Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Korbana

Korbana

(kôrbàna).

“Fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra.” (Mr 7:11) Kôrban ny teny grika sy hebreo (midika hoe fanatitra) nadika eo hoe “korbana.” Ilazana fanatitra misy ra na tsia ny hoe kôrban ao amin’ny Levitikosy sy Nomery. (Le 1:2, 3; 2:1; No 5:15; 6:14, 21) Ampiasaina ao amin’ny Ezekiela 20:28 sy 40:43 koa io teny io. Mitovitovy amin’ilay teny grika hoe kôrban ny hoe kôrbanas resahin’ny Matio 27:6. Nilaza eo ny lehiben’ny mpisorona fa “vidin-dra” ny vola namadihan’i Jodasy an’i Jesosy sy natsipiny tao amin’ny tempoly, ka tsy azo narotsaka tao amin’ny “toerana masina fitehirizan-karena [endriny hafa amin’ny hoe kôrbanas].”

Nomelohin’i Jesosy Kristy ireo Fariseo mpihatsaravelatsihy, tamin’izy nanompo teto an-tany. Nataon’izy ireo navesa-danja noho ny lalàn’Andriamanitra mantsy ny fomban-drazan’izy ireo momba ny “korbana” na fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra, ka nataony tsinontsinona ilay didy hoe tokony hohajaina ny ray aman-dreny. (Mt 15:3-6) Mety hilaza fotsiny ny olona iray hoe ‘Hataoko korbana’ na hoe ‘Korbana’ ny fananany na ny ampahany amin’ilay izy. Tsy azony nampiasaina hanampiana ny ray aman-dreniny àry ilay “korbana” (fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra), hoy ny Fariseo tamin’izany, na dia sahirana be aza izy ireo. Azon’ilay olona nampiasaina mandra-pahafatiny anefa ilay izy, raha tiany. Nihambo ho nanome voninahitra an’Andriamanitra àry ny Fariseo, nefa tsy vonona hankatò ny didiny tao am-pony tao.​—Mr 7:9-13.

Nilaza i Josèphe, mpahay tantara, fa nisy koa olona natao hoe “korbana.” Hoy izy: “Tsy maintsy nandoa vola tamin’ny mpisorona ny olona nanao ny tenany ho ‘Korbana’ ho an’Andriamanitra, na ho ‘fanomezana’ araka ny filazan’ny Grika azy, rehefa te ho afaka amin’io adidy io.” (Rakitry ny Ela Jiosy, IV, 73 [iv, 4]) Ny fananana natokana ho an’Andriamanitra anefa no tena natao hoe “korbana.”