Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Korazina

Korazina

(Kôrazìna).

Tanàna anisan’ireo notsidihin’i Jesosy tany amin’ny tendrony avaratry ny Ranomasin’i Galilia, ary nomeny tsiny. (Mt 11:21; SARY, Boky Faha-2, p. 739) Maro ny manam-pahaizana mihevitra azy io ho i Kirbet Kerazeh (Korazima), 3 km eo ho eo monja any avaratra avaratrandrefan’ilay toerana heverina fa nisy an’i Kapernaomy fahiny. (Mt 11:23) Toa tao Kapernaomy i Jesosy no nody, tamin’izy nitory tany Galilia nandritra ny roa taona. Niantso ‘loza’ ho an’ireo Jiosy nonina tao Korazina izy tamin’izay, satria nahita ny “fahagagana” nataony izy ireo, nefa tsy nihontsina tamin’ny hafatra notoriny. Raha ireo mpanompo sampy tany Tyro sy Sidona anefa no nahita izany dia efa ho nibebaka izy ireo. Niresaka kely momba ny tsy fibebahan’i Korazina i Jesosy tany amin’ny faramparan’ny taona 32, tamin’izy naniraka an’ireo mpianatra 70, nandritra ny fanompoany farany tany Jodia. Nilaza izany izy mba hanamafisana ny loza lehibe hanjo an’ireo tanàna tsy niraika tamin’ny fitoriana, ka na ny vovok’ireny aza dia tokony ‘hofafan’ny’ mpianatra hiala amin’ny tongony.​—Lk 10:10-16.