Kyrenio
(Kyrenio).
Governora romanina tany Syria tamin’ny fotoana nandidian’i Aogosto Kaisara ny “hanoratana ny anaran’ny mponina.” Io didy io no nahatonga an’i Jesosy ho teraka tany Betlehema. (Lk 2:1, 2) Publius Sulpicius Quirinius no tena anarany.
Misy ny lisitr’ireo Romanina tompon’andraiki-panjakana ambony, ao amin’ilay hoe Mpitantara ny Zava-nitranga Tamin’ny Taona 354. Hita ao ny anaran’i Kyrenio sy Messala, eo amin’ilay hoe taona 12 T.K. (Chronica Minora, nataon’i T. Mommsen, Munich, 1981, Boky I, p. 56) Niresadresaka kely momba an’i Kyrenio i Tacite, Romanina mpahay tantara. Hoy izy: “Avy ao amin’ny tanànan’i Lanuvium [izy]. Tsy nahafantapantatra olona ambony izy kanefa miaramila nahery fo sady nazoto niasa, ka lasa tompon’andraiki-panjakana ambony tamin’ny andron’i Aogosto, izay nasandratra ho andriamanitra. Nahazo mari-boninahitra izy taoriana kelin’izay, rehefa naharesy an’ireo tanàna voaro mafin’ny mponin’i Homonade, akaikin’ny sisin-tanin’i Kilikia ... Mpanolo-tsain’i Caius Kaisara izy tamin’i Caius nanafika an’i Armenia.” (Ny Tantara, III, XLVIII) Maty izy tamin’ny 21 A.K.
Tsy noresahin’i Tacite hoe governoran’i Syria i Kyrenio. I Josèphe, Jiosy mpahay tantara, no nilaza fa voatendry ho governoran’i Syria i Kyrenio, tamin’ny fotoana nanendrena an’ilay Romanina atao hoe Coponius ho mpitondra an’i Jodia. Hoy izy: “Tonga tany Syria i Kyrenio, senatera romanina. Mpitsara izy no nisondrotra tsikelikely, ka lasa tompon’andraiki-panjakana ambony rehefa avy nandalo ny ambaratonga rehetra. Lehilahy tena niavaka tamin’ny lafiny hafa koa izy. Nirahin’i Kaisara izy mba ho governoran’ilay firenena sy hanombana ny fananan’izy ireo. Nampiarahina taminy ilay manamboninahitra atao hoe Coponius, izay nomena fahefana feno hifehy an’ireo Jiosy.” Nilaza koa i Josèphe fa tonga tany Jodia i Kyrenio. Anisan’ny faritra nofehezin’i Kyrenio izy io ary nodidiany hisoratra anarana, hono, ny olona tany mba hitakiana hetra tamin’izy ireo. Tsy nahafaly ny maro izany, ka nikomy ireo olona notarihin’i “Jodasy Golanita” nefa tsy nahomby. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 1, 2, 3, 4 [i, 1]) Azo inoana fa io ilay fikomiana noresahin’i Lioka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:37. Nilaza i Josèphe fa “37 taona taorian’ny nandresen’i Kaisara an’i Antoine tany Aktioma” no nitrangan’izany. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 26 [ii, 1]) Midika izany fa tamin’ny taona 6 i Kyrenio no governoran’i Syria.
Nandritra ny taona maro, dia izay ihany no porofo ara-tantara milaza fa governoran’i Syria i Kyrenio. Nisy soratra atao hoe Lapis Tiburtinus anefa hita tany Roma tamin’ny 1764. Tsy hita ao ny anaran’i Kyrenio, kanefa eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa izy no resahina ao. (Corpus Inscriptionum Latinarum, nataon’i H. Dessau, Berlin, 1887, Boky Faha-14, p. 397, No. 3613) Voalaza ao fa voatendry ‘fanindroany’ ho governora izy, rehefa nankany Syria. Mpahay tantara maro no miaiky fa efa governoran’i Syria koa i Kyrenio talohan’ny andro kristianina, rehefa dinihina ireo soratra misy ny anarany hita tany Antiokia.
Tsy tena fantatr’izy ireo anefa hoe oviana marina i Kyrenio no governoran’i Syria. Nilaza i Josèphe fa i Quintilius Varus no governoran’i Syria tamin’ny fotoana nahafatesan’i Heroda Lehibe sy taorian’izay. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVII, 89 [v, 2]; XVII, 221 [ix, 3]) Nilaza koa i Tacite fa i Varus no governora tamin’ny fotoana nahafatesan’i Heroda. (Ny Tantara, V, IX) Nandimby an’i Saturninus (C. Sentius Saturninus) i Varus, hoy i Josèphe.
Manam-pahaizana maro àry no milaza fa efa governora i Kyrenio tamin’ny taona 3-2 T.K. Marina fa mifanaraka amin’ny Baiboly izany, kanefa diso ny daty niaingan’izy ireo. Mihevitra mantsy izy ireo fa i Kyrenio no nifehy an’i Syria taorian’i Varus, izany hoe taorian’ny nahafatesan’i Heroda Lehibe, izay heverin’ny maro fa tamin’ny taona 4 T.K. Diso anefa io daty io. (Jereo FANISAN-TAONA; HERODA No. 1 [Daty nahafatesany].) (Izany fiheveran-diso izany koa no mahatonga azy ireo hilaza hoe tamin’ny taona 6 ka hatramin’ny 4 T.K. i Varus no governora. Tombantombana fotsiny izany, satria tsy noresahin’i Josèphe hoe oviana no nanomboka sy nifarana ny fitondran’i Varus.) Ny azo antoka dia hoe tamin’ny taona 2 talohan’ny andro kristianina i Jesosy no teraka. Midika izany fa mbola governora i Kyrenio tamin’io taona io.
Misy manam-pahaizana milaza fa hegemôn no teny nampiasain’i Lioka, izay nadika matetika hoe “governora.” Ilazana an’ireo Romanina lehiben’ny governora, na governora, na governoram-paritra, io teny grika io, ary midika hoe “mpitarika” na “manam-pahefana ambony.” Misy àry milaza fa mety ho iraka manokana nomen’ny mpanjaka fahefana lehibe i Kyrenio tany Syria, tamin’ilay fotoana noresahin’i Lioka fa nanaovana ilay “fanoratana voalohany.” Nilaza koa anefa i Josèphe hoe nisy olona roa niara-nitondra tany Syria. Samy “governoran’i Syria” tamin’ny fotoana iray ihany, hoy izy, i Saturninus sy Volumnius. (Rakitry ny Ela Jiosy, XVI, 277, 280 [ix, 1]; XVI, 344 [x, 8]) Raha marina ny tenin’i Josèphe hoe i Varus no governoran’i Syria nandimby an’i Saturninus, dia mety ho niara-nitondra tamin’i Saturninus (toy ny nataon’i Volumnius) i Kyrenio, na niara-nitondra tamin’i Varus talohan’ny nahafatesan’i Heroda (izay azo inoana fa nitranga tamin’ny taona 1 talohan’ny andro kristianina). Hoy Ny Rakipahalalana Ara-pivavahana Vaovaon’i Schaff sy Herzog: “Nitovy tsy nisy valaka ny toerana notanan’i Kyrenio sy Varus, governoran’i Syria. Nitovy toy izany koa ny toerana notanan’i Vespasien sy Mucianus tatỳ aoriana. Nitarika ny ady tany Palestina i Vespasien, fa i Mucianus kosa governoran’i Syria. Legatus Augusti i Vespasien, izany hoe nitovy tamin’ny an’i Mucianus ny toerana notanany sy ny anaram-boninahiny.”—1957, Boky Faha-9, p. 375, 376.
Misy soratra hita tany Venise (Lapis Venetus) milaza fa nandidy ny olona hisoratra anarana i Kyrenio tany Syria. Tsy resahiny anefa na tamin’ilay izy voalohany tany no nanome io didy io, na tamin’ilay fanindroany.—Corpus Inscriptionum Latinarum, nataon’i T. Mommsen sy O. Hirschfeld ary A. Domaszewski, 1902, Boky Faha-3, p. 1222, No. 6687.
Marim-pototra foana kosa izay nolazain’i Lioka. Azo inoana àry fa marina ny filazany hoe governoran’i Syria i Kyrenio tamin’ny fotoana nahaterahan’i Jesosy. I Josèphe no hany niresaka momba an’i Kyrenio ankoatra an’i Lioka. Efa tamin’ny taona 37, izany hoe efa ho 40 taona taorian’ny nahaterahan’i Jesosy, anefa izy vao teraka. I Lioka kosa efa dokotera niara-dia tamin’ny apostoly Paoly tamin’ny 49 tany ho any, raha mbola vao 12 taona monja i Josèphe. Azo itokisana kokoa àry izay nolazain’i Lioka fa governoran’i Syria taloha kelin’ny nahaterahan’i Jesosy. Milaza i Justin Maritiora, Palestinianina tamin’ny taonjato faharoa, fa ny tantara nosoratan’ny Romanina no porofo manamarina ny tenin’i Lioka hoe i Kyrenio no governora tamin’i Jesosy teraka. (Fanazavan’ny Katolika ny Soratra Masina, nataon’i B. Orchard, 1953, p. 943) Tsy nanakiana ny fitantaran’i Lioka mihitsy koa ireo mpahay tantara taloha, na dia ireo mpitsikera toa an’i Celse aza.