Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kristianina

Kristianina

Avy amin’ny teny grika hoe Kristianôs nosoratana amin’ny litera latinina. Intelo monja io teny io no hita ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, ary ilazana ny mpianatr’i Kristy Jesosy sy mpanaraka ny Fivavahana Kristianina.​—As 11:26; 26:28; 1Pe 4:16.

“Tany Antiokia [Syria] no niantsoana voalohany ny mpianatra hoe Kristianina, noho ny fitondran’Andriamanitra.” (As 11:26) Mety ho efa nampiasaina àry ilay anarana hoe “Kristianina” tamin’ny taona 44 (fotoana nitrangan’ireo zavatra resahin’io andininy io), na dia tsy voatery ho izany aza raha jerena ny firafitr’io fehezanteny io, amin’ny teny grika. Misy indray milaza fa taoriana kelin’io taona io vao nampiasaina ilay izy. Efa fanta-bahoaka sy nampiasain’ny manam-pahefana tany Kaisaria anefa ilay anarana tamin’ny taona 58 tany ho any, satria hoy i Heroda Agripa II tamin’i Paoly: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.”​—As 26:28.

Ireto avy no niantsoan’ireo mpanoratra Baiboly ny mpiray finoana taminy na mpanara-dia an’i Kristy: “Ireo nino ny Tompo”, “rahalahy”, “mpianatra” (As 5:14; 6:3; 15:10), ‘olom-boafidy’, “olona tsy mivadika” (Kl 3:12; 1Ti 4:12), “mpanompon’Andriamanitra”, “mpanompon’i Kristy Jesosy” (Ro 6:22; Fi 1:1), ‘olona masina’, “fiangonan’Andriamanitra”, ary “ireo miantso ny Tompo.” (As 9:13; 20:28; 1Ko 1:2; 2Ti 2:22) Teo anivon’ny fiangonana no tena nampiasana an’ireo teny ireo. Ny olon-kafa kosa niantso ny Fivavahana Kristianina hoe “Ny Lalana” (As 9:2; 19:9, 23; 22:4), ary ny mpanohitra nanao hoe “ilay sektan’ny Nazareanina” na “io sekta io.”​—As 24:5; 28:22.

Tany Antiokia any Syria no voalohany niantsoana ny mpanara-dia an’i Kristy hoe Kristianina. Tsy ny Jiosy no voalohany niantso an’ireo mpianatr’i Jesosy hoe “Kristianina” (gr.) na “Mesianista” (heb.), satria izy ireo aza tsy nino an’i Jesosy ho Mesia na Kristy. Ho nanaiky an-kolaka an’i Jesosy ho ilay Voahosotra na Kristy mantsy izy ireo, raha niantso an’ireo mpianatra hoe “Kristianina.” Misy indray milaza fa anaram-bosotra napetaky ny mpanompo sampy ilay hoe “Kristianina”, ho fanambaniana na fanesoana azy ireo. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘noho ny fitondran’Andriamanitra no niantsoana an’ireo mpianatra hoe Kristianina.’​—As 11:26.

Adika fotsiny hoe “niantsoana” ilay matoanteny grika hoe krematizô ao amin’io andininy io, ao amin’ny ankamaroan’ny Baiboly. Misy Baiboly anefa manasongadina fa avy amin’Andriamanitra ilay anarana hoe “Kristianina.” Anisan’izany ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny Fandikana Ara-bakiteny Nataon’i Young ary Ny Baiboly Amin’ny Teny Anglisy Tsotra. Hoy ilay Baiboly nataon’i Young: ‘Tany Antiokia no voalohany niantsoan’Andriamanitra ny mpianatra hoe Kristianina.’

Misy ifandraisany foana amin’ny hery miafina, hafatra avy amin’ny fanahy, na fanambaran’Andriamanitra, ilay hoe krematizô ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Toy izao no anazavan’i Strong azy io ao amin’ny Fizahana ny Teny Rehetra ao Amin’ny Baiboly, ao amin’ilay diksionera amin’ny teny grika (1890, p. 78): “Mampita hafatra avy amin’ny fanahy ... izany hoe avy amin’Andriamanitra.” Hoy kosa ny Rakibolana Grika-Anglisy (nataon’i Edward Robinson, 1885, p. 786): “Valin-teny avy amin’Andriamanitra, hafatra avy amin’ny fanahy, fanambarana, mamaly, mampita hafatra avy amin’ny fanahy, milaza ny fampitandreman’Andriamanitra.” Ny Diksioneran’ny Testamenta Vaovao Grika-Anglisy (nataon’i Thayer, 1889, p. 671) indray manao hoe: “Milaza ny didin’Andriamanitra na ny fananarany, mampianatra avy any an-danitra ... nodidian’Andriamanitra, nanariny, nampianariny ... mampita ny fanambarana avy amin’Andriamanitra, manambara ny didiny.” Hoy i Thomas Scott ao amin’ilay hoe Fanazavana Fohy (1832, Boky III, p. 419) momba ny Asan’ny Apostoly 11:26: “Fanambarana avy amin’Andriamanitra no nahatonga an’ilay izy rehefa jerena ny hevitr’io teny io. Izany mantsy matetika no heviny ao amin’ny Testamenta Vaovao, ka nadika hoe ‘nampitandreman’Andriamanitra’ izy io indraindray, na dia tsy misy hoe ANDRIAMANITRA aza ao amin’ilay teny grika.” Hoy koa ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Clarke: “Ilay teny [krematisai] izay adikantsika hoe nantsoina, dia midika hoe manendry, mampitandrina, manolotra, noho ny fitarihan’Andriamanitra, ao amin’ny Testamenta Vaovao. Izany no heviny ao amin’ny Mat. 2:12 ... Raha Andriamanitra no nanendry [na nifidy] an’ilay anarana, dia azo inoana fa i Saoly sy Barnabasy no nasaina nampita azy io; avy amin’Andriamanitra àry ilay anarana hoe Kristianina.”​—Jereo Mt 2:12, 22; Lk 2:26; As 10:22; He 8:5; 11:7; 12:25, izay samy ahitana an’io matoanteny grika io.

Mpampakatra, Loha, ary Vadin’ny voahosotra no iantsoana an’i Jesosy Kristy. (2Ko 11:2; Ef 5:23) Faly àry ny “ampakarina” na ny voahosotra fa nitondra anarana nampahafantatra hoe an’i Kristy izy ireo, tsy misy hafa amin’ny vehivavy faly mitondra ny anaram-badiny. Ny anarana nentin’izy ireo sy ny fitoriana nataony no tonga dia nahitan’ny olona fa tsy nitovy tamin’ireo mpanaraka ny Fivavahana Jiosy ireo Kristianina voalohany ireo. Nihamaro izy ireo ary tsy navahana intsony ny Jiosy sy ny Grika, fa i Jesosy Kristy no Lohan’izy rehetra sady Mpitarika azy.​—Ga 3:26-28; Kl 3:11.

Ny atao hoe Kristianina. Hoy i Jesosy: “Raha misy te hanaraka ahy, aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva.” (Mt 16:24) Mino tanteraka ny tena Kristianina fa i Jesosy Kristy no Voahosotr’Andriamanitra, Zanany lahitokana, ilay Taranaka Nampanantenaina nanome ny ainy ho vidim-panavotana, natsangana tamin’ny maty sy nasandratra ho eo ankavanan’i Jehovah, ary nomena fahefana handresy ny fahavalony sy hanamarina ny zon’i Jehovah hitondra. (Mt 20:28; Lk 24:46; Jn 3:16; Ga 3:16; Fi 2:9-11; He 10:12, 13) Mino koa izy ireo fa Tenin’Andriamanitra azo avy amin’ny herin’ny fanahy masina ny Baiboly. Izy io no tena fahamarinana, ary mahasoa mba hampianarana sy hanafaizana.​—Jn 17:17; 2Ti 3:16; 2Pe 1:21.

Tsy ampy fotsiny anefa ny milaza hoe mino, fa mila aseho amin’ny atao koa ny finoana. (Ro 10:10; Jk 2:17, 26) Mila mibebaka, miova, manokan-tena ho an’i Jehovah mba hanompo azy, ary atao batisa ao anaty rano ny olona iray lasa Kristianina, satria mpanota. (Mt 28:19; As 2:38; 3:19) Tsy tokony hijangajanga na hanompo sampy na hihinan-dra izy. (As 15:20, 29) Esoriny ny toetra taloha, toy ny fipoahan’ny fahatezerana, resaka vetaveta, lainga, halatra, fimamoana, sy “ny toy ireo”, ary ampihariny eo amin’ny fiainany ny toro lalan’ny Baiboly. (Ga 5:19-21; 1Ko 6:9-11; Ef 4:17-24; Kl 3:5-10) Hoy i Petera: ‘Aoka tsy hisy aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona.’ (1Pe 4:15) Tokony ho tsara fanahy, hiahy ny hafa, halemy fanahy, hahari-po, ho be fitiavana, ary hifehy tena ny Kristianina. (Ga 5:22, 23; Kl 3:12-14) Manome izay ilain’ny ankohonany izy ary tia ny namany tahaka ny tenany. (1Ti 5:8; Ga 6:10; Mt 22:36-40; Ro 13:8-10) Ny fifankatiavana lalina no amantarana ny tena Kristianina. Hoy i Jesosy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.”​—Jn 13:34, 35; 15:12, 13.

Manahaka an’i Jesosy Mpampianatra Lehibe sy Vavolombelon’i Jehovah Mendri-pitokisana ary Mpitarika azy ny tena Kristianina. (Jn 18:37; Ap 1:5; 3:14) Nandidy azy ireo izy hoe: “Mandehana ... ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.” (Mt 28:19, 20) Mitory “ampahibemaso sy isan-trano” àry izy ireo, ka mampirisika ny olona hiala amin’i Babylona Lehibe sy hanantena ny Fanjakan’Andriamanitra. (As 5:42; 20:20, 21; Ap 18:2-4) Vaovao tsara tokoa no toriny nefa enjehina mafy sy ampijalina toa an’i Jesosy Kristy izy ireo. Tsy mihoatra noho i Jesosy ny mpianany, fa efa ampy raha tahaka azy ihany. (Mt 10:24, 25; 16:21; 24:9; Jn 15:20; 2Ti 3:12; 1Pe 2:21) Hoy i Petera: “Raha misy mijaly satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra amin’izany anarana izany.” (1Pe 4:16) Omen’ny Kristianina an’i “Kaisara” na manam-pahefana izay tokony ho azy ireo: Voninahitra, haja, ary hetra. Tsy midikiditra amin’ny raharahan’ity tontolo ity anefa izy (Mt 22:21; Jn 17:16; Ro 13:1-7), ka halan’izy io.​—Jn 15:19; 18:36; 1Pe 4:3, 4; Jk 4:4; 1Jn 2:15-17.

Tena tsara fitondran-tena sy tsy nivadika ny Kristianina, ary nafana fo sy tsy niolakolaka rehefa nitory an’ilay hafatra mampientanentana, ka vetivety dia voamariky ny olona tamin’ny taonjato voalohany. Tsy ela, ohatra, dia nisy vokany ny fitorian’i Paoly tany Antiokia any Pisidia, Ikonioma, Lystra, Derbe, Perga tamin’ny diany misionera voalohany, ary tany Filipy, Tesalonika, Beria, Atena, ary Korinto tamin’ny diany nanaraka. Nandrisika ny olona hieritreritra mantsy ny hafatra notoriny, ka nila nanapa-kevitra izy ireo raha hanaiky ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra na tsia. (As 13:14–14:26; 16:11–18:17) An’arivony no nandao ny fivavahan-diso, ka niova ho Kristianina. Nazoto nitory toa an’i Kristy Jesosy sy ny apostoly koa izy ireo. Nanjary nankahalaina sy nenjehina àry izy ireo, noho ny fampirisihan’ny mpitondra fivavahana sy ny mpitondra fanjakana izay tsy nahalala ny tena zava-misy. Nampangaina ho nitaona olona hikomy i Jesosy Kristy mpitarika azy ireo sady Andrianan’ny Fiadanana, ka novonoina ho faty. Nampangaina ho ‘nanakorontana tanàna’ sy “ny tany onenana” koa ny Kristianina tia fihavanana, ary nolazaina fa ‘notoherin’ny olona hatraiza hatraiza.’ (As 16:20; 17:6; 28:22) Toa efa fantatra tsara tany “Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia, ary Bitynia” ny fitorian’ny Kristianina, tamin’i Petera nanoratra ny taratasiny voalohany (t. 62-64).​—1Pe 1:1.

Izay nolazain’ireo tsy Kristianina. Neken’ireo mpanoratra tamin’ny taonjato voalohany sy faharoa koa fa efa nisy Kristianina tao amin’ny tanin’izy ireo. Hoy i Tacite, Romanina mpahay tantara, teraka tamin’ny taona 55 tany ho any, rehefa avy nitantara fa niely be ny tsaho hoe i Néron no nandoro an’i Roma (taona 64): “Olona maromaro no nampangain’i Néron sy nosaziny tamin-kabibiana mba tsy hielezan’ilay tsaho intsony. Tsy iza izany fa ireo olona nankahalaina noho ny toetra ratsiny [araka ny fiheveran’ny Romanina azy] sy nantsoin’ny vahoaka hoe Kristianina ... Nosamborina aloha izay niaiky fa anisan’ilay sekta, ary avy eo nomelohina ny olon-kafa maro notondroiny [hoe Kristianina], tsy hoe noho izy ireny nandoro tanàna akory, fa noho izy ireny nankahala olona. Nohamavoina izy ireny rehefa novonoina: Nampitafiana hoditra bibidia izy ireny ka noviravirain’ny alika mandra-pahafatiny; na nofatorana tamin’ny lakroa ary nodorana mba hatao jiro amin’ny alina rehefa nihamaizina ny andro.” (Ny Tantara, XV, XLIV) Nitantara ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Néron koa i Suétone, Romanina mpahay tantara, teraka tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany. Hoy izy: “Nosazina ny Kristianina, izay noheverina fa ninonino foana zavatra vaovao sy mampidi-doza.”​—Ny Fiainan’ireo Kaisara (Néron, XVI, 2).

Nitantara ny zava-nitranga sasany teo amin’ny fiainan’i Jesosy i Flavius Josèphe. Hoy koa izy: “Mbola misy foana hatramin’izao [t. 93] ireo Kristianina, izay avy amin’ny [hoe Kristy].” (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 64 [iii, 3]). Nanoratra tamin’i Trajan Mpanjaka i Pline Zandriny, governoran’i Bitynia tamin’ny taona 111 na 112, satria nanahiran-tsaina azy ny Kristianina. Nanazava ny fomba nandaminany an’ilay olana izy sady nangataka torohevitra. Hoy izy: “Izaho mihitsy no nanontany azy ireo raha Kristianina izy ireo.” Nosazina izay niaiky. Nisy koa anefa “nilaza hoe tsy Kristianina izy ireo sady tsy Kristianina mihitsy hatramin’izay.” Nanolotra sorona ho an’ny sampy izy ireo rehefa nosedraina, sady “naniratsira ny anaran’i Kristy. Tsy inoako anefa hoe hisy tena Kristianina hanaiky hanao izany.” Nidera an’i Pline i Trajan rehefa namaly an’ilay taratasy. Hoy izy: “Mety ny nataonao ... nanadihady an’ireo olona nampangaina ho Kristianina.”​—Ireo Taratasy Nosoratan’i Pline, X, XCVI, 3, 5; XCVII, 1.

Tsy nanana tempoly na alitara ny Kristianina voalohany, tsy nampiasa lakroa, ary tsy nanakarama mpitondra fivavahana nanao akanjo manokana sy nomena anaram-boninahitra. Tsy nankalaza fety koa izy ireo ary tsy nanaiky hanao miaramila. ‘Hita tamin’ny fanazavana rehetra momba ny Kristianina fa tsy nisy tamin’izy ireo nanao miaramila, hatramin’ny andron’i Marc Aurèle [nanjaka tamin’ny 161-180]; ary tsy nisy miaramila mbola nijanona ho miaramila, rehefa lasa Kristianina.’​—Ny Fandrosoan’ny Fivavahana Kristianina, nataon’i E. Barnes, 1947, p. 333.

Nisy nanaiky lembenana ihany anefa ireo nihambo ho Kristianina, araka ny nosoratan’i Pline. Mbola tsy maty mantsy ny apostoly dia efa nisy ny fivadiham-pinoana, araka ny efa voalaza mialoha. (As 20:29, 30; 2Pe 2:1-3; 1Jn 2:18, 19, 22) Tsy ampy 300 taona akory taorian’izay, dia saron’ny tsimparifary na antikristy nivadi-pinoana ny vary na ny tena Kristianina, ka lasa nisy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina noho ny fitaoman’i Constantin Lehibe, mpanjaka ratsy fanahy (izay voalaza fa namono ny havany sy ny namany akaiky fito, fara fahakeliny).