Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kolosia

Kolosia

(Kôlôsìa) [mety hidika hoe Goavam-be].

Tanàna tany amin’ny ilany atsimoandrefan’i Azia Minora. Marina fa anisan’ny faritr’i Frijia fahiny i Kolosia, kanefa lasa anisan’i Azia, faritany romanina, izy io tamin’ny andron’ny apostoly Paoly. Tsy misy mponina any ankehitriny. Eo amin’ny misy azy io no manomboka ny lohasaha misy ny Reniranon’i Lycus, izany hoe 18 km eo ho eo any atsinanana atsimoatsinanan’i Laodikia (akaikin’i Denizli ankehitriny). Tery io lohasaha io rehefa mandalo eo amin’ny faritr’i Kolosia, sady mijidina be ireo tehezan-kavoana eo amin’ny andaniny roa. Mihamalalaka anefa ilay lohasaha rehefa mianavaratrandrefana, sy eo amin’izay ihaonan’i Lycus sy ny Reniranon’i Meandra (Menderes). Misy lalambe avy any Efesosy sy ny morontsiraky ny Ranomasina Égée mandalo eo amin’io lohasaha io, ka tonga hatrany Eofrata any atsinanana. Mivily mankany Sardisy sy Pergamosy any avaratrandrefana ny lalana iray avy eo Kolosia. Niova anefa ny lalana tamin’ny andron’ny Romanina ka i Laodikia sy Hierapolia, tanàna teo akaikiny no lasa nalaza kokoa. (Kl 4:13) Tao Kolosia foana anefa no nisy ny foibe fanaovana lamba, ary nampahalaza azy ny volonondry tsara tarehy sy nanana loko hafakely, izay nantsoina hoe colossinus. Eo amoron’ny lemaka midadasika no misy an’i Kolosia, ary eny ny andian’ondry no miraoka ahitra. Tokony ho 5 km eo atsimo kelin’izy io no misy ny Tendrombohitra Honaz Dagi (Cadmus), izay 2750 m ny haavony. Ny lanezy avy amin’izy io no mampisy rano an’ireo sakelidranon’i Kolosia.

Nisy Frijianina tonga tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, ka angamba avy tany Kolosia ny sasany taminy. (As 2:10) Marina fa teo amin’ny lalambe nampitohy ny atsinanana sy ny andrefana i Kolosia, nefa tsy nandalo tany i Paoly tamin’izy nandeha an-tongotra nankany Efesosy, tamin’ilay dia misionera fahatelo nataony. Milaza mantsy ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa nianavaratra kokoa ny lalana narahiny. (As 18:22, 23; 19:1) Tsy tany Kolosia mihitsy i Paoly, rehefa jerena ny taratasy nosoratany ho an’ny Kristianina tany. Noho ny fitorian’i Epafra kosa no nampisy ny fiangonana tany. Nilaza i Paoly fa nisolo tena azy sy niara-niasa taminy i Epafra satria nanompo ny mpiray finoana tany Kolosia sady tsy nivadika. (Kl 1:7, 8; 2:1; 4:12) Nahafantatra Kristianina maromaro avy tany Kolosia anefa i Paoly, anisan’ireny i Onesimosy, Arkipo, Filemona, ary Apia.​—Kl 4:9, 17; Flm 1, 2, 10-12.

Nisy Grika sy Jiosy nonina koa tao Kolosia, ankoatra an’ireo Frijianina tompon-tany. (Ampit. Kl 3:11.) Mora nafana fo tamin-javatra nifandray tamin’ny herin’ny maizina ny Frijianina fahiny. Ny Grika kosa tia nanombantombana sy niady hevitra momba ny filozofia. Ny Jiosy indray dia nafana fo tamin’ny fanarahana ny Lalàn’i Mosesy sy ny fifadiana sakafo sasany ary ny fitandremana sabata. Nasian’i Paoly resaka ireo rehetra ireo tamin’izy nanoro hevitra ny fiangonana tao Kolosia.​—Kl 2:4, 8, 16, 18, 20-23.