Korahita
(Kòrahìta) [An’i Kora].
Taranak’i Kora, ilay nikomy tamin’ny andron’i Mosesy. Tao amin’ny fianakaviamben’ny Levita Kehatita ny Korahita, sady taranak’i Kora avy tamin’ireo zanany telo lahy, izany hoe i Asira sy Elkana ary Abiasafa. (Ek 6:18, 21, 24; No 16:1-3) Tsy maty niaraka tamin’ny rainy ireo zanakalahin’i Kora (No 26:10, 11), satria azo inoana fa tsy nikomy toa azy.
Tamin’ny fanisam-bahoaka natao teo amin’ny Lemak’i Moaba, dia voasoratra anarana hoe anisan’ny fianakavian’ny Levita “ny fianakavian’ny Korahita.” (No 26:57, 58) Nisy Korahita ireo lehilahy mahery tonga tany amin’i Davida tany Ziklaga, tamin’izy mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly Mpanjaka. (1Ta 12:1, 6) Korahita ilay Levita mpihira atao hoe Hemana, ary i Davida Mpanjaka no nandamina ny toeran’ireo mpihira anisan’ny fianakavian’i Hemana. Korahita koa i Samoela mpaminany. (1Ta 6:33-38; 15:16, 17; 16:37, 41, 42; 25:1, 4-6) Nisy Korahita koa ny mpiandry vavahady niambina ny tranon’i Jehovah. (1Ta 26:1-9, 19) Tamin’ny andron’i Josafata, dia “nitsangana ny Levita taranaky ny Kehatita sy taranaky ny Korahita mba hidera an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny feo faran’izay mafy”, satria nampanantena Andriamanitra fa hanafaka ny vahoakany tamin’ny tafika nitambatra avy tany Moaba sy Amona ary Seira.—2Ta 20:14-19.
Voatonona mazava tsara eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo 42, 44-49, 84, 85, 87, ary 88 ny hoe taranak’i Kora. Nikomy i Kora razamben’izy ireo, fa izy ireo kosa tsy nivadika ka tsy nosazin’i Jehovah noho ny fahadisoan’i Kora. Notahina kosa aza izy ireo, ka nomena tombontsoa hanompo tao amin’ny tempoly.