Kore
(Korè).
1. Levita Kehatita “taranak’i Asafa” sady taranak’i Kora. (Ek 6:16, 18, 21; 1Ta 9:19; 26:1) “Mpiandry varavarana tao amin’ny tranolay” i Saloma “zanak’i Kore, zanak’i Ebiasafa, zanak’i Kora.” (1Ta 9:19) Tsy resahin’ilay andininy ny taranaka rehetra teo anelanelan’i Saloma sy Ebiasafa, nefa iray tetirazana ihany ireo voatonona anarana. I Meselemia mpiandry vavahady no “zanak’i Kore”, ao amin’ny 1 Tantara 26:1.
2. Levita “zanak’i Jimna” ary ‘mpiandry vavahady teo atsinanan’ny’ tempoly, tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Izy no “niandraikitra ny fanatitra an-tsitrapo ho an’Andriamanitra, ka nizara ny fanomezana natolotra ho an’i Jehovah sy ny zavatra masina indrindra.” Nisy olona teo ambany fifehezany.—2Ta 31:14-16.