Konania
(Konanìa) [Nataon’i Jehovah Mafy Orina].
1. Levita niandraikitra an’ireo fanomezana nanohanana ny fanompoana tao amin’ny tempoly, tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia.—2Ta 31:4, 12, 13.
2. Mpiadidy teo amin’ny Levita. Anisan’ireo nanome ondry sy osy ary omby maro be izy, tamin’ilay fankalazana Paska lehibe tamin’ny taona faha-18 nanjakan’i Josia.—2Ta 35:9, 19.