masoreta: “Kororohin’ny mpanjaka hendry ny ratsy fanahy, ary kodiaram-by no anosihoseny azy.” Toa oharina amin’ny fanosihosen’ny kodiarana voa eny am-pamoloana ny ataon’ny mpanjaka hendry eo (ampit. Is 28:27, 28), satria avahany haingana amin’ny ratsy fanahy ny olo-marina ary saziny ny ratsy fanahy, ka fongana ny olon-dratsy ao amin’ny fanjakany. (Ampit. Oh 20:8.) Misy anefa Baiboly nanova kely an’ilay andininy ka nanao hoe atsingerin’ny mpanjaka hendry amin’ny ratsy fanahy ny “ratsy ataony.”
Nilaza i Jakoba fa “afo ny lela” tsy voafehy, ka “mandrehitra ny fizotran’ny fiainana manontolo [a.b.t.: ny kodiaran’ny fahaterahana].” (Jk 3:5, 6) Kodiaran-tsarety angamba no tian’i Jakoba holazaina eo, satria mety hirehitra izy io raha mahamay be ny hazo ihodinany. Mety hanimba ny fiainan’olona iray manontolo koa ny fampiasany ny lelany, ka ho toy ny hoe main’ny afo natsangany izy.
Teo amoron’ny reniranon’i Kebara tany Kaldea i Ezekiela ny taona fahadimy nanaovana sesitany an’i Joiakina Mpanjaka, ary hitany tao amin’ny fahitana i Jehovah nitaingina kalesy haingam-pandeha tany an-danitra. Nisy kodiarana efatra feno maso izy io, ary tao anaty kodiarana ny kodiarana tsirairay sady nanao zoro mahitsy, ka afaka nandroso na nivily nefa tsy voatery nihodina. Nisy kerobima teo anilan’ny kodiarana tsirairay, ary niara-nandeha ireo zavamananaina na kerobima sy ny kodiarana rehefa notarihin’ny fanahy. (Ezk 1: 1-3, 15-21; 3:13) Nahazo fahitana hoatran’io koa i Ezekiela ny taona nanaraka, rehefa nentin’ny fanahy nankeo anoloan’ny tempoly naorin’i Solomona tao Jerosalema. Tian’i Jehovah haseho taminy mantsy fa horavana tsy ho ela ilay tanàna sy ny tempoly, ho fampiharana ny didim-pitsarany. (Ezk 8:1-3; 10:1-19; 11:22) Rehefa afaka 60 taona teo ho eo, dia hitan’i Daniela tao amin’ny fahitana koa i Jehovah, Ilay Efa Nisy Hatry ny Ela Be, nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana nisy kodiarana. Afo miredareda ilay seza sy ireo kodiarana, satria ho toy ny afo handoro ny firenena matanjaka ny didim-pitsaran’Andriamanitra.—Da 7:1, 9, 10; Sl 97:1-3.