Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kolikoly, Tsolotra

Kolikoly, Tsolotra

Matetika no vola omena olona iray mba hanaovany zavatra ho an’ilay manome, nefa tsy tokony hatao na tsy ara-dalàna ilay izy. Azo adika koa hoe “fanomezana” ny teny hebreo (shôhad) nadika hoe kolikoly na tsolotra, arakaraka ny zavatra resahina. (Ek 23:8; 1Mp 15:19; Oh 17:8) Mety hamadika ny rariny anefa izay mandray kolikoly, ary mety hamono olona mihitsy aza.​—De 16:19; 27:25; Ezk 22:12.

Voararan’ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely ny mandray kolikoly. Modely tonga lafatra i Jehovah, ilay Mpitsara Fara Tampony, satria tsy miangatra izy ary tsy mandray kolikoly mihitsy. (Ek 23:8; 2Ta 19:7) Tsy maintsy manahaka azy àry izay hivahiny ao an-tranolainy.​—Sl 15:1, 5; jereo koa Is 33:15, 16.

Resahin’ny Baiboly fa maro ny olona nandray kolikoly. Anisan’izany i Delila, izay nanaiky hamadika an’i Samsona raha samy manome azy farantsa volafotsy 1100 (2422 dolara raha sekely ilay “farantsa volafotsy”) ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina (Mpts 16:5); ireo zanak’i Samoela nanao fitsarana miangatra, fa tsy nanao toa an-drainy izay mpaminany sady mpitsara (1Sa 8:3; 12:3); ary ireo nolazain’i Davida fa feno kolikoly ny tanany ankavanana, nefa tokony hanao ny rariny (Sl 26:10). Nanome tsolotra ho an’ny mpanjakan’i Syria i Asa Mpanjaka ary ho an’ny mpanjakan’i Asyria i Ahaza Mpanjaka rehefa nila vonjy. (1Mp 15:18, 19; 2Mp 16:8) Tia nandray kolikoly ireo lohandohany na andriana tao Jerosalema. (Is 1:23; 5:23; Mi 3:11) Mandray karama ny mpivaro-tena, fa i Jerosalema nivadika kosa nanome tsolotra mba hahatongavan’ny olona tao aminy.​—Ezk 16:33.

Tamin’ny taonjato voalohany, dia toy ny hoe nandray tsolotra i Jodasy Iskariota mba hamadihana an’i Jesosy Kristy. (Mt 26:14-16, 47-50) Tsy nanome rariny an’i Paoly i Feliksa Governora satria nanantena ny homeny vola.​—As 24:26, 27.

Misy mandray “kolikoly avy anaty tratran’akanjo.” Ilazana ny tratran’akanjo miforitra eo ambony fehikibo koa ilay teny hebreo nadika hoe ‘tratra.’ Toa nafenina tao anatin’io tratran’akanjo io àry ilay vola, avy eo nomena mangingina olon-kafa izay nanafina an’ilay izy tao anaty tratran’akanjony koa.​—Oh 17:23, f.a.p.; jereo FANOMEZANA.