Labiera
Zava-pisotro misy alkaola kely, vita amin’ny varimbazaha na voamadinika hafa naotrika elaela. Avy amin’ny teny hebreo hoe sôveʼ, izay azo adika koa hoe “toaka”, ny hoe “labiera.”—Is 1:22; Ho 4:18; Na 1:10.
Efa hatry ny ela (3000-2000 T.K.) ny tany Mezopotamia fahiny no nahay nanamboatra labiera, araka ny asehon’ny takelaka tanimanga misy soratra miendri-pantsika. Mety ho efa zava-pisotro tany Ejipta ny labiera, fony i Abrahama tonga voalohany tany. Sarobidy be tamin’i Ramsès III, hono, izy io ka nanolotra 114 000 L teo ho eo ho an’ny andriamaniny izy isan-taona. Nahita vera lehibe maro (misy fanatantavanana) izay fisotroan’ny Filistinina labiera ny mpikaroka. Toa nisy labiera mamy, mangidy, manitra, mandroadroatra, ary misy zava-manitra tany amin’ireo firenena ireo. Notampohina rano na natao marihidrihitra ilay izy, ary naroso mafana na mangatsiaka.—Jereo DIVAY SY TOAKA.