Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kristy

Kristy

Anaram-boninahitra avy amin’ny teny grika hoe Kristôs, izay mifanitsy amin’ny teny hebreo hoe Mashiah, midika hoe “Mesia, Voahosotra.” (Ampit. Mt 2:4.) Misy olon-kafa koa antsoina hoe “Kristy.” Ny an’i Jesosy Tompo anefa anaram-boninahitra manokana mihitsy.​—Jereo JESOSY KRISTY; MESIA.

Efa nambara ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesosy fa ho avy i Kristy. Hanosotra azy amin’ny fanahiny i Jehovah ka ho lasa Mesia Mpanjaka izy. (Da 9:25, 26) Mbola tsy Voahosotra na Kristy anefa i Jesosy tamin’izy teraka. Hoy mantsy ilay anjely niresaka tamin’i Josefa momba ny hahaterahany: “Ataovy hoe Jesosy ny anarany.” (Mt 1:21) Izao anefa no nolazain’ny anjely tamin’ireo mpiandry ondry tany akaikin’i Betlehema, momba ny anjara asan’i Jesosy amin’ny hoavy: “Mpamonjy no teraka ho anareo androany ..., dia i Kristy Tompo”, izany hoe “ilay ho lasa Kristy Tompo.”​—Lk 2:11.

Rehefa ilay anarany hoe Jesosy no mialoha an’ilay anaram-boninahitra hoe Kristy, dia ny tenany no tiana hasongadina amin’izany ary izy ilay lasa Voahosotr’i Jehovah. Voahosotra izy tamin’izy 30 taona teo ho eo, rehefa avy natao batisa tao anaty rano, ary nohosoran’i Jehovah ny fanahiny, izay nidina toy ny voromailala nankeo amboniny. (Mt 3:13-17) Nanasongadina izany i Petera, tamin’ny Pentekosta. Hoy izy: ‘Nataon’Andriamanitra ho Tompo sy Kristy iny Jesosy iny.’ Tsaroany angamba i Jesosy nampiasa voalohany an’ilay anarana hoe “Jesosy Kristy.” (As 2:36-38; Jn 17:3) Hita koa io anarana io ao amin’ny andininy voalohany amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Mt 1:1.

Rehefa hoe “Kristy Jesosy” kosa no iantsoana an’i Jesosy ka ilay anaram-boninahitra no mialoha an’ilay anarana, dia ny toerana tanany no asongadina vao ny tenany. Toerana manokana tokoa no tanany satria izy ilay Voahosotr’i Jehovah. Tsy iombonany amin’ireo mpanara-dia azy izany, na dia voahosotra koa aza izy ireo. Ilay Zanaka malalan’i Jehovah irery no antsoina hoe “Kristy Jesosy.” Nampiasa an’io anarana io i Paoly tao amin’ny taratasiny voalohany. (1Te 2:14) Nampiasa azy io indray mandeha koa i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 24:24 (TV; Prot.), tamin’izy nitantara ny fitorian’i Paoly.

Manasongadina ny toerana tanan’i Jesosy koa indraindray ny fampiasana mpanoritra voafaritra miaraka amin’ilay anaram-boninahitra amin’ny teny grika (hô Kristôs). (Mt 16:16; Mr 14:61) Ny firafitr’ilay fehezanteny anefa no mety hahafantarana raha misy mpanoritra ilay izy na tsia. Hoy mantsy i W. Vine: “Matetika no misy mpanoritra ilay anaram-boninahitra [Kristy], rehefa mitana ny anjara asan’ny lazaina izy io. Tsy misy kosa izy io rehefa enti-milaza sy fameno.”​—Diksionerani Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao, 1981, Boky 1, p. 190.

Tsy misy anaram-boninahitra maromaro eo aloha na aorian’ny hoe Jesosy, ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany. Tsy hita ao, ohatra, ny hoe Jesosy Kristy Tompo na Jesosy Kristy Mpanjaka. Raha misy anaram-boninahitra iray alohan’ilay hoe Jesosy, dia aorian’izy io indray vao misy anaram-boninahitra hafa. Ahitana hoe “Jesosy Kristy Mpamonjy antsika” ao amin’ny Titosy 3:6. Misy mpanoritra voafaritra anefa eo anelanelan’ny “Kristy” sy “Mpamonjy” ao amin’ny soratra grika tany am-boalohany, mba hahafantarana hoe iza ilay Mpamonjy.​—Ampit. Tit 1:4.

Maningana ilay hoe “Kristy” ao amin’ny Hebreo 11:26 (Prot.), satria i Mosesy fa tsy i Jesosy no nomen’i Paoly an’io anaram-boninahitra io. Hoy izy: “Nanao ny fanaratsiana an’i Kristy [Kristo, “Voahosotra”] ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta [i Mosesy], satria nijery ny famalian-tsoa izy.” Tsy nohosorana menaka mihitsy anefa i Mosesy, tsy mba toa an’ireo mpisoronabe sy mpanjakan’ny Israely. (Ek 30:22-30; Le 8:12; 1Sa 10:1; 16:13) Tsy nohosorana menaka koa i Jesosy sy ireo mpianany, nefa lazain’ny Baiboly hoe voahosotra. (As 10:38; 2Ko 1:21) Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny fanahy masina kosa izy ireo, ka voatendriny na nirahiny. Nahazo fanendrena manokana koa i Mosesy. Afaka nilaza àry i Paoly fa Kristy na voahosotr’i Jehovah izy. Nahazo fanendrena mantsy izy teo amin’ilay voaroy nirehitra, ary taminy dia harena lehibe noho ny zava-tsarobidin’i Ejipta izany.​—Ek 3:2–4:17.

Ampiasaina koa ny hoe “Kristy” ao amin’ireo andininy miresaka momba ny fifandraisan’ny fiangonana amin’i Jesosy Kristy Tompo. Hoy i Paoly: “Vatan’i Kristy ianareo, ary rantsambatana [an’ohatra] ny tsirairay avy aminareo.” (1Ko 12:27) Ireo “natao batisa ho amin’i Kristy Jesosy, dia natao batisa ho amin’ny fahafatesany”, ary manantena ny ho “mpiara-mandova amin’i Kristy” ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. (Ro 6:3-5; 8:17) “Miombom-pijaliana amin’i Kristy” izy ireo, satria “tevatevaina noho ny anaran’i Kristy.” (1Pe 4:13, 14; 5:1) Voalaza imbetsaka hoe “tafaray amin’i Kristy” na “ao amin’i Kristy” izy ireo, ary hoe ‘i Kristy tafaray aminy.’ Resahina koa hoe inona no hevitr’izany ho azy ireo. (Ro 8:1, 2; 16:10; 1Ko 15:18; 1Te 4:16; Kl 1:27) Lazaina fa “zaza bodo ao amin’i Kristy” ny sasany aminy izay tsy matanjaka ara-panahy. (1Ko 3:1) Hangonina indray “ao amin’i Kristy” ny zava-drehetra any an-danitra sy eto an-tany, amin’ny farany.​—Ef 1:10.

Kristy sandoka. Nampitandrina toy izao i Kristy, tamin’izy naminany momba ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity: “Mitandrema sao hisy hamitaka anareo. Maro no ho tonga amin’ny anarako, hilaza hoe: ‘Izaho no Kristy’, ka maro no ho voafitany. Fa hisy Kristy sandoka [gr.: pseodôkristôi] sy mpaminany sandoka hitsangana ka hanao famantarana lehibe sy fahagagana mba hamitahana hatramin’ny olom-boafidy aza, raha azony atao.” (Mt 24:4, 5, 24) Anisan’ireo antikristôs (“antikristy” amin’ny teny grika) ireny olona ratsy fanahy mihambo ho Jesosy Kristy Tompo ireny. Indimy ny apostoly Jaona no niresaka momba ny antikristy.​—1Jn 2:18, 22; 4:3; 2Jn 7; jereo ANTIKRISTY.

Olon-kafa nantsoina hoe “Kristy.” Miverina in-40 mahery ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo (Soratra Hebreo nadika tamin’ny teny grika) ny hoe kristôs, ka matetika izy io no anaram-boninahitra omena mpisorona, mpanjaka, na mpaminany voahosotra. “Voahosotra” i Arona mpisoronabe, satria nirahina sy ‘notendrena hanompo an’Andriamanitra sy hahasoa ny olona.’ (Le 4:3, 5, 16; 8:12; He 5:1) Nomelohin’i Jehovah ny ankohonan’i Ely. Nampanantena koa anefa izy fa hanendry mpisorona mendri-pitokisana izay ho mpisorona mandrakariva ho an’ny voahosony (kristôs).​—1Sa 2:35.

Nomena an’ilay anaram-boninahitra koa ireo mpanjaka notendren’i Jehovah. Kristôs àry no nilazan’i Samoela an’i Saoly, ao amin’ny 1 Samoela 12:3, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Hoy koa i Davida: “Sanatria ahy ny haninjitra ny tanako hamely [an’i Saoly] voahosotr’i [LXX, kristôn] Jehovah.” (1Sa 26:11) Tsy navelan’i Davida hikasi-tanana an’i Saoly àry i Abisay zanak’anabaviny. (1Sa 26:8, 9) Nasainy novonoina koa ilay Amalekita nihambo ho namono an’i Saoly izay “voahosotr’i [LXX, kristôn] Jehovah.” (2Sa 1:13-16) Nomena an’io anaram-boninahitra io i Davida rehefa notendrena ho mpanjaka. Nilaza àry izy fa ‘voahosotr’i [LXX, kristôi]’ Jehovah ny tenany. (1Sa 16:12, 13; 2Sa 22:51) Nolazaina koa hoe “ilay voahosotr’i [kristôs] Jehovah” i Zedekia Mpanjaka taranak’i Davida.​—Ft 4:20.

Voahosotr’i Jehovah koa ny mpaminany. (Sl 105:15) Nodidian’i Jehovah toy izao, ohatra, i Elia mpaminany: ‘Hosory ho mpaminany handimby anao i Elisa.’ Tsy resahin’ny Baiboly anefa ny mombamomba an’ilay fanosorana an’i Elisa.​—1Mp 19:16.

Misy faminaniana ahitana ny hoe kristôs, ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Miverina impolo, ohatra, izy io ao amin’ny Salamo. Tena mahaliana ilay faminaniana momba an’ireo firenena mikorontana sy ireo mpanjakan’ny tany mivondrona “hanohitra an’i Jehovah sy ilay voahosony.” (Sl 2:1, 2) Namerina an’io faminaniana io ireo apostoly, ary nilaza fa i ‘Jesosy mpanompo masina ilay voahosotr’i Jehovah.’ (As 4:24-27) Mahavariana fa antsoina hoe kristôs koa i Kyrosy, mpanjaka persianina. Hoy ny faminaniana iray, ela be talohan’ny nahaterahany: “Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ilay voahosony [LXX, kristôi], dia i Kyrosy, izay notantanako tamin’ny tanany ankavanana.” (Is 45:1-3) Tsy nohosorana menaka mihitsy i Kyrosy, tsy mba toa an’ireo mpanjakan’ny Israely. Nantsoina hoe “voahosotra” anefa izy, satria voatendrin’Andriamanitra sy nirahiny, toy ny voahosotra hafa ihany.​—Jereo VOAHOSOTRA, FANOSORANA.