Labana
(Labàna) [Fotsy].
1. Zafikelin’i Nahora rahalahin’i Abrahama. Zanakalahin’i Betoela i Labana, ary anadahin’i Rebeka. (Ge 24:15, 29; 28:5) Izy no rain’i Lea sy Rahely. (Ge 29:16) Nonina tao Harana any Padana-arama, any Mezopotamia, izy.—Ge 24:10; 27:43; 28:6; 29:4, 5.
Nolazaina hoe “zanak’i Betoela Syrianina” (a.b.t.: Aramianina) i Labana. Voalaza koa hoe “Labana Syrianina” izy. (Ge 28:5; 25:20; 31:20, 24) Marina izany satria izy mponin’i Padana-arama, izay midika hoe “Lemaka (Tany Lemaka) any Arama (Syria).” Taranak’i Sema i Labana, ary nipetraka tao amin’ny faritra nonenan’ny olona niteny aramianina, izay fiteny semitika.
Naniraka mpanompo iray hankany Mezopotamia i Abrahama tamin’izy efa antitra, mba hitady vady ho an’i Isaka. (Ge 24:1-4, 10) Nihaona tamin’i Rebeka ilay mpanompo, ary notantarain’i Rebeka tamin’ny havany izany, ka ren’i Labana. Hitan’i Labana koa ireo fanomezana nomena an’i Rebeka, ka nihazakazaka nankany amin’ilay mpanompo izy, ary niantso azy hoe “ilay notahin’i Jehovah.” Nampiantranoiny ilay mpanompo avy eo. (Ge 24:28-32) Nandray anjara be tamin’ny dinidinika momba ny hanambadian’i Rebeka i Labana, taorian’izay. Izy sy Betoela rainy no nanaiky ny hanatanterahana izany.—Ge 24:50-61.
Nankany amin’i Labana dadatoany tany Harana i Jakoba, taona maro tatỳ aoriana, mba handosirana ny valifatin’i Esao sy mba hitady vady. (Ge 27:41–28:5) Efa niteraka an’i Lea sy Rahely (Ge 29:16) i Labana tamin’izay, ary angamba koa niteraka zanakalahy maro. (Ge 31:1) Nifanaraka tamin’i Jakoba i Labana fa homeny ho vadin’i Jakoba i Rahely zandrin’i Lea, raha manompo azy fito taona i Jakoba. Natao ny fampakaram-bady. Nofitahin’i Labana anefa i Jakoba, ka i Lea zokin’i Rahely no nomeny azy ny alin’iny. Tsy faly i Jakoba nefa tsy noraharahain’i Labana izany, fa ny fomban-tany no noheveriny ho zava-dehibe. Nomeny an’i Jakoba ihany i Rahely, taorian’izay, ka lasa vady faharoa. Nila nanompo an’i Labana fito taona fanampiny indray anefa i Jakoba.—Ge 29:13-28.
Te hiala tamin’ny asany tao amin’i Labana i Jakoba tatỳ aoriana, nefa niangavian’i Labana mba hijanona ary notambazany hoe homeny karama. (Ge 30:25-28) Nifanaraka izy ireo fa ho lasan’i Jakoba ny ondry sada sy mara rehetra, sy ny vantotr’ondrilahy mivolontsôkôlà rehetra, ary ny osivavy mara sy sada rehetra. (Ge 30:31-34) Hita tamin’ny tenin’i Jakoba tamin’i Lea sy Rahely ary tamin’i Labana, tatỳ aoriana, anefa fa nivadibadika foana i Labana nandritra ny taona maro, rehefa hitany fa lasa maro be ny andiam-bibin’i Jakoba. (Ge 31:4-9, 41) Tsy toy ny taloha intsony ny fihetsik’i Labana tamin’i Jakoba, ka nasain’i Jehovah nody tany amin’ny taniny i Jakoba, niaraka tamin’ny ankohonany sy ny biby fiompiny.—Ge 31:1-5, 13, 17, 18.
Nandeha mangingina i Jakoba, ary telo andro taorian’izay vao ren’i Labana izany. Nenjehiny i Jakoba ary tratrany teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada. Nampitandrina azy anefa Andriamanitra ka tsy sahy nanisy ratsy an’i Jakoba izy. (Ge 31:19-24) Nihaona àry i Jakoba sy Labana. Nifamaly izy ireo, ary nohazavain’i Jakoba fa 20 taona izy no nanompo an’i Labana ary tsy nanao an-tsirambina fa niasa mafy. Naharihariny koa fa nanararaotra azy i Labana satria nanova ny karaman’i Jakoba impolo izy.—Ge 31:36-42.
Nisy zavatra hafa koa nampanahy an’i Labana: Tsy hitany ny terafimany, na ny andriamanitry ny fianakaviany. Nangalarin’i Rahely mantsy izy io, ary tsy nahafantatra izany i Jakoba. Nafenin’i Rahely izy io ka tsy hitan’i Labana. Nahoana i Labana no nampiasa fambara sy terafima? Mety ho nisy vokany tamin’i Labana ny finoan’ireo mpiara-monina taminy izay nivavaka tamin’ny volana. Tsara homarihina anefa fa tsy izany fotsiny no nahatonga an’i Labana hitady mafy an’ilay terafima. Mety hanan-jo hankany amin’ny fitsarana mba hitaky ny fananana navelan’ny rafozandahiny mantsy ny lehilahy nanana an’ireny andriamanitry ny fianakaviana ireny. Asehon’ny takela-bato hita tany Nouzi, any akaikin’i Kirkuk, any Irak, fa izany no lalàna nanan-kery tany amin’io faritra io, tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny. Mety ho nieritreritra àry i Labana hoe i Jakoba no nangalatra Ge 31:30-35, 41-52.
an’ilay terafima mba hakany ny lova tokony ho an’ireo zanakalahin’i Labana, any aoriana any. Izany angamba no antony nahatonga an’i Labana ho may hanao fifanekena tamin’i Jakoba, rehefa tsy hitany ny terafimany. Tiany ho azo antoka fa tsy hiverina any Padana-arama hitondra an’ilay terafima i Jakoba, mba haka ny lovan’ireo zanany lahy rehefa maty izy.—Nanao fifanekena tamin’i Jakoba i Labana fa hihavana izy ireo sy ny taranany. Nanao tsangambato sy nanangana antontam-bato izy ireo mba hahatsiarovana izany. Nampiasa teny hebreo i Jakoba ka niantso an’ilay antontam-bato hoe Galeda, izay midika hoe “Antontam-bato Vavolombelona.” Teny aramianina, na syrianina, kosa no nampiasain’i Labana, ka nantsoiny hoe Jegara-sahadota izy io. Mitovy ihany anefa ny dikan’ireo anarana ireo. Nantsoina koa hoe “Ny Tilikambo Fiambenana” izy io. (Ge 31:43-53) Nanao veloma an’ireo zafikeliny sy zanany vavy i Labana, ary nody. Tsy miresaka momba azy intsony ny Baiboly manomboka eo.—Ge 31:54, 55.
2. Toerana iray hita ao amin’ny Deoteronomia 1:1, ary resahina miaraka amin’ny “lemaka karakaina tandrifin’i Sofa.” Tsy tena fantatra ny toerana nisy an’i Labana.