Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Korinto

Korinto

(Korìnto).

Iray amin’ireo tanàna tranainy sy nalaza indrindra tany Gresy fahiny, tokony ho 5 km any atsimoandrefan’ny tanànan’i Korinto ankehitriny. Tsara toerana i Korinto ka nalaza satria teo amin’ny ilany andrefana tamin’ilay andilan-tany nampitohy an’i Gresy sy Peloponezy (saikinosy teo atsimo). Tsy maintsy nandalo tao Korinto ny entana sy ny zavatra hafa nivezivezy nianavaratra sy nianatsimo teo amin’ilay andilan-tany, izay 6 km monja ny sakany teo amin’izay tery indrindra. Nankany Korinto koa ireo sambo mpitondra entana tany amin’ny firenen-tsamihafa. Naleon’ny tantsambo mantsy nankeo amin’io andilan-tany teo anelanelan’ny Hoalan’i Korinto sy ny Hoala Sarônika io, toy izay hanalavi-dalana tany atsimon’ny tanjon’ilay saikinosy, izay toerana nampidi-doza sy be tafio-drivotra. Namakivaky ny Ranomasina Ionianina àry ireo sambo avy tany Italia, Sisila, Espaina ary nankao amin’ny Hoalan’i Korinto ka niantsona teo amin’ny rano lalin’ny seranan’i Léchée (seranan’i Korinto teo andrefana). Nisy manda lava be anankiroa nampitohy an’i Korinto sy Léchée. Namakivaky ny Ranomasina Égée kosa ireo sambo avy tany Azia Minora, Syria, Ejipta, ary niantsona tao amin’ny seranan’i Kenkrea tany atsinanana, na angamba tao amin’ny seranana kelin’i Schoenus. (Ro 16:1) Ny entana avy tao amin’ireo sambo lehibe tao amin’ny seranana iray dia notaterina an-tanety, ary nafindra tao amin’ny sambo hafa tany amin’ilay seranana iray hafa. Ireo sambo kelikely kosa nosintonina niaraka tamin’ny entany namakivaky an’ilay andilan-tany, teo amin’ny lalan-tsambo manokana iray nantsoina hoe diôlkôs (a.b.t.: misintona). Rariny àry raha nantsoina hoe tetezan-dranomasina ny andilan-tanin’i Korinto.

Tantarany. Tanàna efa niroborobo be i Korinto tamin’ny taonjato fahafito T.K., rehefa natomboka tany ny Lalao Ismika, izay natao tao amin’ny tempolin’ilay andriamanitra grika nantsoina hoe Poséidon (andriamanitry ny ranomasina, toa an’i Neptune, andriamanitry ny Romanina). Isaky ny roa taona no natao teo amin’ilay andilan-tany io lalao io. Nanonona azy io ny apostoly Paoly tao amin’ny fanoharana niavaka iray nataony. (1Ko 9:24-27) I Makedonia no nitondra an’i Korinto nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra T.K. ka hatramin’ny taona nanafahan’ny Romanina azy io (196 T.K.). Lasa fanjakana nahaleo tena ny tanànan’i Korinto, ka niditra ho anisan’ny Vondron’i Akaia, toa an’ireo tanàna hafa. Voarohirohy tamin’ny fikomiana tamin’i Roma àry i Korinto, ka noravan’ilay manam-pahefana romanina nantsoina hoe L. Mummius, tamin’ny taona 146 T.K. Novonoina ny lehilahy tao, ary namidy ho andevo ny zaza amam-behivavy. Lao ilay tanàna nandritra ny 100 taona. I Jules César no nanorina indray azy io, tamin’ny taona 44 T.K. (misy milaza hoe taona 46 T.K.), ka nanao azy io ho zanatany romanina, ary nantsoiny hoe Colonia Laus Julia Corinthiensis. Nandritra ny fitondran’i Aogosto Kaisara, dia lasa faritany romanina nofehezin’ny Antenimieran-doholona i Akaia, anarana niantsoan’ny Romanina an’i Gresy (tsy tafiditra i Makedonia), ka i Korinto no natao renivohitra.

Ilay tanàna sy ny taozavatra tao. Naresaka be ilay tanàna tamin’i Paoly tonga tao tamin’ny taona 50 tany ho any, satria foiben’ny fitondrana ary nihaona tao ny lalana fivezivezen’ny entam-barotra. Nampanan-karena an’i Korinto ireo hetra nalaina avy tamin’ireo sambo nosintonina teo amin’ilay andilan-tany. Niroborobo be ny taozavatra tao, ary tena nampahalaza azy ny fanefena zavatra vita amin’ny tanimanga sy ny fanefena halimo. Manao an-tanantohatra ny toerana misy an’ilay tanàna ka 30 m avo kokoa noho ilay voalohany ilay faharoa. Tao afovoan-tanàna no nisy ny tsena. Nalalaka be izy io, ary nisy lala-mitafo sy tranom-panjakana teny amin’ny andaniny roa. Nitodika tany an-tsena ireo fivarotana nitandahatra. Hita tamin’ny zavatra nofongarina fa nisy fivarotan-kena sy fivarotan-tsakafo ary fivarotan-divay tao. Nahitana soratra hoe macellum teo amin’ny fivarotana iray. Teny latinina io, ka makellôn ny teny grika mifanitsy aminy. Io teny grika io no nampiasain’i Paoly tamin’izy niresaka momba ny “tsena fivarotan-kena” ao amin’ny 1 Korintianina 10:25. Nahitana soratra hoe “Losio, mpivaron-kena” teo amin’ny tokonan’ny fivarotana iray.

Nisy lampivato fijoroan’ny mpikabary an-kalamanjana hitan’ny mpikaroka teo akaikin’ny afovoan-tsena, ka teo no nihaona ny toerana avo sy iva nisy ny tsena. Bema na Rostra no fiantsoana azy io. Vita tamin’ny marbra fotsy sy manga izy io sady voaravaka sary sokitra tsara tarehy. Nisy efitra fipetrapetrahana teny amin’ny andaniny roa, ka rarivato madinika kely vita sarisary ny gorodona ary marbra ny sezalava fipetrahana. Heverina fa io bema io no “toeram-pitsarana” nitondrana an’i Paoly mba hotsarain’i Galio Governoram-paritra. Ireo Jiosy mpanohitra ny Kristianina no nitondra azy tany. (As 18:12-16) Nisy anarana hoe Galio, izay voalaza fa governoram-paritra, teo amin’ny soratra hita tao Delphes, tanàna eo amin’ny sisiny avaratra amin’ny Helodranomasin’i Korinto.​—Jereo GALIO.

Roa ny kianja filalaovana tantara an-tsehatra teo avaratrandrefan’ny tsena, ka nahazaka olona 18 000 teo ho eo ny iray. Azon’ireo Kristianina tany Korinto tsara àry ilay tenin’i Paoly hoe “fampisehoana an-tsehatra hojeren’izao tontolo izao” ireo apostoly. (1Ko 4:9) Teo amin’ny tany malalaka iray akaikin’ny kianja ny mpikaroka no nahita soratra miresaka momba an’i Erasto, izay nitondra anaram-boninahitra tamin’ny teny latinina hoe aedile. Misy mandika an’io aedile io hoe “mpiasam-panjakana ambony.” Mety ho io ihany ilay Erasto “mpitantam-bolan’ny tanàna” noresahin’i Paoly tao amin’ny taratasy nosoratany tany Korinto ho an’ny Romanina. (Ro 16:23) Ôikônômôs’ no teny grika nampiasain’i Paoly teo, ary midika hoe “mpanompo miandraikitra ny ao an-trano” izy io.​—Ampit. Ga 4:2; jereo ERASTO No. 2.

Fivavahana sy kolontsaina. Niavaka i Korinto satria sady foiben’ny fitondrana no sangany teo amin’ny raharaham-barotra nanerana an’i Gresy. Tena nampahalaza azy koa anefa ny fitondran-tena maloto sy ny filibana tafahoatra ka lasa nidika hoe “manaram-po amin’ny fitondran-tena maloto” ny teny hoe “miaina toy ny Korintianina.” Ny tena nahatonga izany dia ny fivavahan’ny Korintianina tamin’i Afrodita (nitovy tamin’i Vénus andriamanibavin’ny Romanina, i Astarta an’ny Fenisianina sy ny Kananita, ary i Ishtar an’ny Babylonianina). Teo an-tampon’i Acrocorinthe, havoana be vato sy avo (513 m) ary sarotra anihina eo akaikin’ny agora, no nisy ny tempolin’i Afrodita. (SARY, Boky Faha-2, p. 336) Rariny àry raha nanome torohevitra hentitra momba ny fitondran-tena sy nampitandrina mafy an’ireo Kristianina tany Korinto i Paoly. (1Ko 6:9–7:11; 2Ko 12:21) Nisy tempolin’ny andriamanitra sy andriamanibavy maro hafa koa tao Korinto. Nahitana sarina rantsambatana vita tamin’ny tanimanga nitovy loko tamin’ny nofo, ohatra, tao amin’ny tempolin’i Asclépios, andriamanitry ny fanasitranana. Navelan’ireo mpivavaka tao amin’io tempoly io ny sarivongan’izay rantsambatany narary (tanana, tongotra, maso, na hafa), mba ho fanatitra.

Nisy Italianina maro, taranak’ireo mpanjanaka fahiny koa nonina tao Korinto, ankoatr’ireo Grika. Tsy vitsy àry ny mpianatr’i Jesosy nanana anarana latinina toy ny hoe Josto, Tertio, Koarto, Gaio, Krispo, Fortonato, Akaiko. (As 18:7; Ro 16:22, 23; 1Ko 1:14; 16:17) Betsaka koa ny Jiosy nipetraka tany Korinto. Nanorina synagoga tany izy ireo ary nisy Grika voataonany. (As 18:4) Tena nisy Jiosy tokoa tany Korinto, satria nisy soratra grika hoe “[Syna]gôge Hebr[aiôn]” (midika hoe “Synagogan’ny Hebreo”) teo amin’ny tataom-baravarana vita tamin’ny marbra, hita tany akaikin’ny vavahadin’ny lalana mankany Léchée. Nivezivezy tsy tapaka tany Korinto koa ireo mpanao dia lavitra sy mpivaro-mandeha, ankoatr’ireo mpitady fahafinaretana tao amin’io foiben’ny fialam-boly sy ny fanatanjahan-tena io. Azo antoka fa izany no nahatonga ny olona tany halala-tsaina kokoa noho ireo tany amin’ny tanàna hafa notsidihin’i Paoly, anisan’izany i Atena, izay foiben’ny kolontsaina grika. Nomena toky i Paoly, tao amin’ny fahitana iray, fa nisy olona tso-po maro tao Korinto. Nijanona herintaona sy tapany tao amin’io ambohipihaonan’ny Atsinanana sy ny Andrefana io àry izy. (As 18:9-11) Toa tamin’izay izy no nanoratra an’ireo taratasy roa ho an’ny Tesalonianina.

Fiangonana kristianina. Nandray sambo tao amin’ny seranan’i Kenkrea, tany atsinanana, i Paoly mba hiampita ny Ranomasina Égée ho any Efesosy, any Azia Minora. Niaraka taminy i Prisila sy Akoila, mpiara-manao tranolay taminy sady mpiara-manompo taminy. (As 18:18, 19) I Apolosy, lehilahy nahay nandaha-teny, no nanohy ny asa nataon’i Paoly tany Korinto ka nanondraka an’ireo voa nafafiny tany. (As 18:24-28; 19:1; 1Ko 3:6) Tena tia an’ilay fiangonana naoriny tany Korinto i Paoly, ka naniraka an’i Titosy hankany indroa mba hisolo tena azy. Nanoratra taratasy roa nisy hafatra mafonja ho an’ny fiangonana tany Korinto koa izy. (2Ko 7:6, 7, 13; 8:6, 16, 17; 12:17, 18) Nikasa hijanona kely tany Korinto i Paoly tamin’izy ho any Makedonia, kanjo tsy afaka. (2Ko 1:15, 16, 23) Nijanona telo volana tany Gresy anefa izy tatỳ aoriana (t. taona 55-56), ary nijanona kely tany Korinto ka tany izy no nanoratra ny taratasiny ho an’ny Romanina.​—As 20:2, 3; Ro 16:1, 23; 1Ko 1:14.