Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kyrena

Kyrena

(Kyrèna), Kyrenianina (Kyreniànina).

Renivohitry ny faritr’i Kyrenaika fahiny. Teo amin’ny morontsiraka avaratr’i Afrika no nisy an’i Kyrenaika, mifanatrika amin’ny nosy Kreta. Any amin’ny 16 km eo ho eo miala ny morontsiraka no misy azy io, eo amin’ny lembalemba 550 m ambonin’ny haabon’ny Ranomasina Mediterane. Tanàna rava sisa ilay Kyrena fahiny, eo akaikin’i Shahhat ankehitriny (Cirène taloha) any Libya.

Toa Grika no nonina tao Kyrena tamin’ny taonjato fahafito T.K., ary io no zanatanin’izy ireo lehibe indrindra. Teo ambany fitondran’ny Romanina izy io tamin’ny 96 T.K., ary nakambana ho faritany iray ny faritr’i Kyrenaika sy ny nosy Kreta, tamin’ny 67 T.K.

Noterena hanampy hilanja ny hazo fijalian’i Jesosy i Simona, izay voalaza fa “teratany” avy any Kyrena (angamba Jiosy nanaraka ny kolontsaina grika izy). (Mt 27:32; Mr 15:21; Lk 23:26) Tany Kyrena angamba i Simona no teraka, fa tany Palestina izy no nipetraka. Miresaka momba an’ireo “Kyrenianina” niady hevitra tamin’i Stefana ny Asan’ny Apostoly 6:9. Manam-pahaizana maro no mino fa betsaka ihany ny Jiosy avy tany Kyrena nonina tany Palestina, ka nanana ny synagogany manokana tao Jerosalema izy ireo.

Mety ho anisan’ireo hafa firenena tonga nankalaza Paska tao Jerosalema koa anefa i Simona “teratany avy any Kyrena.” Maro be koa ny ‘olona natahotra an’Andriamanitra avy tamin’ny firenena rehetra’, tonga nanatrika ny Pentekosta, fety jiosy, 51 andro tatỳ aoriana. Nisy tamin’ireny avy tany amin’ny “faritr’i Libya, izay akaikin’i Kyrena.” (As 2:5, 10, 41) Azo inoana fa nisy tamin’izy ireo anisan’ireo “olona tokony ho telo arivo” natao batisa, taorian’ny nilatsahan’ny fanahy masina sy ny lahateny nataon’i Petera. Mety ho nitondra ny fampianarana kristianina tany amin’ny tany niaviany avy izy ireo rehefa nody.

Fivavahana Kristianina. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana (efa lasa Kristianina i Kornelio tamin’izay), dia nisy Kyrenianina tonga tany Antiokia, any Syria, mba hanampy tamin’ny fitoriana “ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompo.” Izy ireo no anisan’ny nitory voalohany tamin’ireo nantsoina hoe Hellenistas ao amin’ny ankamaroan’ny soratra grika. (As 11:20) Nadika hoe “Jiosy miteny grika” (TV) ny hoe Hellenistas ao amin’ny Asan’ny Apostoly 6:1. Misy mihevitra àry fa Jiosy na olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, izay niteny grika, ireo nitoriana tany Antiokia any Syria ireo. Tsara homarihina fa efa tamin’ny Pentekosta taona 33, no nanomboka nitoriana ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, izay samy niteny grika. Toa zava-baovao sy tsy mahazatra anefa io fiovan’ny olona maro be lasa Kristianina tany Antiokia io, satria nirahina tany mihitsy i Barnabasy mba hanadihady sy hampandroso ny asa tany. (As 11:22, 23) Tena hafa io fomba fanaovana mpianatra io satria noresahina mitokana ny asa nataon’ny Kyrenianina sy ireo niaraka taminy, fa tsy nampiarahina tamin’ny asan’ireo nankany Antiokia mba tsy hitory “afa-tsy tamin’ny Jiosy” ihany. (As 11:19, 20) Ankoatra izany, dia tsy Hellenistas no ampiasain’ny ankamaroan’ny sora-tanana grika marina tsara, fa ilay teny grika hoe Hellenas (midika hoe “Grika”; jereo As 16:3). Izany no antony nandikan’ny ankamaroan’ny Baiboly ankehitriny an’io teny io hoe “Grika” (DIEM, JM, Kat.) na “jentilisa” (Prot.), mba hilazana fa tsy avy tamin’ny fivavahana Jiosy mihitsy ireo olona lasa Kristianina tany Antiokia izay nitorian’ny Kyrenianina. Misy manam-pahaizana anefa milaza fa mety ho Jiosy sy hafa firenena izay samy nahay teny grika ireo tany Antiokia ireo. Izay no mahatonga azy ireo hampiasa an’ilay teny hoe “olona miteny grika.” (TV) Voalaza fa i “Losio avy any Kyrena” dia anisan’ny mpampianatra sy mpaminany teo anivon’io fiangonana tany Antiokia io, tamin’i Paoly nanomboka ny dia misionera voalohany nataony (t. 47).​—As 11:20; 13:1.