Kora, I
(Kòra) [mety hidika hoe Sola; Fahasolana].
1. Iray tamin’izy telo lahy zanak’i Esao tamin’ilay vadiny hivita atao hoe Oholibama. Teraka tany Kanana i Kora, talohan’ny nifindran’i Esao tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira. (Ge 36:2, 5-8, 14; 1Ta 1:35) Lehibem-pokon’i Edoma i Kora.—Ge 36:18.
Miresaka momba an’i “Kora lehibem-poko” ny Genesisy 36:16, ary voalaza ao fa zanakalahin’i Elifaza sy zafikelin’i Esao izy io. Tsy ao amin’ny lisitry ny anaran’ireo zanakalahin’i Elifaza anefa ny hoe Kora. (Ge 36:11, 12; 1Ta 1:36) Tsy hita ao amin’ny Genesisy 36:16 koa io anarana io, ao amin’ny Boky Dimy Voalohany amin’ny teny samaritanina. Misy an’io anarana io kosa ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, ary milaza ny manam-pahaizana sasany fa fahadisoana nataon’ireo mpanao dika soratra izany.
2. Iray tamin’ireo zanakalahin’i Hebrona avy amin’ny fokon’i Joda.—1Ta 2:43.
3. Levita Kehatita anisan’ny fianakavian’i Jizara. (Ek 6:16, 18, 21; 1Ta 6:1, 2, 22 [Anarana hafa niantsoana an’i Jizara angamba ny hoe Aminadaba.]) Nikomy sy nanohitra ny fahefan’i Mosesy sy Arona i Kora, nandritra ilay dian’ny Israely tany an-tany efitra. Niara-nikomy taminy ny Robenita telo lahy atao hoe Datana sy Abirama ary Ona, sy 250 lahy “mpiadidy vahoaka” na “lehilahy nanan-daza.” (No 16:1, 2) Hoy izy ireo: “Masina avokoa ny vahoaka manontolo, ary i Jehovah no eo aminy. Koa nahoana ianareo no manandra-tena ho ambony noho ny fiangonan’i Jehovah?” (No 16:3-11) Nampiantso an’i Datana sy Abirama i Mosesy taorian’izay, nefa tsy nety izy ireo satria nihevitra fa tsy nanan-jo hanao izany i Mosesy. (No 16:12-15) Nilazana i Kora sy ny olony ary Arona Mpisoronabe mba hiseho teo anatrehan’i Jehovah sy hitondra ny fitondrana afony ary hanisy emboka manitra teo amboniny.—No 16:16, 17.
Ny ampitson’iny dia nijoro teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana, niaraka tamin’i Mosesy sy Arona, i Kora sy ireo 250 lahy niaraka taminy. Samy nitondra ny fitondrana afony nisy emboka manitra izy ireo. Niseho tamin’ny vahoaka manontolo ny voninahitr’i Jehovah tamin’izay, ary hoy izy tamin’i Mosesy sy Arona: “Misaraha amin’io vahoaka io ianareo, fa handringana azy indray mipy maso monja aho.” Nitalaho ho an’ny vahoaka anefa i Mosesy sy Arona. Nilaza tamin’i Mosesy Andriamanitra avy eo mba hanome baiko ny vahoaka hiala eny akaikin’ny tranolain’i Kora sy Datana ary Abirama. Nankatò ny vahoaka. (No 16:18-27) Tsy ela taorian’izay, dia “nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo sy ny ankohonany ary ny olon’i Kora rehetra, mbamin’ny fananany rehetra.” Nidina velona tany amin’ny Fasana izy ireo, sy izay rehetra azy, ary nanarona azy ireo ny tany.—No 16:28-34.
Tsy afa-maina koa ireo teo anoloan’ny tranolay fihaonana, satria voalaza fa “nisy afo avy tamin’i Jehovah nandevona an’ireo dimampolo sy roanjato lahy, izay nanatitra emboka manitra.” (No 16:35) Teo koa i Kora tamin’izay ka matin’ilay afo avy tamin’Andriamanitra.—No 26:10.
Namboarina ho takelaka metaly ny fitondrana afon’ireo niara-nikomy tamin’i Kora, ary napetaka teo amin’ny alitara. Natao izany “satria natolony teo anatrehan’i Jehovah ireny ka masina. Ary ho famantarana ho an’ny zanak’Israely ireny.” (No 16:36-40) Na dia teo aza ilay porofo lehibe fa nampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah, dia mbola nimenomenona tamin’i Mosesy sy Arona ihany ny Israelita rehetra ny ampitson’iny, ka nanao hoe: “Ianareo ireo no nahafaty ny vahoakan’i Jehovah.” Tezitra Andriamanitra, ka nandefa loza ary nisy 14 700 no matin’izany, na dia nitalaho ho an’ilay vahoaka aza i Mosesy sy Arona. Tsy nitsahatra ilay loza raha tsy efa avy nandrakotra ny fahotan’ny vahoaka i Arona. (No 16:41-50) Nohamafisina taorian’izay fa i Arona no tokony ho mpisorona. Nataon’i Jehovah nitsimoka mantsy ny tehiny.—No 17.
Toa tsy nikomy niaraka tamin’i Kora rainy ireo zanany lahy. Hoy mantsy ny Baiboly: “Tsy maty kosa anefa ireo zanakalahin’i Kora.” (No 26:9-11) Tatỳ aoriana, dia niavaka raha samy Levita ny taranak’i Kora.—Jereo KORAHITA.
Noharin’i Joda tamin’ny biby ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana, ary nampitandrina an’ireo Kristianina tamin’ireny olona ireny izy. Nilaza izy fa nanao toa an’i Kaina sy Balama ary Kora izy ireny, ary “efa matin’ny teny fikomian’i Kora.” Azo antoka fa nitady voninahitra i Kora. Nanohitra ny olona voatendrin’i Jehovah izy ka lasa mpikomy. Rariny àry raha novonoina izy satria tsy nety ny nataony.—Jd 10, 11.