Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kofehy Rongony

Kofehy Rongony

Io no nandikana ny teny hebreo tany am-boalohany, izay ilazana ny fibra fohy avy amin’ny rongony mbola tsy voatenona. Mora may ny kofehy rongony. Notapahin’i Samsona “sahala amin’ny kofehy rongony, izay tapaka raha vao manakaiky afo”, ireo hozatra fito mbola tsy maina namatoran’i Delila azy. (Mpts 16:8, 9) Nilaza i Jehovah fa hiaraka ho levona amin’ireo ratsy fanahy teo anivon’ny vahoakany ny asa ratsin’izy ireo. Hoy Izy: “Ho toy ny kofehy rongony ny lehilahy matanjaka, ary ho toy ny pitik’afo ny vokatry ny asany. Hiara-mirehitra ireny, ary tsy hisy hahafaty an’izany afo izany.”​—Is 1:24, 31.