Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Komina

Komina

[Heb.: kammôn, gr.: kyminôn], Komina Mainty [heb.: ketsah].

Anisan’ny fianakaviamben’ny karaoty na persily ny komina (Cuminum cyminum). Mirefy 30 ka hatramin’ny 60 sm izy io, lava manify ny raviny, ary mijoro mahitsy ny tahony izay misy voninkazo kely mavokely na fotsy mitsitokotoko. Tena amantarana azy ny voany mahery fofona, izay atao mampahatsiro mofo, mofomamy, laoka, na zava-pisotro any Israely sy ny manodidina ary any an-tany hafa. Ilay karazana tsileondrao (toy ny an’ny komina ny fofony sy endriny) anefa izao no be mpampiasa, noho izy io malefaka sy misy otrikaina kokoa.

Miara-voatonona amin’ny komina ny zavamaniry atao hoe ketsah (heb.). (Is 28:25, 27) Nadika hoe “nigela” (Prot., Kat.) sy “aneta” (Da) izy io, nefa toa “komina mainty” (TV) no mety kokoa, rehefa jerena ny teny manodidina sy ny anarany amin’ny teny arabo (kazà). Tsy iray sokajy amin’ny komina anefa ny komina mainty (Nigella sativa). Anisan’ny fianakaviamben’ny Ranunculaceae (misy voninkazo toy ny vilia baolina kely) kosa izy, mitovitovy haavo amin’ny komina, misy lainy koa ny raviny, saingy maniry mitsitokantokana ny voninkazony tsara tarehy fotsy na manga. Madinika noho ny komina ny voany mainty ao anatin’ny hodiny miefitrefitra. Mangananganana sy manitra ireo voany, ary atao amin’ny sakafo (toy ny poavra). Anisan’ny laron-tsakafo tian’ny Grika sy Romanina fahiny indrindra izy io.​—SARY, Boky 1, p. 543.

Be komina sy komina mainty tany amin’ny faritr’i Palestina fahiny, saingy tsy dia misy mamboly an’ireny intsony izao any. Aparitaky ny tantsaha israelita amin’ny tany efa voasa ny voa afafy, hoy i Isaia mpaminany, fa mitandrintandrina kosa izy rehefa mamafy voa sarobidy kokoa toy ny varimbazaha sy ampemby ary vary orza. Rehefa vita ny fijinjana, hoy izy, dia tsy hosihosena amin’ny fitaovana fanosihosena misy kodiarany mavesatra ny voana komina sy komina mainty, fa velezina amin’ny tehina na tsorakazo (fampiasa amin’ny komina mainty) mba tsy ho potika ny voa kely malemy ao anaty hodiny matevina. Nanao an’io fanoharana io i Jehovah, rehefa avy nampitandrina an’ireo Israelita mba tsy hanaraby intsony satria efa ho ripaka ny fanjakana tany avaratra. Toa tiany hisafidy mantsy izy ireo hoe hanaiky hofaiziny amin’ny tsorakazo ve, sa hosihosena tsy an-kijanona sy hotorotoroina toy ny amin’ny kodiaran-tsarety mavesatra.​—Is 28:22-29.

Tsy maintsy nanome ny ampahafolon’ny ‘vokatra rehetra avy tamin’ny voa nafafiny’ ny Israelita, hoy ny Lalàn’i Mosesy. (De 14:22; Le 27:30) Tamin’ny andron’i Jesosy, dia sarotiny erỳ ny Fariseo nandoa ny ampahafolon’ny anana toy ny solila sy aneta ary komina (azo namidy daholo ireo), nefa tsy noraharahainy ny adidy mavesa-danja kokoa.​—Mt 23:23; ampit. Lk 11:42.