Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kona

Kona

(Kòna).

Iray tamin’ireo tanànan’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba. Tany i Davida no naka varahina be dia be, izay nampiasaina tatỳ aoriana rehefa naorina ny tempoly. (1Ta 18:8) Andininy mifanitsy amin’io ny 2 Samoela 8:8 ka Berotahy no ao fa tsy Kona. Mety ho toerana iray ihany àry ireo. Misy mihevitra an’i Kona ho ilay Kuna any Ras Baʽalbek, 43 km any avaratratsinanan’i Bereitan, izay toerana voalaza fa nisy an’i Berotahy.​—Jereo BEROTA, BEROTAHY.