Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kyrosy

Kyrosy

(Kyròsy).

Ilay mpanjaka voalohany nitondra ny Fanjakana Persianina sady nandresy an’i Babylona; nantsoina hoe “Kyrosy Lehibe” mba hanavahana azy amin’i Kyrosy I raibeny.

Ahitana izao tenin’i Kyrosy izao ny soratra miendri-pantsika eo amin’ilay Varingarin’i Kyrosy, natao taorian’ny nandreseny ny Fanjakana Babylonianina: “Izaho no Kyrosy, mpanjakan’izao tontolo izao, mpanjaka lehibe, mpanjaka ara-dalàna, mpanjakan’i Babylona, mpanjakan’i Somera sy Akada, mpanjakan’ny (vazan-tany) efatra, zanak’i Cambyse (Ka-am-bo-zi-ia), mpanjaka lehibe, mpanjakan’i Anshan, zafikelin’i Kyrosy [I], ... taranak’i Teispes, ... avy amin’ny fianakaviana nisy mpanjaka foana.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 316) Taranak’ireo mpanjakan’i Anshan àry i Kyrosy. Tsy tena fantatra hoe taiza no nisy an’io tanàna sy faritr’i Anshan io. Maro anefa ankehitriny no mihevitra hoe tany atsinanan’i Elama izy io. Tarana-mpanjaka avy amin’i Achéménès rain’i Teispes àry i Kyrosy.

Tsy dia mazava ny tantaran’ny fahazazan’i Kyrosy II noresahin’i Hérodote (Grika mpahay tantara tamin’ny taonjato fahadimy T.K.) sy Xénophon (mpanoratra grika teraka 50 taona teo ho eo taorian’i Hérodote), satria toa hoatran’ny angano ilay izy. Samy nilaza anefa izy ireo fa zanak’i Cambyse mpanjaka persianina, sy Mandane zanakavavin’i Astyage mpanjakan’ny Medianina, i Kyrosy. (Hérodote, I, 107, 108; Cyropaedia nosoratan’i Xénophon, I, ii, 1) Nilaza kosa i Ctésias, Grika mpahay tantara velona tamin’izany, fa lasa vinanton’i Astyage i Kyrosy satria nanambady an’i Amytis zanany vavy.

Nandimby an’i Cambyse I rainy i Kyrosy ka lasa mpanjakan’i Anshan, izay teo ambany fahefan’i Astyage mpanjaka medianina tamin’izay. Nilaza i Diodore (taonjato voalohany T.K.) fa nanomboka nanjaka i Kyrosy tamin’ny 560/559 T.K., na ny taona voalohany tamin’ny Olympiady Faha-55 (fe-potoana naharitra efa-taona ny Olympiady tsirairay). Nitantara i Hérodote fa nikomy tamin’ilay mpanjaka medianina i Kyrosy. Namadika an’i Astyage koa ny tafiny, ka nandresy mora foana i Kyrosy ary azony i Ekbatana renivohitr’i Media. Hoy ny Tantaran’i Nabonida: “Novorin’i [Astomego Mpanjaka (Astyage)] ny miaramilany mba handeha [hiady] tamin’i Kyrosy mpanjakan’i Anshan. Nikomy tamin’i Astomego anefa ny tafiny, ka namatotra azy ary [nanolotra azy] tamin’i Kyrosy.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 305) Hain’i Kyrosy ny nandresy lahatra ny Medianina mba hiandany taminy, ka lasa tafika iray teo ambany fahefany ny Medianina sy Persianina. Notafihin’i Kyrosy ny faritra andrefan’ny Fanjakana Medianina taorian’izay, ary tonga hatrany amin’ny sisiny atsinanan’ny Fanjakana Lydianina teo amin’ny Reniranon’i Halys tany Azia Minora izy.

Resin’i Kyrosy avy eo i Crésus mpanjakan’i Lydia nanan-karem-be, ary azony i Sardisy. Resiny koa ireo tanàna grika tany Ionia ka nofeheziny i Azia Minora manontolo. Lasa fahavalo lehiben’i Babylona sy Nabonida mpanjakany àry i Kyrosy, tao anatin’ny taona vitsivitsy monja.

Nandresy an’i Babylona. Niomana hifanandrina tamin’i Babylona i Kyrosy, ary nanomboka teo izy no nanatanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Nilaza i Isaia mpaminany fa haorina indray i Jerosalema sy ny tempoliny, ka io mpanjaka persianina io no notendren’i Jehovah Andriamanitra handresy an’i Babylona sy hanafaka an’ireo Jiosy natao sesitany tany. (Is 44:26–45:7) Maherin’ny 150 taona talohan’ny nahazoan’i Kyrosy fahefana no nosoratana io faminaniana io. Efa lao koa ny tanin’i Joda raha mbola tsy teraka akory i Kyrosy. Nilaza anefa i Jehovah fa i Kyrosy ilay ‘mpiandry ondriny’ hamonjy ny Jiosy. (Is 44:28; ampit. Ro 4:17.) Nantsoina hoe ‘voahosotra’ (dikan’ny teny hebreo mashiah, na mesia, sy ny teny grika kristôs, na kristy) àry i Kyrosy, noho izy voatendrin’i Jehovah mialoha. (Is 45:1) Efa hatry ny ela izy no ‘nantsoin’Andriamanitra tamin’ny anarany.’ (Is 45:4) Tsy midika anefa izany hoe i Jehovah no nanome anarana azy tamin’izy vao teraka. Fantatr’i Jehovah mialoha kosa fa hisy lehilahy antsoina hoe Kyrosy ho lasa mpanjaka, ka nantsoiny tamin’ny anarany mihitsy izy.

Azo inoana fa mpanompo sampy fatra-panaraka ny fampianaran’i Zoroastre i Kyrosy Mpanjaka. Tsy fantany akory àry fa i Jehovah Andriamanitra no toy ny hoe ‘nitantana azy tamin’ny tanany ankavanana’, mba hitarihana na hanatanjahana azy sy mba hanomanana azy hanatanteraka ny fikasany, dia ny handresy an’i Babylona. (Is 45:1, 2, 5) Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no Ilay “manambara hatrany am-piandohana izay hitranga amin’ny farany, sy manambara hatry ny ela ny zavatra mbola tsy natao.” Hainy tsara àry ny manova ny toe-javatra mba hahatanteraka ny fikasany. Nantsoiny “avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro” i Kyrosy, izany hoe avy any Persa (tany atsinanan’i Babylona). Tany no naorina i Pasargades, renivohitra tian’i Kyrosy indrindra. Ho toy ny “vorona mpihaza” koa izy rehefa hanafika tampoka an’i Babylona. (Is 46:10, 11) Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (1910, Boky Faha-10, p. 454): “Sarim-boromahery natao teo amin’ny tendron’ny lefona no famantarana nentin’ny miaramila persianina. Nivavaka tamin’ny masoandro izy ireo ka nisy sarina masoandro koa teo amin’ny fanevan’izy ireo, izay ... narovan’ny mahery fo indrindra taminy.”

Ahoana no nampivilian’i Kyrosy ny ranon’i Eofrata?

Voalazan’ny faminanian’ny Baiboly fa ho ritra ny reniranon’i Babylona ary tsy hikatona ny vavahadiny, rehefa manafika i Kyrosy. Ho tampoka ilay fanafihana ary tsy hanohitra ireo miaramilan’i Babylona. (Is 44:27; 45:1, 2; Je 50:35-38; 51:30-32) Nilaza i Hérodote fa nisy hadivory lalina nanodidina an’i Babylona, ary nisy vavahady halimo (na varahina) maromaro teo amin’ireo manda anatiny nanamorona ny Reniranon’i Eofrata, izay nandalo teo afovoan’ilay tanàna. Nanao fahirano an’ilay tanàna i Kyrosy, hoy i Hérodote (I, 191, 192), ka “nanao lakandrano mba hamiliana an’ilay renirano ho ao amin’ny farihy iray [nataon’i Nitokrisy vadin’ny mpanjakan’i Babylona, hono], izay honahona tamin’izay. Lasa marivo azo niampitana àry ilay renirano. Niroboka avy hatrany teo amin’i Eofrata izay efa nihena hatreny antsasa-pe ireo Persianina ..., ka niditra tao Babylona. Raha fantatry ny Babylonianina mialoha ny tetik’i Kyrosy, dia ho navelany hiditra tao an-tanàna ny Persianina ka nataony nahita faisana. Ho nohidiany daholo mantsy ny vavahady rehetra nanamorona an’ilay renirano, ary ho niakatra teny ambonin’ireo manda izy ireo ka nataony tsy afa-nandositra ireo fahavalony. Tsy nampoizin’izy ireo anefa ny nidiran’ny Persianina. Rehefa resy ireo nonina teny an-tsisin’ilay tanàna, dia tsy fantatr’ireo tany afovoan-tanàna akory izany, satria tena lehibe ilay tanàna, araka ny filazan’ireo mponina tao. Nandihy sy nanao fety izy ireo tamin’izay ... mandra-pahafantany hoe tafiditra ny fahavalo. [Ampit. Da 5:1-4, 30; Je 50:24; 51:31, 32.] Sambany àry i Babylona vao resy.”

Mitovitovy amin’ny an’i Hérodote ihany ny fitantaran’i Xénophon, afa-tsy ny tsipiriany sasany. Araka ny filazan’i Xénophon, dia nihevitra i Kyrosy fa ho sarotra be ny hananika an’ireo manda goavan’i Babylona. Nataony fahirano àry ilay tanàna, naviliny nankao amin’ny lakandrano ny ranon’i Eofrata, ary nasainy niroboka tao anaty rano sy niditra tamin’ny vavahady teo amin’ny manda ny miaramilany, raha mbola nifety ilay tanàna. Tratran’ny tsy nampoizina ireo mpiambina rehefa notafihin’ny miaramila notarihin’i Gobriasy sy Gadatasy, izay tafiditra tamin’ny vavahadin’ny lapa. “Azo ilay tanàna ary novonoina ny mpanjaka”, tao anatin’ny indray alina monja. Nitolo-batana ny miaramila babylonianina tao amin’ireo toerana voaro mafy, ny ampitso maraina.​—Cyropaedia, VII, v, 33; ampit. Je 51:30.

Toy izao no fitantaran’i Bérose mpisorona tao Babylona (taonjato fahatelo T.K.) ny fandresen’i Kyrosy, araka ny nosoratan’i Josèphe, Jiosy mpahay tantara: “Niainga avy tany Persa i Kyrosy tamin’ny taona faha-17 [nanjakan’i Nabonida], ary nitondra tafika lehibe. Resiny ny faritra rehetra nofehezin’ilay fanjakana, ary avy eo nandeha nanafika an’i Babylonia izy. Nisy nampahafantatra an’i Naboneda [Nabonida] fa ho avy izy. Nitondra ny tafiny hiady taminy àry [i Nabonida] nefa resy, ka nandositra niaraka tamin’ny mpomba azy vitsivitsy. Niafina tao Borsippa [tanàna mpirahavavy amin’i Babylona] izy. Azon’i Kyrosy i Babylona, ary nasainy narodana ireo manda ivelany makadiry nampahatahotra. Nankany Borsippa izy avy eo, mba hanao fahirano an’ilay tanàna nisy an’i Naboneda. Nitolo-batana avy hatrany anefa izy io, fa tsy niandry fahirano. Tsara fanahy taminy i Kyrosy, ary nasainy niala tao Babylonia izy ka nalefany hipetraka tany Karmania. Nipetraka tany i Naboneda mandra-pahafatiny.” (Diso Hevitra i Apion, I, 150-153 [20]) Tsy mitovy amin’ny an’ny hafa io fitantarana io, satria miresaka momba an’izay nataon’i Nabonida sy ny nataon’i Kyrosy taminy. Izy io anefa no mifanaraka amin’ny fitantaran’ny Baiboly hoe i Belsazara, fa tsy i Nabonida, no ilay mpanjaka novonoina ny alina nandresena an’i Babylona.​—Jereo BELSAZARA.

Tena porofoin’ireo takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika hitan’ireo mpikaroka, fa tampoka no nandresen’i Kyrosy an’i Babylona, na dia tsy manome tsipiriany aza izy ireny. Milaza, ohatra, ny Tantaran’i Nabonida fa notafihin’i Kyrosy ny tafika babylonianina tao Opis ka resiny, tamin’ny volana Tisry (Septambra-Oktobra) tamin’ny taona farany nanjakan’i Nabonida (539 T.K.). Hoy koa izy io: “Resy tsy niady i Sippar, tamin’ny andro faha-14. Nandositra i Nabonida. Tafiditra tao Babylona i Gobriasy (Ogbaro), governoran’i Gotioma, sy ny tafik’i Kyrosy, nefa tsy nila niady akory, tamin’ny andro faha-16. Voasambotra tao Babylona i Nabonida taorian’izay, rehefa niverina ... Niditra tao Babylona i Kyrosy ny andro fahatelon’ny volana Arahshamno [Marshesvana (Oktobra-Novambra)].” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 306) Fantatra avy amin’io asa soratra io fa resy tamin’ny 16 Tisry 539 T.K. i Babylona, ary 17 andro taorian’izay, izany hoe ny 3 Marshesvana, i Kyrosy no niditra tao.

Ny Aryanina indray no lasa firenena natanjaka. Nifarana teo àry ny fitondran’ny taranak’i Sema tany Mezopotamia sy Israely ary ny firenena manodidina azy. Ny taranak’i Jafeta (Aryanina) indray no lasa firenena natanjaka indrindra. Soratra miendri-pantsika miresaka momba ny fivavahana ny Varingarin’i Kyrosy, ary natao ho an’ny mponin’i Babylona, hoy ny mpahay tantara. Resahin’izy io fa i Mardoka, ilay andriamanitra lehibe indrindran’ny Babylonianina, no nolazain’i Kyrosy fa nanampy azy handresy. Hoy i Kyrosy: “Nijery sy nandinika ny firenena rehetra izy [Mardoka], mba hitady mpanjaka manao ny rariny izay vonona hitondra azy ... (handehandeha eran’ny tanàna araka ny fanao isan-taona). Notononiny (àry) ny anaran’i Kyrosy (Ko-ra-as), mpanjakan’i Anshan, ka nolazainy (a.b.t.: notononiny ny anarany) fa izy no ho mpanjakan’izao tontolo izao. ... Faly i Mardoka, ilay tompo mendri-kaja sady mpiaro ny vahoakany/mpivavaka aminy, nahita fa tsara ny (nataon’i Kyrosy) sy ny toe-tsainy (a.b.t.: fony) (ka) nasainy nanafika an’i Babylona tanànany (Kadingirra) izy. Nasainy nankany Babylona (DIN.TIRki) izy, ary niara-dalana taminy toy ny tena namana. Niaraka [tamin’i Kyrosy] ny miaramilany, ary be dia be toy ny renirano izy ireo ka tsy tambo isaina. Tao anaty entana ny fitaovam-piadian’izy ireo. Nampidiriny tao Babylona tanànany (Soanna) izy, ary tsy nila niady akory ka tsy nisy loza nanjo an’i Babylona (Kadingirraki).”​— Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 315.

Nahoana no hafa noho ny an’ny Baiboly ny fanazavan’ny Varingarin’i Kyrosy momba ny faharesen’i Babylona?

Na eo aza izany fanazavan’ny mpanompo sampy izany, dia lazain’ny Baiboly fa niaiky toy izao i Kyrosy, rehefa nanome alalana ny Jiosy hiverina tany Jerosalema sy hanorina indray ny tempoly: “Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitry ny lanitra, ary izy no naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema, any Joda.” (Ezr 1:1, 2) Tsy niova nanaraka ny Fivavahana Jiosy akory i Kyrosy, fa nahafantatra fotsiny izay voalazan’ny Baiboly momba ny fandreseny. Nitana toerana ambony tao Babylona mantsy i Daniela, taloha sy taorian’ny naharesy azy io. (Da 5:29; 6:1-3, 28) Azo inoana àry fa nampahafantariny an’i Kyrosy izay nolazain’ny mpaminany sy nosoratany, anisan’izany ilay faminanian’i Isaia misy ny anaran’i Kyrosy. Tsara homarihina koa fa mety ho tsy ny mpanjaka irery no nanoratra an’ilay soratra miendri-pantsika eo amin’ilay Varingarin’i Kyrosy. Milaza ilay boky hoe Ny Arkeolojia sy ny Baiboly nataon’i Ernest Wright (1962, p. 203), fa “ny mpanjaka na ireo tao amin’ny fitondrana no nanao an’ilay soratra.” (Ampitahao amin’izay nataon’i Dariosy ao amin’ny Da 6:6-9.) Milaza kosa ny Pr. Emil Kraeling (Bokin-tsarintanin’ny Baiboly Nataon’i Rand McNally, 1966, p. 328) fa “fampielezan-kevitry ny mpisorona babylonianina” ilay Varingarin’i Kyrosy. Mety ho ireo mpitondra fivavahana tokoa no nanomana an’izay hosoratana tao amin’izy io. (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 315, f.a.p. 1) Tian’izy ireo hamboamboarina mantsy ny fanazavana ny hoe nahoana i Mardoka (fantatra koa hoe Bela) sy ireo andriamanitra hafa babylonianina no tsy nahavonjy an’ilay tanàna. Nolazainy mihitsy aza fa i Mardoka no nahatonga an’ilay fandresena, nefa i Jehovah no nahatonga izany raha ny marina.​—Ampit. Is 46:1, 2; 47:11-15.

Namoaka didy hoe mahazo mody ireo natao sesitany. Namoaka didy hanafahana an’ireo Jiosy tany an-tsesitany i Kyrosy. Izy tokoa àry ilay ‘mpiandry ondry voahosotr’i’ Jehovah hamonjy ny Israelita. (2Ta 36:22, 23; Ezr 1:1-4) “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa”, izany hoe tamin’ny taona voalohany nifehezany an’i Babylona, no natao ilay antso avo. Miresaka momba “ny taona voalohany nanjakan’i Dariosy” ny Daniela 9:1. Mety ho teo anelanelan’ny fotoana naharesy an’i Babylona sy ny “taona voalohany nanjakan’i Kyrosy” na nifehezany an’i Babylona izany. Raha izany no izy, dia nihevitra angamba ilay mpanoratra ny bokin’i Daniela hoe nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 538 T.K. ilay taona voalohany nanjakan’i Kyrosy. Raha nisolo tena an’i Kyrosy anefa i Dariosy tamin’izy nanjaka tao Babylona, dia ho nitovy ny fotoana nanjakan’izy ireo, ka mety ho tamin’ny Nisana 538 ka hatramin’ny Nisana 537 T.K. no taona voalohany nanjakan’i Kyrosy, araka ny filazan’ny Babylonianina.

Mety ho tamin’ny faramparan’ny 538 na teo am-piandohan’ny 537 T.K. i Kyrosy no namoaka an’ilay didy namela an’ireo Jiosy hiverina tany Jerosalema, raha jerena ny Baiboly. Nanam-potoana tsara àry izy ireo hiomanana hiala tao Babylona, sy hanaovana an’ilay dia lavitra nankany Joda sy Jerosalema (efa-bolana teo ho eo, araka ny Ezr 7:9). Efa “tao amin’ny tanànany avy” tany Joda izy ireo ny “volana fahafito” (Tisry) tamin’ny taona 537 T.K. (Ezr 3:1, 6) Tamin’izay no tapitra ireo 70 taona nambaran’ny faminaniana fa hahalao an’i Joda, izay nanomboka tamin’ny volana Tisry koa, taona 607 T.K.​—2Mp 25:22-26; 2Ta 36:20, 21.

Tena tsara fanahy tamin’ireo Jiosy i Kyrosy, tsy toa an’ireo mpanjaka mpanompo sampy talohany. Naveriny ireo fitaovan’ny tempoly nentin’i Nebokadnezara II tany Babylona. Nomeny alalana hanafatra hazo sedera avy any Libanona ny Jiosy. Nilaza koa izy fa azo atao ny maka vola avy ao an-tranon’ny mpanjaka mba hisahanana izay ho lany amin’ny fanorenana. (Ezr 1:7-11; 3:7; 6:3-5) Voalazan’ilay Varingarin’i Kyrosy (SARY, Boky Faha-2, p. 332) fa tsara fanahy tamin’ireo firenena resiny i Kyrosy sady nalala-tsaina. Voalaza ao fa niteny toy izao izy: “Naveriko tany amin’ireo tanàna masina [voatonona teo aloha] any ampitan’i Tigra sy tany amin’ireo toerany masina rava efa ela be ireo sary tao (taloha), ary nanorina toerana masina mateza ho an’ireny aho. Nangoniko (koa) ireo mponina rehetra tany (taloha) ka naveriko (taminy) ny fonenany.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, p. 316.

Tsy ilay antso avo resahin’ny Ezra 1:1-4 ihany no nataon’i Kyrosy, fa nisy “hafatra” koa nosoratany ary notehirizina tao amin’ny trano nisy ny taratasy tao Ekbatana tany Media. Hita tao izy io rehefa nasain’i Dariosy Medianina notadiavina. (Ezr 5:13-17; 6:1-5) Hoy ny Profesora Ernest Wright momba azy io: “Nantsoina hoe dikrôna [izy io]. Izany no teny aramianina ofisialy niantsoana an’izay fanapahan-kevitra noraisin’ny mpanjaka na olona ambony hafa, ka natao an-tsoratra ary nasaina notanterahin’ny manam-pahefana. Tsy natao ho fanta-bahoaka izy io, fa natao hovakin’ilay manam-pahefana fotsiny, ary avy eo notehirizina tao amin’ny trano nisy ny taratasim-panjakana.”​—Ny Arkeolojia sy ny Baiboly, p. 203.

Ny nahafatesany, sy ilay mpanjaka mifanitsy aminy. Toa maty tany an’ady i Kyrosy tamin’ny 530 T.K., na dia tsy tena fantatra aza ny tsipiriany momba izany. Niara-nanjaka taminy i Cambyse II zanany lahy, talohan’ny nahafatesany. I Cambyse irery no nanjaka rehefa maty ny rainy.

Mitovitovy amin’ny fitantarana ny fandresen’i Kyrosy an’i Babylona fahiny, ny faminanian’ny Apokalypsy momba ny loza hanjo tampoka an’i Babylona Lehibe. (Ampitahao ny Ap 16:12; 18:7, 8 sy Is 44:27, 28; 47:8, 9.) Raha vao avy niresaka momba ny faharavan’ilay Babylona an’ohatra ny Apokalypsy, dia milaza fa hisy mpanjaka hitarika tafika mahery. Tsy olombelona anefa izy io fa ilay “Tenin’Andriamanitra” any an-danitra, izay tsy iza fa i Kristy Jesosy, ilay tena Mpiandry voahosotr’i Jehovah.​—Ap 19:1-3, 11-16.