Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kosana-risataima

Kosana-risataima

(Kôsana-risatàima) [mety hidika hoe Kosita (Etiopianina) Manana Faharatsiana Roa Sosona].

Mpanjakan’i Mezopotamia. Efa nanompo azy valo taona ny Israelita no novonjen’i Otniela. Antsoina hoe “mpanjakan’i Syria” koa izy. (Mpts 3:7-11) Misy mihevitra fa anaran-toerana na faritra ilay hoe “risataima”, ary ny hafa indray nandika azy io hoe “Faharatsiana Roa Sosona.” Miara-tononina i “Kosana” sy Midianina ao amin’ny Habakoka 3:7. Voalaza anefa fa i Kosana-risataima Mpanjaka dia avy any Mezopotamia (heb.: ʼAram naharayim; ampit. Ge 24:10, izay milaza fa tanànan’i Nahora, any Syria, i Mezopotamia). Ny lisitra nataon’i Farao Ramsès III dia miresaka faritra iray any amin’ny ilany avaratr’i Syria, izay antsoina hoe Kosanaroma. Misy manam-pahaizana milaza fa mety ho tany io mpanjaka io no nitondra. I Kosana-risataima no nampijaly voalohany ny Israely tamin’ny andron’ny Mpitsara.