Kreta, Kretanina
Nosy lehibe fahadimy any amin’ny Ranomasina Mediterane i Kreta, ary Kretanina ny mponina any. Tokotokony ho 250 km ny lavan’ilay nosy, ary 13 km ka hatramin’ny 56 km ny sakany. Eo amin’ny farany atsimon’ny Ranomasina Égée, tokony ho 100 km any atsimoatsinanan’i Gresy no misy azy io. Lavalava kely ilay nosy, ka manaraka ny halavany ireo tendrombohitra, ary rakotra lanezy ny sasany mandritra ny volana vitsivitsy ao anatin’ny taona. Eo afovoan’i Kreta no misy ny Tendrombohitra Ida, izay 2456 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina ny haavony. Maro seranana tsara ny morontsiraka avaratra, fa vitsy ihany ny toerana azo atao seranana any atsimo. Mahitsy mantsy ny morontsiraka atsimo ary mijidina be ny tehezan’ny tendrombohitra eny amorony. Manamarina izany ny tantaran’ny dian’i Paoly tany Roma, izay horesahina eo aoriana kokoa.
Maro no manaiky hoe i Kreta ihany ilay “Kaftora” resahin’ny Soratra Hebreo. Avy any àry ireo Filistinina nonina tany Kanana. (Je 47:4; Am 9:7) Misy manam-pahaizana milaza fa mitovy ihany ny “Keretita” sy ny Kretanina. “Kretanina” fa tsy “Keretita”, ohatra, no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo ao amin’ny Ezekiela 25:15-17 sy Zefania 2:5-7. (Jereo KERETITA.) Raha i Kreta ihany àry no Kaftora, dia taranak’i Mizraima (antsoin’ny Baiboly koa hoe Ejipta) ny mponina tao amin’ilay nosy.—Ge 10:13, 14.
Marina fa tsy nitovy tamin’ny kolontsaina tany Mezopotamia sy tany Ejipta ny kolontsaina tany Kreta. Samy tia zavatra mirentirenty be anefa ny olona tany amin’ireo tany ireo. Nasongadin’ny fivavahana kretanina izay rehetra momba ny
vehivavy, ary tena nohindrahindrain’izy ireo ny andriamanibavy reny. Nisy bibilava foana ny sarin’ny andriamanibavin’izy ireo, ka na ilay izy teny an-tanany na nihodidina ny vatany, toy ny fahita any amin’ireo fivavahana nanompo andriamanitry ny fahavokarana. Fahita amin’ny fivavahan’izy ireo ny andriamanitra lahy, izay vitsy ihany, ary mety ho zanak’ilay andriamanibavy. Nisy lakroa vita tamin’ny marbra hita tany Knôsôsy, ary toa sary nanehoana ny firaisana ilay izy. Nihananjavona ilay kolontsaina fahiny tao Kreta tamin’ny taona 1100 T.K. tany ho any. Lasa teo ambany fahefan’ny Grika i Kreta, taorian’ny taona 1000 T.K. Tamin’ny taona 200 T.K. tany ho any, dia lasa fieren’ireo jiolahy mpanafika sambo nivezivezy teny amin’ny Ranomasina Mediterane ilay nosy. Resin’i Pompée i Kreta tamin’ny 67 T.K., ka nakambany ho faritany romanina iray ihany niaraka tamin’i Kyrena, tany Afrika Avaratra.Ny fitorian’i Paoly tany. Nisy olona avy tany Kreta (Jiosy na Kretanina niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy) tonga tany Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33. (As 2:5, 11) Izany angamba no nampisy ny Fivavahana Kristianina tany Kreta.
Nandalo an’i Kreta ny sambo nitondra ny apostoly Paoly, tamin’izy hotsaraina tany Roma, tamin’ny faramparan’ny taona 58 (Septambra-Oktobra). Olona 276 no tao amin’io sambo nitondra varimbazaha avy tany Aleksandria io. ‘Nanaraka ny morony tsy azon-drivotra tamin’i Kreta’ ilay sambo, izany hoe tany amin’ny morontsiraka atsimo, ka voaro tamin’ny tafio-drivotra nitsoka nianavaratrandrefana. Rehefa avy tao Salmona teo amin’ny morontsiraka atsinanan’i Kreta ilay sambo, dia nanohy ny diany miadana niankandrefana ary tonga tao amin’ny Seranana Kanto, izay helodranomasina kely azo niantsonana. Eo no manomboka mivily mianavaratra ny morontsirak’i Kreta. Avy teo izy ireo no niezaka nanohy ny diany nianavaratra ho any Foiniksa, seranana hafa iray tao Kreta, tany amin’ny 65 km teo ho eo. Nifanohitra tamin’izany anefa ny tenin’i Paoly. Nihodidina teo amin’ny Tanjona Lithinos (Matala) àry ilay sambo, ka “nanara-morona an’i Kreta.” Namely azy io tampoka anefa ny rivo-mahery avy any atsinanana avaratratsinanana, avy any amin’ireo tendrombohitra. Nopaohin’ny rivotra ilay sambo, ka tsy nahatohitra. Navelan’ireo tantsambo hatosiky ny rivotra fotsiny àry izy io, ka nolalovany fotsiny ny nosy Kaoda, tokony ho 65 km avy eo amin’ny Seranana Kanto.—As 27:6-16, 37, 38.
Voaporofo fa nitory tany Kreta i Paoly, taorian’ny roa taona nigadrany tany Roma, tamin’ny faramparan’ny fanompoany. Rehefa handeha izy, dia nasainy nijanona tao Kreta i Titosy mba hanitsy ny zavatra tsy nety teo anivon’ireo fiangonana tany, ka hanendry anti-panahy “isan-tanàna.” (Tit 1:5) Niresaka momba ny olana teo anivon’ny fiangonana i Paoly, tao amin’ny taratasiny ho an’i Titosy, ka nindrana ny tenin’ny mpaminany kretanina toy izao izy: “Mpandainga foana ny Kretanina, bibidia masiaka sady kamo be tenda.” (Tit 1:10-12) Voalaza fa i Epimenida, velona tamin’ny taonjato fahenina T.K., io poety kretanina io. Mitovy amin’izany koa ny fiheveran’ny Grika ny Kretanina fahiny, satria tamin’ny Grika dia midika hoe mpandainga ny hoe Kretanina.