Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lafaoro

Lafaoro

Fitaovana nohafanaina ka ao ny sakafo no andrahoina na atsatsika. Nampiasa lafaoro isan-karazany ny Hebreo sy ny olon-kafa. (SARY, Boky Faha-2, p. 952) Natao handrahoana mofo koa ny “lafaoro.”​—Ho 7:4; Le 2:4.

Anisan’ny lafaoron’ny olona any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane hatramin’izao ny lavaka lehibe boribory anaty tany. Misy mahatratra 1,5 na 1,8 m ny halaliny, ary efa ho 1 m ny savaivony. Nisy, ohatra, antonona ondry iray manontolo, izay nahantona rehefa natsatsika teo ambony vato mafana na vainafo.

Lafaoro vilia baolina no nampiasaina fahiny, toy ny fampiasan’ny tantsaha palestinianina ankehitriny. Nahohoka teo ambony vatokely nasiana mofo ny vilia baolina tanimanga lehibe iray, ary nasiana kitay na vainafo teo amboniny sy nanodidina azy mba hanamasahana ilay mofo.

Azo inoana fa nanana lafaoro siny, toy ilay mbola fampiasa any Palestina, ny tokantrano hebreo rehetra. Siny tany lehibe azo nobataina ilay izy, 90 sm teo ho eo ny haavony, ary nivelatra ny fanambaniny. Nodorana tao anatiny ny bozaka na kitay rehefa nohafanaina ilay izy, ary navoaka tamin’ny lavaka efa natao ho amin’izany ny lavenona. Nosaronana ilay izy, ary napetaka nanaraka ny vatany (anatiny na ivelany) ny koba rehefa nafana ilay lafaoro. Nanify kely ny mofo nandrahoina toy izany.

Nahita lafaoro lavaka maro ny mpikaroka. Toa lafaoro siny nohatsaraina izy ireny. Vita tamin’ny tanimanga nolalorina izy ireny, ka ny antsasany tao anaty tany, ary ny antsasany tetỳ ivelany. Nihatery ny vavany, ary mety ho rantsankazo na bozaka no nodorana tao anatiny toy ny fampiasan’ny Hebreo. (Ampit. Mt 6:30.) Nataon’ny Ejipsianina teo ivelan’ilay lafaoro ny koba, araka ny hita amin’ny tsangambato sy sary hoso-doko. Azo natsatsika tao anatin’ilay lafaoro koa ny hena.

Mitovitovy amin’ny lafaoron’ny tantsaha palestinianina ankehitriny ihany ireo hita teny amin’ny sisan-javatra rava, na aseho amin’ny sary mivohitra sy sary hoso-doko asyrianina sy ejipsianina. Natao tao an-tokotany ny lafaoro tany Kaldea fahiny. Mety ho ao anaty tranokely eo an-tokotanin’olona kosa izy ireny ankehitriny, na mitambatra eo amin’ny toerana iray ao an-tanàna. Mbola misy ny lafaoro lehibe azon’ny rehetra ampiasaina.

Nanana lafaoro tao an-tranony ny Israelita sy Ejipsianina tany Ejipta. Tonga hatrany anaty lafaoro sy vilia famolavolana koba ny sahona, nandritra ny loza faharoa.​—Ek 8:3.

Natsipin’i Nebokadnezara Mpanjaka tao anaty lafaoro mirehitra ireo Hebreo telo lahy naman’i Daniela, satria tsy nety niankohoka teo anatrehan’ny sarivongana volamena nataony. (Da 3) Tsy voalaza raha lafaoro manokana natao ho amin’izany izy io, na toy ny lafaoro mahazatra ihany.

Nasain’i Nehemia namboarina ny simba tamin’ny “Tilikambon’ny Lafaoro” tao Jerosalema, rehefa naorina indray ny manda. (Ne 3:11; 12:38) Tsy tena fantatra ny niavian’ilay anarana, fa mety ho teo akaiky teo ny lafaoron’ny mpanao mofo sy mpivarotra mofo.

Heviny an’ohatra. Hoy ny Levitikosy 26:26: “Rehefa [hotapahin’i Jehovah] ny hazo fihantonan’ny mofo boribory fihinanareo, dia ho lafaoro iray monja no hanaovan’ny vehivavy folo ny mofonareo, ary hozarainy aminareo izany ka hoferana ny lanjany. Dia hihinana ianareo nefa tsy ho voky.” Lafaoro iray no nanaovan’ny vehivavy iray mofo isan’andro. Hisy fotoana anefa tena ho kely ny sakafo, hoy ilay andininy, ka lafaoro iray monja dia ampy hanaovan’ny vehivavy folo mofo. Noharin’ny Hosea 7:4-7 tamin’ny lafaoron’ny mpanao mofo ny Israelita mpanitsakitsa-bady, noho ny fanirian-dratsy niredareda tao anatiny.