Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kota

Kota

Tanàna niavian’ireo olona nafindran’ny mpanjakan’i Asyria nankao amin’ireo tanànan’i Samaria, rehefa nataony sesitany ny Israelita tamin’ny 740 T.K. (2Mp 17:23, 24, 30) Novonoin’ny liona anefa ny sasany tamin’ireo mponina avy any Kota ireo sy ny avy any an-toeran-kafa. Niantso vonjy tamin’ny mpanjakan’i Asyria àry izy ireo, ka nandefasany mpisorona iray efa nipetraka tao amin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra. Tsy nankasitrahan’Andriamanitra hatry ny ela anefa ny fivavahana narahin’ireo Israelita tany. (1Mp 13:33, 34; 16:31-33) Tsy lasa tena mpanompon’i Jehovah àry ireo olona nampian’ilay mpisorona, ka “ny andriamaniny ihany no nivavahany.” Mbola nivavaka tamin’i Nergala andriamaniny ihany, ohatra, ny olona avy any Kota. Nifanambady tamin’ny ‘olona avy any Kota’ sy olona avy tamin’ny firenen-kafa ny Israelita sisa tavela tany Samaria. Nantsoina hoe “Samaritanina” àry ny taranak’izy ireo. Nilaza i Josèphe fa “nantsoin’ny Hebreo hoe Shoteanina (Kotima) sy ny Grika hoe Samareitai (Samaritanina)” izy ireny. (Rakitry ny Ela Jiosy, IX, 290 [xiv, 3]) Nantsoina hoe “Kotima” izy ireny, satria toa ny avy any Kota no maro kokoa tamin’ireo nafindra voalohany tany.​—2Mp 17:24-41.

Ahitana ny anarana hoe Koto (Kota amin’ny teny akadianina) ireo takelaka misy fifanekena hita tany Tell Ibrahim (Imam Ibrahim), 50 km eo ho eo avaratratsinanan’i Babylona. Mihevitra àry ny ankamaroan’ny mpahay jeografia fa i Tell Ibrahim no ilay Kota resahin’ny Baiboly. Anisan’ny tanàna nalaza tao amin’ny Fanjakana Babylonianina i Kota, sady somary lehibe ihany. Porofon’izany ilay dongon-tany nisy azy io: 18 m eo ho eo ny haavony, ary mirefy 3 km ny manodidina azy. Toa hita eo koa ny toerana nisy ny tempoly iray fahiny natokana ho an’i Nergala. Milaza tokoa ny Baiboly fa mpivavaka nafana fo tamin’io andriamanitra io “ny avy any Kota.”​—2Mp 17:29, 30.