Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kornelio

Kornelio

(Kôrnèlio).

Manamboninahitra (kapiteny, Prot.) nifehy miaramila 100 tao amin’ny Andia-miaramila Italianina. (Jereo MANAMBONINAHITRA.) Nipetraka tao amin’ny tranony tao Kaisaria izy. Toa avy tamin’ny fianakaviana ambony tao amin’ny tanànan’ny mpanjaka tany Roma izy, rehefa jerena ilay anarany romanina. “Mpivavaka be” izy, sady “nanome zavatra be dia be ho fiantrana ny mahantra ary nitalaho mandrakariva tamin’Andriamanitra.” ‘Lehilahy marina sy matahotra an’Andriamanitra izy ary tsara laza teo amin’ny firenena jiosy manontolo.’ Lehilahy toy izany no nisehoan’ny anjely, tamin’ny faramparan’ny taona 36, ary nilazany hoe: “Efa niakatra ho fampahatsiahivana eo anatrehan’Andriamanitra ny vavakao sy ny fiantranao ny mahantra.” Nasain’ilay anjely naniraka olona haka an’i Petera tany Jopa koa i Kornelio.​—As 10:1-22.

Teo i Kornelio sy ny “havany sy ny namany akaiky”, rehefa tonga i Petera. Hoy i Kornelio: “Indreto izahay rehetra eto anatrehan’Andriamanitra mba hihaino izay rehetra nandidian’i Jehovah anao holazaina aminay.” (As 10:24, 33) Raha mbola niteny i Petera, dia “nilatsaka tamin’izay rehetra nihaino ny teny ny fanahy masina.” Izy ireo àry no hafa firenena tsy voafora, izany hoe tsy Jiosy voalohany nahazo “ny fanomezana maimaim-poana, dia ny fanahy masina”, ka i Kornelio no olona ambony voatonona anarana tamin’izy ireo. (As 10:44, 45) Natao batisa tao anaty rano avy hatrany izy ireo avy eo. Tsy fantatra ny momba ny fiainan’i Kornelio sy izay nataony taorian’izay.

Nahoana no niavaka ny niovan’i Kornelio?

Misy milaza hoe olona efa niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy i Kornelio. Tsy marina anefa izany. Asehon’ny Soratra Masina mantsy hoe olona hafa firenena tsy voafora io manamboninahitra io, na dia nahay ny zavatra nosoratan’ny mpaminany aza izy, sady nanome zavatra ho fiantrana ny Jiosy, natahotra an’Andriamanitra, nivavaka foana, ary nampiasa ny anaran’i Jehovah. Tsy olona efa niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy i Kornelio, matoa i Petera nilaza hoe tsy mety aminy ny mifandray amin’ny olona “hafa firenena.” Milaza mantsy ny Lalàna fa tokony hoentin’ny Jiosy tsara izay vahiny nonina teo amin’izy ireo. (Le 19:33, 34; As 10:28) Raha olona efa niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy koa i Kornelio, dia tsy ho “gaga” ireo Jiosy enina niaraka tamin’i Petera rehefa nahita ny fanahy masina nilatsaka “tamin’ny hafa firenena.” (As 10:45; 11:12) Raha olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy koa izy, dia tsy ho nifanditra tamin’i Petera momba ny famorana ireo “mpomba ny famorana.”​—As 11:2.

I Kornelio no voalohany tamin’ireo olona hafa firenena tsy voafora, izay lasa Kristianina. Nanomboka teo àry dia tsy voatery hanaraka ny Fivavahana Jiosy, toa an’ilay tandapa etiopianina, ny olona hafa firenena vao azo nekena ho anisan’ny fiangonana kristianina. Hoy i Petera tamin’io fotoana manan-tantara io: “Hitako marina izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (As 10:34, 35) Tamin’ny Pentekosta i Petera no nanokatra voalohany Ny Lalana ho an’ny Jiosy, ary izy koa no voalohany nitory ny vaovao tsara momba ny famonjena tany amin’ny hafa firenena tsy voafora. Niaiky koa i Jakoba hoe io no fotoana “nanombohan’Andriamanitra” nihevitra ny “hafa firenena.”​—As 15:7, 14.