Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kojakoja Samihafa

Kojakoja Samihafa

Fitaovana misy sarony na tsia (No 19:15), fasiana rano na zavatra hafa (1Mp 17:10; Es 1:7; Je 40:10), ary vita amin’ny tanimanga, hazo, metaly, na vato ny ankamaroany. (Le 6:28; 15:12; No 7:85; 1Mp 10:21; Mt 26:7) Anisan’izany ny siny sy “vilia baolina” isan-karazany (No 24:7; Is 22:24), gony na kitapo (Ge 42:25; Hg 1:6), harona na sobika (Mr 8:19, 20; 2Ko 11:33), siny hoditra (Mpts 4:19; Lk 5:37, 38), ary fanovozana.​—Jn 4:11; jereo FITAOVANA.

Siny, tavoara. Lalin’aty, ary nisy tahony iray, roa na efatra mihitsy aza ny siny tanimanga (Is 30:14; Ft 4:2), na siny vato. (Jn 2:6) Mety ho 65 sm teo ho eo ny haavon’ny sinibe ary 40 sm teo ho eo ny savaivony, tamin’ny andron’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely. Nisy vavany kely fampidinana an’izay zavatra tao anatiny ny siny sasany. Mety ho nisy fametrahana azy ny siny (Le 11:35), ary nasiana rano, menaka (1Mp 18:33; 2Mp 4:2), na matetika divay (raha siny lehibe). (1Sa 10:3; 25:18; 2Sa 16:1; Je 13:12) Nisy koa nitehirizana lafarinina (1Mp 17:12), na taratasy toy ny taratasy fifampivarotana (mety ho natao tao anaty vilany tany koa). (Je 32:13-15) Sora-tanana fahiny maro, toy ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia, no notehirizina tao anaty siny, tany amin’ny faritr’i Qoumrân any akaikin’ny Ranomasina Maty.

Fasiana rano (1Sa 26:11, 12, 16; 1Mp 19:6) ny tavoara tanimanga sasany.​—1Sa 10:1; 1Mp 14:3; 2Mp 9:3; Je 19:1, 10.

Vilia baolina, vilia. Nasiana divay (Am 6:6), ronono (Mpts 5:25), ary rano (Mpts 6:38) ny vilia baolina, ary vita amin’ny tanimanga, vato, metaly, na bakoly (toy ny fampiasa tamin’ny fanasambe). Nisy vilia baolina bakoly tamin’ny andron’ny mpanjakan’ny Joda sy Israely hitan’ny mpikaroka: 20 sm teo ho eo ny haavony, 40 sm teo ho eo ny savaivony (refy anatiny), ary ny sasany nisy tahony efatra. Azo inoana fa talesaka kokoa ny vilia, tsy hoatran’ny vilia baolina.​—Ek 25:29; 37:16; No 4:7; 7:84, 85; Mt 14:8, 11; Mr 6:25, 28.

Kaopy. Tanimanga na indraindray metaly ny kaopy, izay fitaovana fisotroana. (Oh 23:31; Je 35:5; Mr 9:41) Nisy antonona tao anaty tanana. Tsy nisy tahony ny kaopy boribory tsy dia lalina. Azo nanovozana koa ireo nisy tahony.

Heviny an’ohatra. “Vaky ny siny eny an-doharano” rehefa maty ny olona, hoy ilay mpamory vahoaka. Toa ny fo ilay siny resahina eo, satria tsy mampikoriana ra eran’ny vatana intsony izy io, ka tsy misy ilana azy toy ny siny vaky tsy mahatan-drano. “Potika” koa amin’izay ny “vilia baolina volamena” (ny karandoha sy ny atidoha), satria tsy miasa intsony ny atidoha fa mihalò.​—Mpto 12:6, 7.

Fitaovana isan-karazany. Ilazan’ny Baiboly olona ny hoe fanaka indraindray. (As 9:15) Vilany tany mora vaky ny Kristianina, nefa nanankinana harena sarobidy, dia ny fitoriana. (2Ko 4:7) “Fanaka malemy kokoa” ny vehivavy. Mitondra azy “araka ny fahalalana” àry ny vadiny ‘ka manome voninahitra azy, toy ny atao amin’ny fanaka malemy kokoa, dia ny vehivavy’, rehefa manaiky fa voafetra ihany ny vitan’izy io noho ny toe-batany (mifanaraka amin’ny Lalàna ho an’ny Israely; Le 18:19; 20:18).​—1Pe 3:7.

Tsy tsara ny miaraka amin’ny fitaovana “tsy mendri-kaja” (olona tsy mitondra tena tsara), fa aleo manao ny sitrapon’i Jehovah, mba ho ‘fitaovana hampiasaina amin-javatra mendri-kaja, ary nohamasinina ka mahasoa ny tompony, sady vonona ho amin’ny asa tsara rehetra.’ (2Ti 2:20, 21) Tsy tonga dia aringan’i Jehovah ny “fanaky ny fahatezerana” na ny ratsy fanahy, mba hamolavolana ny olona manana toe-po tsara ho “fanaky ny famindram-po.”​—Ro 9:17-26.

Kaopy. Matetika no ilazana ny famalian’Andriamanitra na ny fahatezerany ny kaopy, izay hisotroan’ny olona, tanàna, na vahoaka sy firenena ratsy fanahy. (Sl 11:6; 75:8; Is 51:17, 22; Je 25:12-29; 51:41; Ft 4:21; Ap 14:9, 10; 16:19; 18:5-8) “Kaopy volamena teny an-tanan’i Jehovah”, ohatra, i Babylona fahiny, ary tsy maintsy nisotroan’ny firenena maro resiny.​—Je 51:7.

“Tsy homena kaopin’ny fampiononana hisotroany” ny mponin’i Jerosalema “raha maty ny rainy na ny reniny”, rehefa ho rava ilay tanàna. Toa fanao mantsy tamin’izany ny nanome divay eran’ny kaopy ho an’izay nalahelo fa maty ray na reny.​—Je 16:5-7; ampit. Oh 31:6.

Ny sitrapon’i Jehovah momba an’i Jesosy Kristy ilay “kaopy” nomeny azy. Niangavy i Jesosy mba hesorina aminy ilay izy, raha azo atao, sao hanala baraka an’Andriamanitra ny fahafatesany, rehefa nampangaina ho nanevateva an’Andriamanitra sy nitaona olona hikomy izy. Nanaiky ny sitrapon’i Jehovah anefa izy ka nisotroany ilay “kaopy” (Mt 26:39, 42; Jn 18:10, 11), izany hoe nijalijaly izy, natao batisa ho amin’ny fahafatesana ary farany natsangana ka lasa fanahy tsy mety maty any an-danitra. (Lk 12:50; Ro 6:4, 5; He 5:7) “Kaopy misy famonjena lehibe” ho an’i Kristy koa àry ilay izy. (Sl 116:13) Hisotro amin’ilay izy koa ny “ondry vitsy” izay hiara-mandova aminy an’ilay Fanjakana, satria izay no sitrapon’Andriamanitra.​—Lk 12:32; Mr 10:35-40.