Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kolosianina, Taratasy ho An’ny

Kolosianina, Taratasy ho An’ny

Taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly ho an’ny Kristianina tany Kolosia. Boky faha-12 izy io ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ao amin’ny Baiboly malagasy ankehitriny. I Paoly no nanoratra azy io, satria hoy izy: “Paoly, apostolin’i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’Andriamanitra, sy Timoty rahalahintsika. Ho an’ny olona masina sy ireo rahalahy tsy mivadika, izay tafaray amin’i Kristy, eny, ianareo izay monina any Kolosia.” (Kl 1:1, 2) Mbola manamafy izany koa ny veloma farany nosoratany.​—Kl 4:18.

Betsaka ny andininy mitovitovy ao amin’ny Kolosianina sy Efesianina, izay nosoratan’i Paoly koa. Nifanakaiky mantsy ny fotoana nanoratany azy ireo. Mety ho nitovitovy koa ny toe-javatra tany Kolosia sy Efesosy. Raha ekena àry hoe i Paoly no nanoratra ny Efesianina, dia tokony hekena koa hoe izy no nanoratra ny Kolosianina. (Ampitahao, ohatra, ny Kl 1:24-29 sy Ef 3:1-7; Kl 2:13, 14 sy Ef 2:1-5, 13-16; Kl 2:19 sy Ef 4:16; Kl 3:8-10, 12, 13 sy Ef 4:20-25, 31, 32; Kl 3:18-25; 4:1 sy Ef 5:21-23; 6:1-9.) Ao amin’ny Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46, taona t. 200) koa ny Kolosianina, miaraka amin’ny taratasy hafa nosoratan’i Paoly. Neken’ny Kristianina voalohany àry hoe nosoratan’i Paoly izy io.

Nisy antony roa matoa i Paoly nanoratra an’ilay taratasy. Voalohany, nitondra vaovao momba ilay fiangonan’i Kolosia i Epafra. Nampanahy ny vaovao sasany, nefa nisy vaovao tsara koa satria nilaza i Paoly hoe: “Nampahafantatra anay ny amin’ilay fitiavana anananareo noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra” i Epafra. (Kl 1:7, 8) Nanana olana ilay fiangonana nefa tsy dia lehibe izany, ary betsaka ny zavatra mendri-piderana nataony. Faharoa, hiverina any amin’i Filemona tompony tany Kolosia i Onesimosy. Tian’i Paoly hampitondrana azy sy Tykiko àry ilay taratasy.​—Kl 4:7-9.

Toerana sy fotoana nanoratana azy. Tsy voalaza hoe taiza i Paoly no nanoratra ho an’ny Kolosianina. Misy milaza hoe tany Efesosy. Tany am-ponja anefa izy araka ny filazany (Kl 1:24; 4:10, 18), ary tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe nigadra tany Efesosy izy. Tena mety ho tamin’izy nigadra voalohany tany Roma (t. 59-61) ilay fotoana nanoratany, rehefa jerena ny Kolosianina 4:2-4, 11. Marina fa efa nigadra tany Kaisaria i Paoly (As 23:33-35), ary nasain’i Feliksa nohalefahina ny fanagadrana azy. (As 24:23) Tamin’izy nigadra voalohany tany Roma anefa no afaka nanao zavatra betsaka kokoa. Nipetraka roa taona tao amin’ny trano nohofany mantsy izy, ary afaka nitory ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izay nitsidika azy.​—As 28:16, 23, 30, 31.

Tany Roma tokoa i Paoly no nanoratra ilay taratasy satria tany i Onesimosy, ary hiaraka hanatitra an’ilay taratasy any Kolosia izy io sy Tykiko. Be mponina mantsy i Roma, ka afaka nialokaloka tany i Onesimosy izay mpanompo nandositra. Tamin’ny taona 60-61 tany ho any i Paoly no nanoratra ilay taratasy ho an’ny Kolosianina sy ilay ho an’i Filemona, taloha kelin’ny nanafahana azy tamin’izy nigadra voalohany tany Roma. Nentin’i Tykiko sy Onesimosy àry ireo taratasy roa ireo. (Flm 10-12) Nilaza tamin’i Filemona i Paoly fa nanantena ny hafahana izy. (Flm 22) Mety ho nitovy àry ny fotoana nanoratany ho an’i Filemona sy ho an’ny Kolosianina.

Notoherina ireo hevi-diso. Filozofia mamitaka no novoizin’ny mpampianatra sandoka tany Kolosia. Nisy koa nanantitrantitra hoe tokony hotandremana ny Lalàn’i Mosesy. Nisy indray nampirisika an’ireo Kolosianina hampihafy tena be. Nampitandrina azy ireo àry i Paoly sao hisy hahalasa azy ireo ho “rembiny amin’ny alalan’ny filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy.” (Kl 2:8) Tsy tokony hisy hitsara azy ireo ny amin’ny fihinanana sy ny fisotroana koa, hoy izy, “na ny andro fety na ny fankalazana tsinam-bolana, na ny fitandremana sabata. Fa aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia an’i Kristy.” (Kl 2:16, 17) Fanetren-tena sarintsariny fotsiny ny an’ireo mpamitaka, ary tsy ilaina ny mampihafy tena be. Hoy mantsy i Paoly: “Toa fahendrena tokoa ireo zavatra ireo, ary maneho izany izy ireo amin’ny fanarahany fivavahana araka ny sitrapon’ny tenany ihany, sy amin’ny fanehoany fanetren-tena sarintsariny, ary ny fampijalian-tena. Tsy manampy eo amin’ny ady atao amin’ny fanomezana fahafaham-po ny nofo mihitsy anefa izany.”​—Kl 2:20-23.

Nasongadin’i Paoly fa nomen’Andriamanitra toerana ambony i Kristy. (Kl 1:13-20) Tsy ho voataonan’ny filozofian’ny mpanompo sampy, lovantsofina jiosy, na “fivavahana amin’ny anjely [na “fanompoana ny anjely”, Kat.]” (Kl 2:18) ny Kristianina mino izany. Tsy resahin’ny Baiboly raha tena nivavaka tamin’ny anjely na tsia ireo finaritra tamin’ny “fivavahana amin’ny anjely.” Mety ho nihambo ho nanaraka ny fivavahan’ny anjely koa anefa izy ireo, na nieritreritra hoe nanahaka ny fomba fanajan’ny anjely.

[Efajoro, pejy 182]

HEVITRA MISONGADINA: KOLOSIANINA

Manasongadina fa ho afaka hanohitra hevi-diso sy fanao ratsy izay manaiky fa nomen’Andriamanitra toerana ambony i Kristy

Nosoratan’i Paoly taloha kelin’ny nanafahana azy tamin’izy nigadra voalohany tany Roma

Fanekena ny toerana tanan’i Kristy (1:1–2:12)

Noderaina ny Kolosianina satria nino an’i Kristy sy tia ny olona masina rehetra manantena ny ho any an-danitra toa azy ireo koa

Toerana ambony tanan’i Kristy: Endrik’Andriamanitra, lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra, tamin’ny alalany no namoronana ny zavatra hafa rehetra, lohan’ny fiangonana, lahimatoa amin’ny maty

Amin’ny alalany no ampihavanana ny olona amin’Andriamanitra

Voafina ao aminy ny harenan’ny fahendrena sy fahalalana rehetra

Aoka ianareo hiara-mandeha aminy foana sy ho tafaray aminy; tandremo sao hisy hahalasa anareo ho rembiny amin’ny alalan’ny filozofia

Nesorin’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Kristy ny Lalàn’i Mosesy (2:13-23)

Nofantsihany tamin’ny hazo fijalian’i Kristy ny fifaneken’ny Lalàna

Aloky ny zavatra ho avy ny Lalàna, fa ny tena izy dia an’i Kristy

Aza avela hisy hitaona anareo hanaraka didy sy fampianaran’olona fa tsy hifikitra amin’i Kristy, ka tsy hahazo ny loka

Tafio ny toetra vaovao, ekeo ny fahefan’i Kristy (3:1-17)

Mifantoha amin’ny zavatra any ambony, fa tsy amin’ny etỳ an-tany

Vonoy ny fanirian-dratsin’ny nofo; ialao ny toetra sy teny tsy mendrika

Mitafia fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fahari-po, ary fitiavana

Aoka hanjaka ao am-ponareo ny fiadanan’i Kristy

Ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo ny zava-drehetra, ka misaora an’Andriamanitra amin’ny alalany

Mifandray tsara amin’ny hafa izay manaiky an’Andriamanitra sy Kristy (3:18–4:18)

Tsy mpila sitraka amin’olona ny vehivavy, lehilahy, ankizy, mpanompo, ary tompo rehefa manao ny andraikiny, fa matahotra an’i Jehovah sy manaiky hoe Tompony any an-danitra i Kristy

Mahareta amin’ny vavaka; mitondrà tena amim-pahendrena

Fanaovam-beloma an’ireo mpiara-manompo